Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hebreo 7:13 - Baiboly Katolika

13 Ary ny olona antsoina amin’izany teny izany, dia avy amin’ny foko hafa tsy mbola nisy nanao raharaha tamin’ny ôtely,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Fa izay nolazaina amin’izany teny izany dia avy tamin’ny firenena hafa izay tsy nisy olona nanompo teo amin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Ka ny Tompontsika, Izay iantefan’izany teny izany, dia hafa foko; ary tsy misy avy tamin’ny fokony mba nanao raharaha teo amin’ny alitara fisoronana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ka ny Tompontsika, Izay iantefan’izany teny izany, dia hafa foko; ary tsy misy avy tamin’ny fokony mba nanao raharaha teo amin’ny alitara fisoronana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Fa Izay nolazaina amin’izany teny izany dia avy tamin’ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Fa Izay nolazaina amin'izany teny izany dia avy tamin'ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin'ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Fa izay nolazaina amin’izany teny izany dia avy tamin’ny firenena hafa izay tsy nisy olona nanompo teo amin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 7:13
6 Rohy Ifampitohizana  

Fahatsiarovana ho an’ny zanak’i Israely izany, mba tsy hisy olon-kafa, tsy anisan’ny taranak’i Aarôna handroso hanatitra zava-manitra eo anatrehan’i Iaveh, ka dia ho tahaka an’i Kôre sy ny tariny, araka izay nolazain’i Iaveh taminy, tamin’ny alalan’i Môizy.


Koa raha tahiny nahalavorary zavatra ny fisoronan’i Levi, fa tamin’izany no nandraisan’ny olona ny Lalàna, ahoana indray àry no ilàna Mpisorona hafa araka ny fomban’i Melkisedeka, fa tsy araka ny fomban’i Aarôna?


Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovàna koa ny Lalàna.


satria fantatra miharihary fa avy amin’i Jodà foko tsy mba voalazan’i Môizy ho nisy mpisorona akory ny Tompontsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra