Eksodosy 28:28 - Baiboly Katolika28 Hampifamehezina amin’ny ribà jaky volomparasy ny masom-bolamenan’ny saron-tratra sy ny an’ny efôda, hitana ny saron-tratra eo ambonin’ny fehikibo amin’ny efôda, fa tsy hosarahina amin’ny efôda ny saron-tratra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201128 Kofehy manga no hamehezana ny mason-drojon’ny saron-tratra amin’ny mason-drojon’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy hikisaka hiala eo. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA28 Hatohy tady volomparasy ny haban’ny saron-tratra sy ny haban’ny efôda mba ho eo ambonin’ny beritelon’ny efôda ilay saron-tratra ka tsy hifindrafindra eo amin’ny efôda. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara28 Hatohy tady volomparasy ny haban’ny saron-tratra sy ny haban’ny efôda mba ho eo ambonin’ny beritelon’ny efôda ilay saron-tratra ka tsy hifindrafindra eo amin’ny efôda. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy28 Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan’ny saron-tratra amin’ny vava volan’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo. Jereo ny tokoMalagasy Bible28 Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan'ny saron-tratra amin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache28 Kofehy manga no hamehezana ny mason-drojon’ny saron-tratra amin’ny mason-drojon’ny efoda, mba ho eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy hikisaka hiala eo. Jereo ny toko |