Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 17:2 - Baiboly Katolika

2 hanorina ny fanekeko aminao aho, sady hahamaro tsy hita isa anao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Fa Izaho hanao ny fanekeko ho Amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 fa hotolorako ny fanekempihavanako ianao, ary hohamaroiko fatratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 fa hotolorako ny fanekempihavanako ianao, ary hohamaroiko fatratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Fa Izaho hanao ny fanekeko ho Amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 17:2
14 Rohy Ifampitohizana  

Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.


Hataoko toy ny vovo-tany, ka raha azo isaina ny vovo-tany dia ho azo isaina koa ny taranakao.


Tamin’izany andro izany nanao fanekena tamin’i Abrama i Iaveh nanao hoe: «Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia i Eofrata izany;


Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: «Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy ianao.» Ary hoy izy taminy: «Ho tahaka izay ny taranakao.»


dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.


Hohasoavin’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra anie ianao, ka hampitomboiny sy hohamaroiny, ho tonga firenena maro.


«Ary Izaho kosa dia hanao fanekem-pihavanana aminareo sy amin’ny taranaka mandimby anareo,


Namindra fo tamin’izy ireo anefa i Iaveh ka niantra azy; nitodika azy Izy noho ny fanekeny tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba; tsy te-handringana azy ireo Izy, na hanesotra azy tsy ho eo anatrehany mandrak’ankehitriny.


Fanekena nifanaovany tamin’i Abrahama, ny fianianana nataony ho an’i Isaaka,


Ny fifankazarana amin’i Iaveh dia anjaran’ny matahotra Azy. Hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin’ny fanekem-pihavanany.


dia ireo Israelita, izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra, sy ny fanekena, sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana, ary ny fampanantenana;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra