Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 6:3 - Baiboly Katolika

3 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa mpanjaka, dia izao no didy navoakan’i Sirosa mpanjaka: Ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema, dia aoka haorina indray io trano io ho fitoerana fanaterana sorona, ary aoka hatao mafy ny fandatsaham-pototra. Ho enimpolo hakiho ny haavony, ary enimpolo hakiho koa ny sakany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy dia namoaka didy izy hoe: Ny amin’ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema, aoka hatao mihitsy izany ho fanoloran’ny olona fanatitra, aoka hatao mafy ny fanorenany ka ho enimpolo hakiho ny haavony ary enimpolo hakiho koa ny sakany,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 «Tamin’ny taona voalohany nanjakàn’ny amperôra Kirôsa, dia namoaka didy izy nanao hoe: Ny amin’ilay tranon’Andriamanitra dia aoka haorina indray izany mba hanoloran-tsorona, ka ny fototra taloha no hampiasaina. Ho telopolo metatra ny haavon’ny trano ary ho telopolo metatra koa ny sakany;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 «Tamin’ny taona voalohany nanjakàn’ny amperôra Kirôsa, dia namoaka didy izy nanao hoe: Ny amin’ilay tranon’Andriamanitra dia aoka haorina indray izany mba hanoloran-tsorona, ka ny fototra taloha no hampiasaina. Ho telopolo metatra ny haavon’ny trano ary ho telopolo metatra koa ny sakany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy dia nandidy izy nanao hoe: Ny amin’ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema, dia aoka hatao mihitsy izany ho fanateran’ny olona fanatitra, ary aoka hatao mafy ny fanorenany, ka enim-polo hakiho ny hahavony, ary enim-polo hakiho koa ny sakany,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy dia nandidy izy nanao hoe: Ny amin'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema, dia aoka hatao mihitsy izany ho fanateran'ny olona fanatitra, ary aoka hatao mafy ny fanorenany, ka enim-polo hakiho ny hahavony, ary enim-polo hakiho koa ny sakany,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy dia namoaka didy izy hoe: Ny amin’ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema, aoka hatao mihitsy izany ho fanoloran’ny olona fanatitra, aoka hatao mafy ny fanorenany ka ho enimpolo hakiho* ny haavony ary enimpolo hakiho koa ny sakany,

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 6:3
16 Rohy Ifampitohizana  

Fa indro aho manangana trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao, izay hohamasiniko ho Azy, mba handoroana zava-manitra tsara fofona eo anatrehany, hasiana ny mofo apetraka tsy tapaka, hanolorana ny sorona dorana ny maraina sy ny hariva, sy amin’ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny fetin’i Iaveh Andriamanitray, araka ny lalàna voadidy harahin’i Israely mandrakizay.


Koa ankehitriny aho aniraho lehilahy anankiray miasa volamena amam-bolafotsy, sy varahina amam-by, jaky mena, lamba mena antitra sy jaky, ary mahay sarin-javatra sokirina, hiara-miasa amin’ireo olona mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Jodà sy Jerosalema, efa nomanin’i Davida raiko.


Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa, mpanjakan’i Persa, dia namporisihin’i Iaveh, ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa, mba hahatanteraka ny tenin’i Iaveh tamin’ny vavan’i Jeremia, ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:


Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa mpanjakan’i Persa, dia namporisihin’i Iaveh ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa, mba hahatanteraka ny tenin’i Iaveh, nolazainy tamin’i vavan’i Jeremia: ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra, hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:


«Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa: Efa nomen’i Iaveh Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany, ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho Azy, any Jerosalema any Jodà.


Nomem-bola ny mpipai-bato ama-mpandrafitra: nomen-kanina amam-pisotro sy diloilo koa ny Sidonianina sy ny Tirianina, mba hitondrany ny hazo sedera avy any Libàna amin’ny ranomasina, hatreo Jôpe, araka ny fanomezan-dalana azo tamin’i Sirosa mpanjakan’i Persa.


Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon’i Israely, ka nandroso tsara ny asa, noho ny faminanian’i Akzea mpaminany, sy i Zakaria zanak’i Adô. Nanao izy dia nahavita araka didin’ny Andriamanitr’i Israely sy araka ny didin’i Sirosa, i Dariosa, i Artakserksesa, mpanjakan’i Persa.


Ao no iakaran’ny foko, dia ny fokon’i Iaveh, araka ny lalàn’i Israely, mba hidera ny Anaran’i Iaveh.


Efa-joro ny tanàna, ary nitovy ny halavany sy ny sakany. Dia nandrefy ny tanàna tamin’ny volotarany izy, ka roa arivo sy iray alina stady, ary nitovy ny halavany sy ny sakany ary ny haavony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra