Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 37:29 - Baiboly Katolika

29 Niverina nankeo amin’ilay lavaka i Robena, ka indro fa tsy tao amin’ny lavaka intsony i Josefa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Rehefa niverina nankeo amin’ny lava-drano i Robena ka nahita fa indro, tsy tao an-dava-drano intsony i Josefa dia nandriatra ny fitafiany izy,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

29 Rehefa niverina hijery ny lavaka i Reobena, dia tsy tao intsony i Jôsefa; diso fanantenana izy ka nandriatra ny fitafiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Rehefa niverina hijery ny lavaka i Reobena, dia tsy tao intsony i Jôsefa; diso fanantenana izy ka nandriatra ny fitafiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Dia niverina nankeo amin’ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Dia niverina nankeo amin'ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Rehefa niverina nankeo amin’ny lava-drano i Robena ka nahita fa indro, tsy tao an-dava-drano intsony i Josefa dia nandriatra ny fitafiany izy,

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 37:29
14 Rohy Ifampitohizana  

Saroro no navalin’ny zanak’i Jakôba an’i Sikema sy i Hemora, rainy noho ny nandotoan’i Sikema an’i Dinà, anabavin’izy ireo,


Dia notriariny ny fitafiany ka nisikina lamba malailay izy, nisaona ny zanany naharitra ela be.


Notriarin’izy ireo ny fitafiany; natainginy tamin’ny ampondra ny entany, dia niverina nankany an-tanàna izy.


Dia noraisin’i Davida ny fitafiany, ka notriariny ary nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.


Nohosenan’i Tamara vovoka ny lohany dia lasa nandeha izy, nidradradradra.


Nijery izy ka inty ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny lampihazo araka ny fanao. Teo anilan’ny mpanjaka ny lehibe sy ny mpitsoka trômpetra, ary faly ny vahoaka rehetra, ary nitsoka trômpetra ny olona. Dia nandriatra ny fitafiany i Atalia, ka niantso hoe: «Teti-dratsy! Teti-dratsy!»


Vao nandre ny filazana izany i Ezekiasa mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany, nitafy lasàka ary nankao an-tranon’i Iaveh,


Nony voavakin’ny mpanjakan’i Israely ny taratasy dia notriariny ny fitafiany, ka hoy izy: «Izaho angaha Andriamanitra mahay mamono sy mamelona no anirahan’ilay iny olona ho atỳ amiko hositraniko amin’ny habokany? Fantaro sy zahaonareo fa filàny ady amiko izao.»


Dia nitsangana i Jôba tamin’izay, nandriatra ny fitafiany, nanaratra ny lohany, nidaboka tamin’ny tany ary niankohoka nanao hoe:


Tsy mba natahotra na nandriatra ny fitafiana akory ny mpanjaka sy ireto mpanompony rehetra izay nandre izany teny rehetra izany.


Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany.


Nandriatra ny fitafiany i Jôsoe, zanak’i Nona, sy i Kaleba, zanak’i Jefôna, anisan’ireo nisafo ny tany,


«Nahoana ray olona, no dia manao izany ianareo? Izahay dia olombelona toa anareo ihany, ka ny mitory aminareo no anay, mba hialanareo amin’izao zava-poana izao, sy hanatonanareo an’Andriamanitra velona, izay nanao ny lanitra sy ny tany, ary ny ranomasina mbamin’ny zavatra rehetra ao amin’ireo.


Vao nahita azy i Jefte dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: «Adray, anaka, mahaketraka ahy ianao ary anisan’izay mahavery hevitra ahy, fa efa niloa-bava tamin’i Iaveh aho, ka tsy afa-mifody intsony».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra