Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 31:34 - Baiboly Katolika

34 Nalain-dRasela kosa ny terafima dia nataony tao amin’ny laselin’ny rameva, ary nipetrahany teo amboniny. Dia nisava ny tao an-day rehetra i Labàna ka tsy nahita na inona na inona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Rahely anefa efa naka ny terafima ka nanao azy tao anatin’ny laselin’ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Nikaroka nanerana ny tranolay manontolo i Labana fa tsy nahita.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

34 I Rahely anefa no naka ireo sampy ka nametraka azy tao ambanin’ny laselin’ny rameva dia nipetraka teo amboniny. Ka rehefa nisava ny lay manontolo i Labàna, dia tsy nahita na inona na inona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 I Rahely anefa no naka ireo sampy ka nametraka azy tao ambanin’ny laselin’ny rameva dia nipetraka teo amboniny. Ka rehefa nisava ny lay manontolo i Labàna, dia tsy nahita na inona na inona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin’ny laselin’ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran’ny lay rehetra, fa tsy nahita.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran'ny lay rehetra, fa tsy nahita.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Rahely anefa efa naka ny terafima* ka nanao azy tao anatin’ny laselin’ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Nikaroka nanerana ny tranolay manontolo i Labana fa tsy nahita.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 31:34
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia niainga i Jakôba. Nitaingina tamin’ny rameva ny zanany sy ny vadiny.


Nandeha nanety ny ondry kosa i Labàna, ka nangalarin-dRasela ny Terafiman-drainy.


Dia nidiran’i Labàna ny lain’i Jakôba sy ny lain’i Lià, ary ny an’ny ankiziny roa vavy, nefa tsy nahitany na inona na inona. Nivoaka avy ao an-dain’i Lià izy, dia niditra tao an-dain-dRasela.


Ary hoy i Rasela tamin-drainy: «Aoka tsy ho tezitra ny tompoko; fa tsy afa-mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon’ny fombam-behivavy.» Dia nikaroka izy, tsy nahita ny terafima.


Fa mandritra ny andro maro ny zanak’i Israely no hitoetra tsy mana-mpanjaka, tsy mana-mpanapaka, tsy manan-tsorona, tsy manan-tsangam-bato, tsy manana efôda ary tsy manan-terafima.


Haloto avokoa ny lasely nitaingenan’ny marary mitsîka.


Dia hoy izy namaly: «Ny andriamanitro izay nataoko, nongoahanareo mbamin’ny mpisorona, dia lasa ianareo; ka inona indray àry no mba ahy? Ahoana no anaovanareo hoe: Inona no ilainao?»


Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy, ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà. Noho ianao nanary ny tenin’i Iaveh, dia mba ariany kosa ianao tsy ho mpanjaka intsony».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra