Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hagay 2:10 - Baiboly Katolika

10 Tamin’ny andro faha-24n’ny volana fahasivy, taona faharoa, nanjakan’i Dariosa, tonga ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’ny volana fahasivy tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO izay noentin’i Hagay mpaminany hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, volana fahasivy, andro faha-24, dia nisy tenin’ny TOMPO indray tamin’ny mpaminany Hagay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, volana fahasivy, andro faha-24, dia nisy tenin’ny TOMPO indray tamin’ny mpaminany Hagay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Tamin’ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ny volana fahasivy tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa no nahatongavan’ny tenin’i Jehovah nentin’i Hagay mpaminany nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahasivy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’ny volana fahasivy tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO izay noentin’i Hagay mpaminany hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Hagay 2:10
6 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjaka, tamin’ny volana fahenina, andro voalohan’ny volana, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, tamin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora tany Jodà, sy tamin’i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, nanao hoe:


tamin’ny andro faha-24n’ny volana fahenina, taona faharoa, nanjakan’i Dariosa.


Koa diniho hatramin’izao anio izao no mankany, ny hatramin’ny andro faha-24n’ny volana fahasivy, ka hatramin’ny andro nanorenana ny Tempolin’i Iaveh, diniho!


Tonga fanindroany tamin’i Akjea ny tenin’i Iaveh, tamin’ny andro faha-24n’ny volana nanao hoe:


Tamin’ny volana fahavalo, taona faharoa nanjakan’i Dariosa, ny tenin’i Iaveh dia natao tamin’i Zakaria, mpaminany, zanak’i Barakia, zanak’i Adô, nanao hoe:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra