Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 6:6 - Baiboly Katolika

6 Koa ankehitriny, ry Tatanaì governora any an-dafin’ny ony, sy i Starbôzanay, mbamin’ireo namanareo ao Afarsàka, ianareo any an-dafin’ny ony, dia mihataha tsy hitoetra ao,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Koa ankehitriny, ry Tatenay governora any andafin’ny ony Eofrata sy ry Setara-Bozenay mbamin’ny Afarsakita namanareo, izay any andafin’ny ony Eofrata, mihataha ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6 Noho izany dia nalefan’i Dariôsa izao taratasy izao: «Any ianareo, ry Tatenay governoran’ny faritra andrefan’ny ony Eofrata sy ry Setara-Bôzenay mbaminareo namany mpifehy ny Afarsekita any andafy andrefan’ny ony. «Mihataha tao ianareo

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Noho izany dia nalefan’i Dariôsa izao taratasy izao: «Any ianareo, ry Tatenay governoran’ny faritra andrefan’ny ony Eofrata sy ry Setara-Bôzenay mbaminareo namany mpifehy ny Afarsekita any andafy andrefan’ny ony. «Mihataha tao ianareo

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Koa amin’izany, ry Tatenay, governora any an-dafin’ny ony, sy ry Setara-bozenay mbamin’ny Afarsakita namanareo, izay any an-dafin’ny ony, mihataha hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Koa amin'izany, ry Tatenay, governora any an-dafin'ny ony, sy ry Setara-bozenay mbamin'ny Afarsakita namanareo, izay any an-dafin'ny ony, mihataha ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Koa ankehitriny, ry Tatenay governora any andafin’ny ony Eofrata sy ry Setara-Bozenay mbamin’ny Afarsakita namanareo, izay any andafin’ny ony Eofrata, mihataha ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 6:6
14 Rohy Ifampitohizana  

ka hoy izy: «Tsy hatao hoe Jakôba intsony ny anaranao; fa hatao hoe Israely; satria efa niady tamin’Andriamanitra sy tamin’olombelona ianao ka nahery.»


Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra anie hampahita fitia anareo eo imason-dralehilahy, mba havelany hody miaraka aminareo ilay rahalahinareo anankiray, sy i Benjamina. Ary ny amiko raha anjarako ny hofoanana anaka dia aoka ihany ho foana anaka aho.»


«I Rehoma governora, i Samsaì mpanoratra, mbamin’ny namany sisa, ny avy any Dina, Afarsatàka, Terfala, Afarsà, Erkkoà, Babilôna, Sosa, Dehà, Elama,


Tamin’io fotoana io ihany dia tonga tao amin’izy ireo i Tatanaì, governoran’ny any an-dafin’ny ony, mbamin’i Starbôzanay sy ny namany, ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Iza no nanome alalana anareo hanao ity trano ity sy hanangana ireo manda ireo?»


Izao no kôpian’ny taratasy ho an’i Dariosa mpanjaka, nalefan’i Tatanaì, governoran’ny eny an-dafin’ny ony, sy i Starbôzanay, mbamin’ireo namany any Arfasàka, monina any an-dafin’ny ony.


Notanterahin’i Tatanaì governoran’ny any an-dafin’ny ony, sy i Starbôzanay, mbamin’ireo namany, an-tsakany sy an-davany, ny didy nalefan’i Dariosa mpanjaka.


ka avelao hotohizana ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra; aoka ny governoran’ny Jody sy ny loholon’ny Jody hanorina izany tranon’Andriamanitra izany indray amin’izay fitoerany teo.


Endrey, ry Tompo, aoka hanongilan-tsofina amin’ny vavak’ity mpanomponao Ianao, sy amin’ny vavak’ireo mpanomponao izay mankasitraka tokoa ny matahotra ny Anaranao! Ho sitrakao anie ny hanambina ny mpanomponao anio, sy hampahita fitia azy eo imason’io lehilahy io.» Mpandroso divain’ny mpanjaka aho fahizay.


nony nitsangana hitsara Andriamanitra; sy hamonjy ny olo-mahantra rehetra amin’ny tany. - Selà


Rano mandeha eo an-tanan’i Iaveh ny fon’ny mpanjaka, ka atongilany amin’izay rehetra tiany.


Tsy misy fahendrena na fahamalinana, na fisainana eo anatrehan’i Iaveh.


Nofaizinao amin’ny sazy antonony izy, nataonao sesitany. Noroahiny tamin’ny rivotra mahery tamin’ny andro misy rivotra avy atsinanana.


Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra