Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 7:21 - Baiboly Katolika

21 Izaho Artakserksesa mpanjaka manome didy ho an’ireo mpitahiry vola rehetra any an-dafin’ny ony, mba hanatanteraka tsy misy tomika izay rehetra hilain’i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna, mahay ny lalàn’ny Andriamanitry ny lanitra, aminareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Izaho Artaksersesy mpanjaka dia mamoaka didy koa ho amin’ny mpitahiry ny harenan’ny fanjakana rehetra izay any andafin’ny ony Eofrata, fa na inona na inona no ilain’i Ezra mpisorona, mpanoradalàna mahay ny lalànan’Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tanteraho marina izany,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

21 «Izaho, Artakserksesa amperôra, dia manao izao didy izao ho anareo rehetra mpitahiry harem-panjakana any andafy andrefan’ny ony Eofrata; iny i Hezrà mpisorona, izay mpahay lalàna fatra-pahalala ny lalànan’ilay Andriamanitry ny lanitra; na inona na inona ilainy ka takîny aminareo, dia hotanterahina tsy misy tomika izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 «Izaho, Artakserksesa amperôra, dia manao izao didy izao ho anareo rehetra mpitahiry harem-panjakana any andafy andrefan’ny ony Eofrata; iny i Hezrà mpisorona, izay mpahay lalàna fatra-pahalala ny lalànan’ilay Andriamanitry ny lanitra; na inona na inona ilainy ka takîny aminareo, dia hotanterahina tsy misy tomika izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin’ny mpitahiry ny haren’ny fanjakana rehetra izay any an-dafin’ny ony, fa na inona na inona no ilain’i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn’Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin'ny mpitahiry ny haren'ny fanjakana rehetra izay any an-dafin'ny ony, fa na inona na inona no ilain'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Izaho Artaksersesy mpanjaka dia mamoaka didy koa ho amin’ny mpitahiry ny harenan’ny fanjakana rehetra izay any andafin’ny ony Eofrata, fa na inona na inona no ilain’i Ezra mpisorona, mpanoradalàna mahay ny lalànan’Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tanteraho marina izany,

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 7:21
11 Rohy Ifampitohizana  

Ka nampahalala ny mpanjaka izahay, fa raha voavoatra indray io tanàna io, ka voatsangana ny mandany, dia tsy hanana na inona na inona atỳ an-dafin’ny ony intsony ianao, amin’izany.


Efa nisy mpanjaka mahery tany Jerosalema, nanapaka ny tany rehetra any an-dafin’ny ony, sady nandoavana hetra, haba, sara.


Koa ankehitriny, ry Tatanaì governora any an-dafin’ny ony, sy i Starbôzanay, mbamin’ireo namanareo ao Afarsàka, ianareo any an-dafin’ny ony, dia mihataha tsy hitoetra ao,


Tatỳ aorian’ireo zava-niseho ireo, tamin’ny andro nanjakan’i Artakserksesa mpanjakan’i Persa kosa indray, i Esdrasa zanak’i Saraisa zanak’i Helkiasa


hatramin’ny talenta volafotsy zato, varimbazaha zato kora, divay zato bata, diloilo zato bata, ary sira araka izay tiany.


niakatra avy any Babilôna io Esdrasa io. Ary satria nomba azy ny tanan’i Iaveh Andriamaniny, dia nomen’ny mpanjaka azy avokoa izay rehetra nangatahiny.


Dia natolotr’izy ireo ny governora lehiben’ny mpanjaka mbamin’ny governora any an-dafin’ny ony, ny didin’ny mpanjaka, ka dia niaro ny vahoaka sy ny tranon’Andriamanitra ireo.


Ary hoy koa aho tamin’ny mpanjaka: «Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homena taratasy aho, ho an’ny governora any an-dafin’ny ony, mba hamelany ahy handeha, mandra-pahatongako any Jodà,


Efa namoaka ny didinao ianao; mba hitandreman’ny olona azy tsara.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra