Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 6:12 - Baiboly Katolika

12 Ary ilay Andriamanitra izay mampitoetra ny Anarany ao anie hanongana ny andriana amam-bahoaka izay haninji-tanana hanova izao didy izao sy handrava izany tranon’Andriamanitra any Jerosalema izany. Didy nomeko izaho Dariosa, ity; ka tsy maintsy toavina an-tsakany sy an-davany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary Andriamanitra izay efa nampitoetra ny anarany teo anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay manainga ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon’Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no namoaka ny didy; aoka hankatoavina marina tokoa izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Ary Andriamanitra Izay efa nampitoetra ny anarany eo amin’io toerana io anie handringana ny mpanjaka sy firenena rehetra izay handika ny didiko ka haninji-tanana handrava io tranon’Andriamanitra any Jerosalema io. Izaho Dariôsa no namoaka ny didy; aoka hotovina an-tsakany sy an-davany izany».

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ary Andriamanitra Izay efa nampitoetra ny anarany eo amin’io toerana io anie handringana ny mpanjaka sy firenena rehetra izay handika ny didiko ka haninji-tanana handrava io tranon’Andriamanitra any Jerosalema io. Izaho Dariôsa no namoaka ny didy; aoka hotovina an-tsakany sy an-davany izany».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary Andriamanitra, Izay efa nampitoetra ny anarany teo, anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, izay maninjitra ny tànany handika ny didiko ka handrava izany tranon’Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no nanao ny didy; aoka hotovina marina tokoa izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary Andriamanitra, Izay efa nampitoetra ny anarany teo, anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, izay maninjitra ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon'Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no nanao ny didy; aoka hotovina marina tokoa izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ary Andriamanitra izay efa nampitoetra ny anarany teo anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay manainga ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon’Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no namoaka ny didy; aoka hankatoavina marina tokoa izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 6:12
24 Rohy Ifampitohizana  

Ary izao no nolazain’i Iaveh taminy: «Nohenoiko ny vavaka amam-pifonanao, nataonao tamiko, ka efa nohamasiniko ity trano nataonao ity, mba hametrahako ny Anarako ao mandrakizay, ka dia ho eto mandrakariva ny masoko sy ny foko.


Fidiko sy hamasiniko hatramin’izao ity trano ity, hitoeran’ny Anarako mandrakizay, ary ho eo mandrakariva ny masoko sy ny foko.


Notanterahin’i Tatanaì governoran’ny any an-dafin’ny ony, sy i Starbôzanay, mbamin’ireo namany, an-tsakany sy an-davany, ny didy nalefan’i Dariosa mpanjaka.


Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon’i Israely, ka nandroso tsara ny asa, noho ny faminanian’i Akzea mpaminany, sy i Zakaria zanak’i Adô. Nanao izy dia nahavita araka didin’ny Andriamanitr’i Israely sy araka ny didin’i Sirosa, i Dariosa, i Artakserksesa, mpanjakan’i Persa.


sy hitondra ny volafotsy amana volamena nomen’ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy, an-tsitrapo, ho an’ny Andriamanitr’i Israely, izay manana ny fonenany ao Jerosalema;


Koa hoahianao ny hividianana amin’izany vola izany ny ombalahy, ondralahy, zanak’ondry, mbamin’izay hatao fanatitra amam-panatitra araraka momba azy, dia atero eo ambony ôtely ao an-tranon’ny Andriamanitrareo any Jerosalema izany.


Na zovy na zovy tsy mitandrina ny lalàn’ny Andriamanitrao, sy ny lalàn’ny mpanjaka, dia aoka izy hovaliana araka ny rariny, na hovonoina, na hasesitany, na hosazina vola, na hatao an-tranomaizina.


Fa eo am-bavany, tsy mba misy fahatsorana; ny fony tsy misy afa-tsy faharatsiana; ny tendany, fasana misokatra; ataony malefadefaka ny lelany.


Manorena ôtely tany ho ahy, ka eo amboniny no hanoloranao ny sorona doranao, ny sorom-pihavananao, ny ondrinao sy ny ombinao. Hanatona anao sy hitahy anao Aho amin’ny toerana rehetra hanaovako izay hahatsiarovana ny Anarako.


Izay rehetra azon’ny tananao atao, dia ataovy amin-kerim-po; fa tsy misy asa na fahalalana na fahaizana, na fahendrena any amin’ny Seoly izay halehanao.


Fa ho velona ny firenena amam-panjakana tsy hanompo anao, hofongorana mihitsy izany firenena izany.


Noho ny famonoana, noho ny fahasiahanao amin’i Jakôba rahalahinao, dia ho safo-kenatra sy hofongorana mandrakizay ianao.


Ka hoy izy: «Iza moa Ianao, Tompoko?» Ary hoy ny Tompo: «Izaho no Jesoa izay enjehinao; sasa-poana ianao mitroatra manohitra ny fanindronana.»


Amin’izay fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrareo hamponenany ny Anarany no hanateranareo ny zavatra rehetra andidiako anareo, dia ny sorona doranareo, ny soronareo, ny fahafolon-karenareo, ny voatokan’ny tananareo, ary ny fanatitra rehetra voafantina hanalanareo ny voadinareo izay nataonareo tamin’i Iaveh.


fa tadiavo Izy, amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrareo eo amin’ny fokonareo rehetra, mba hametrahany ny Anarany sy hataony fonenany, ka ao amin’io no halehanao.


Any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany, no hamonoanao ny soron’ny Paka, amin’i Iaveh Andriamanitrao, ny ondry sy ny omby.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra