Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 37:19 - Baiboly Katolika

19 Nifampiteny toy izao izy ireo: «Indry erỳ ilay mpanonofy; izy tokoa iny avy iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Niresaka izy ireo hoe: Indro fa tamy ilay mpanonofy;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 ka nifampiresaka hoe: –He, inty tamy ilay mpanonofy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 ka nifampiresaka hoe: –He, inty tamy ilay mpanonofy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Dia niresaka hoe izy: Indro, tamy ilay mpanonofy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Dia niresaka hoe izy: Indro, tamy ilay mpanonofy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Niresaka izy ireo hoe: Indro fa tamy ilay mpanonofy;

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 37:19
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary nanonofy izy, ka indro, nisy tohatra anankiray niorina tamin’ny tany tafapaka amin’ny lanitra ny lohany; ary nisy Anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.


Ireo rahalahiny nialona azy, fa rainy kosa nitadidy izany.


Mbola lavitra izy dia tazany, ka talohan’ny nahatongavany teo akaikiny, dia niray tetika hamono azy izy ireo.


Andeha hovonointsika izy, ka hatsipintsika ao anatin’ny iray amin’ireto lavaka fantsakana ireto, sy holazaintsika hoe: nohanin’ny biby masiaka, ary ho hitantsika amin’izany izay hiafaran’ny nofiny.»


Nanonofy i Josefa ary notantarainy tamin’ireo rahalahiny izany; ka vao mainka koa nankahalàny azy.


Mihaika azy ny mpandefa zana-tsipîka, Mandefa zana-tsipîka aminy sy mamely azy,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra