Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 36:5 - Baiboly Katolika

5 ka tonga teo amin’i Môizy nilaza hoe: «Tafahoatra noho izay ilaina ny zavatra aterin’ny olona hahavitana ny asa nodidian’i Iaveh hatao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 ka niteny tamin’i Mosesy hoe: Ny olona dia mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavitana ny fanompoana amin’ny asa nandidian’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 mba hilaza amin’i Mosesy hoe: «Nitondra mihoatra noho izay ilaina amin’ny fanatontosana ny asa nodidian’ny TOMPO hatao ny vahoaka.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 mba hilaza amin’i Mosesy hoe: «Nitondra mihoatra noho izay ilaina amin’ny fanatontosana ny asa nodidian’ny TOMPO hatao ny vahoaka.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 ka niteny tamin’i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin’ny asa nandidian’i Jehovah hatao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 ka niteny tamin'i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin'ny asa nandidian'i Jehovah hatao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 ka niteny tamin’i Mosesy hoe: Ny olona dia mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavitana ny fanompoana amin’ny asa nandidian’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 36:5
8 Rohy Ifampitohizana  

Nony vita ny asa dia nentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy i Jôiadà ny vola sisa ka nanaovana fanaka ho an’ny tranon’i Iaveh, dia fanaka hoenti-manao ny fanompoana sy ny sorona dorana, kôpy mbamin’ny fanaka volamena amana volafotsy sasany, ka tsy tapaka fanateran-tsorona dorana tao an-tranon’i Iaveh tamin’ny andro rehetra niainan’i Jôiadà.


Dia samy nanesotra ny kavim-bolamena teny an-tsofiny avokoa ny olona ka nitondra azy teo amin’i Aarôna.


Tamin’izay ireo olo-mahay nanao ny asa rehetra momba ny fitoerana masina, samy niato tamin’ny raharaha nataony,


Ka dia nandefa teny i Môizy, ka nokabarina tao an-toby ny hoe: «Aza misy olona, na lahy na vavy, misahirana intsony amin’ny zavatra aterina ho an’ny fitoerana masina; notohanana ny olona tsy hanatitra intsony,


Ny rehetra dia samy miahy ny azy avy, fa tsy ny an’i Jesoa Kristy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra