Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hebreo 8:9 - Baiboly Katolika

9 tsy mba fanekena tahaka ny nataoko tamin’ny razan’izy ireo, tamin’ny andro nitantanako sy nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta, izay fanekena tsy naharetany ka nandaozako azy, hoy ny Tompo;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ny razany tamin’ny andro nitantanako azy sy nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; fa tsy nitoetra tamin’ny fanekeko izy ireny, ary Izaho koa dia tsy nitandrina azy, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Nefa tsy mba Fanekempihavanana mitovy amin’izay nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy hivoaka ny tany Ejipta; tsy nahatritra tamin’izany Fanekempihavanana nataoko izany ireo, koa dia tsy niraharaha azy Aho, hoy ny Tompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Nefa tsy mba Fanekempihavanana mitovy amin’izay nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy hivoaka ny tany Ejipta; tsy nahatritra tamin’izany Fanekempihavanana nataoko izany ireo, koa dia tsy niraharaha azy Aho, hoy ny Tompo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ny razany Tamin’ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin’ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany Tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ny razany tamin’ny andro nitantanako azy sy nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; fa tsy nitoetra tamin’ny fanekeko izy ireny, ary Izaho koa dia tsy nitandrina azy, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 8:9
44 Rohy Ifampitohizana  

Mbola nitaredretra anefa izy, dia noraisin’izy roa lahy tamin’ny tanany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy, fa tian’i Iaveh ny hiaro azy, dia nentiny izy, navoakany tany ivelan’ny tanàna.


Tsia. Andriamanitra tsy manary ny tsy manan-tsiny; Izy tsy mitantana ny mpanao ratsy.


Ka nentiny nivoaka tamin-kafaliana ny vahoakany; ary tamin’ny hobim-pifaliana ny olom-boafidiny.


Lalana nalehanao ny ranomasina, sakeli-dalana nombanao ny ranobe, ka tsy nisy nahafantarana ny dianao.


Fa niodina sy nivadika toy ny razany izy ireo, nibirioka toy ny tsipìka mandainga.


Nalaky nivily niala tamin’ny lalana nasaiko hombàny; nanao zanak’omby anidina ho azy izy ireo, dia niankohoka teo anoloan’io sy nanolotra sorona taminy, ary nanao hoe: ‹Ry Israely, io no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta.› »


Dia hoy i Iaveh: «Indro manao fanekem-pihavanana Aho: Hanao zava-mahagaga eo anatrehan’ny vahoakanao rehetra Aho; ka tsy mbola nisy nanaovana toy izany, na tany aiza na tany aiza, na firenena aiza na firenena aiza; ka ny vahoakanao manodidina anao hahita ny asan’i Iaveh; fa mahatsiravina tokoa ny zavatra hataoko miaraka aminao.»


Iza ity vehivavy, miakatra avy any an’efitra, mitehina amin’ny malalany? Teo ambanin’ny hazo pôma no namohazako anao, teo no torontoronina anao ireninao. Teo izy no torontoronina anao, tao izy no nampahita masoandro anao.


Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.


Fa Izaho Iaveh Andriamanitrao, mitantana anao amin’ny tanana ankavanana, milaza aminao hoe: «Aza matahotra, Izaho no tonga mamonjy anao.»


Tsy nisy nitari-dalana azy, na iray aza, ny zanany naterany rehetra. Tsy nisy nitantana azy, na iray aza, ny zanaka notezainy rehetra.


Tamin’ny fahorian’ireo rehetra, niory koa izy, ary ny Anjelin’ny tavany namonjy azy ireo. Noho ny fitiavany sy ny hamoram-pony dia ny Tenany no nanavotra azy ireo; nanohana sy nivimbina azy, nandritra ny andro rehetra fahiny.


ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho.


Ny Tavan’i Iaveh vinitra nampihataka azy; tsy nijery ireny intsony izy. Ny mpisorona, tsy nasian’ny fahavalo hajany; ny anti-panahy, tsy nananany antra.


Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao, ianao ilay nanatsinontsinona ny fianiananao, tamin’ny nivadihanao ny fanekena.


Nandalo teo akaikinao Aho ka nahita anao; dia efa tonga ny fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana; ka novelariko taminao ny ila lambako, nanaronako ny fitanjahanao ary nianiana taminao Aho, ka nanao fihavanana taminao, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - ka dia Ahy ianao.


Raha manolotra sorona dorana amam-panatitra ianareo tsy mankatelina izany Aho; ary izay fisoronanareo zanak’omby matavy tsy jereko velively.


Izao koa no zavatra faharoan’izany ataonareo: tondrahanareo ranomaso sy fitolokoana izany, ka tsy ahoan’i Iaveh intsony izay fanatitra, ary tsy raisiny intsony izay fanatitra mahafinaritra avy amin’ny tananareo.


Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay jamba, ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tanana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra.


Ary indro ankehitriny, hamely an’ialahy ny tanan’ny Tompo, ka ho jamba tsy hahita ny masoandro ialahy mandra-pahatongan’ny fotoana.» Niaraka tamin’izay, dia nosaronan’ny haizim-pito izy.


Izy ihany no nanafaka azy ireo, tamin’ny fahagagana amam-pamantarana nataony tany Ejipta, sy tao amin’ny ranomasina Mena, ary tany an’efitra efapolo taona.


Nony niarina avy hatreo i Saoly, dia nanokatra ny masony, fa tsy nahita na inona na inona; ka olona no nitantana azy hankao Damasy.


Ohatra amin’ny fanekena roa izy roa vavy ireo: ny iray moa, avy amin’ny tendrombohitr’i Sinai, miteraka ho amin’ny fanandevozana, dia i Agara izany


Niantso an’i Israely rehetra i Môizy, dia nilaza taminy hoe: Efa hitanareo izay nataon’i Iaveh teo imasonareo, tany amin’ny tany Ejipta, tamin’i Faraôna sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,


mba hanandratany anao anio ho vahoakany, dia Izy no ho Andriamanitrao, araka ny nolazainy taminao sy nianianany tamin’ny razanao Abrahama sy Isaaka ary Jakôba.


ka nandeha nanompo andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehan’ireny andriamanitra tsy fantany akory, na nomen’i Iaveh ho anjarany,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra