Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 50:18 - Baiboly Katolika

18 Ary ny tenan’ireo rahalahiny dia tonga niankohoka teo anatrehany nanao hoe: «Mpanomponao izahay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Koa nanatona azy ny rahalahiny ka niankohoka teo anatrehany sady niteny hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 Tonga tany amin’i Jôsefa rahateo koa ireto rahalahiny ka niankohoka teo anatrehany sady nilaza hoe: –Indreto izahay ho mpanomponao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Tonga tany amin’i Jôsefa rahateo koa ireto rahalahiny ka niankohoka teo anatrehany sady nilaza hoe: –Indreto izahay ho mpanomponao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia nianko­hoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Koa nanatona azy ny rahalahiny ka niankohoka teo anatrehany sady niteny hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 50:18
8 Rohy Ifampitohizana  

Hotompoim-pirenena maro anie ianao, hiankohofam-pirenena maro ianao, ho tompon’ny rahalahinao anie ianao, hiankohofan’ny zana-dreninao ianao. Ho voaozona anie izay hanozona anao, fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!»


Nampitaingeniny ny kalesiny faharoa izy, ary nisy niantso teo alohany hoe: «Mandohaliha.» Toy izany no nananganana azy ho mpanapaka ny tany Ejipta.


I Josefa no mpanapaka ny tany ary izy no nivaro-bary tamin’ny tompon-tany rehetra. Nony tonga ny rahalahin’i Josefa dia niankohoka tamin’ny teo anatrehany.


I Jodà sy ireo rahalahiny dia tonga tao an-tranon’i Josefa, fa mbola tao ihany izy, ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy ireo.


Hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: «Izaho no Josefa. Mbola velona ihany va ikaky?» Fa tsy nahateny tsy nahavolana ireto rahalahiny, fa very saina loatra teo anatrehany.


nanao hoe: ‹Izao no holazainareo amin’i Josefa: Avelao lahy ny heloka amam-pahotan’ireo rahalahinao, fa nahavita ratsy taminao izy. Nefa mifona aminao aho ankehitriny, avelao re ny heloky ny mpanompon’ny Andriamanitry ny rainao.› » Nitomany i Josefa nandre izany teny izany.


Fa hoy i Josefa tamin’izy ireo: «Aoka tsy hanan-tahotra ianareo; fa moa solon’Andriamanitra va aho?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra