Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 25:23 - Baiboly Katolika

23 «Hanao latabatra hazo akasià ianao; ho roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny haavony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Manaova latabatra hazo akasia: Roa hakiho ny lavany, iray hakiho ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

23 «Hisy koa latabatra hamboarina amin’ny hazo mimôzà, ka hirefy iray metatra ny lavany, 50 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 «Hisy koa latabatra hamboarina amin’ny hazo mimôzà, ka hirefy iray metatra ny lavany, 50 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Ary manaova latabatra hazo akasia: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ary manaova latabatra hazo akasia: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Manaova latabatra hazo akasia: Roa hakiho* ny lavany, iray hakiho ny sakany ary iray hakiho sy sasany ny haavony.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 25:23
15 Rohy Ifampitohizana  

Nataon’i Salômôna koa ny fanaka hafa rehetra izay tao an-tranon’i Iaveh: ny ôtely volamena, ny latabatra volamena fametrahana ny mofo alahatra,


ny fanaovan-jiro volamena madio, dimy teo ankavanana, ary dimy teo ankavia, teo anoloan’ny orakla, mbamin’ny voniny; ny lela fanaovan-jiro sy ny hetin-jirony volamena,


ny lanjan’ny volamena hanaovana ny latabatry ny mofo alahatra, isan-databatra; ny volafotsy hanaovana ny latabatra volafotsy;


Ary nataon’i Salômôna ny fanaka rehetra ho an’ny tranon’Andriamanitra, dia ny ôtely volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo alahatra.


Nanao latabatra folo izy, napetrany teo amin’ny tempoly: ny dimy teo amin’ny havanana, ny dimy teo amin’ny havia. Nanao kôpy volamena zato izy.


ny latabatra sy ny fanaka momba azy, ny fanaovan-jiro volamena madio sy ny fanaka rehetra momba azy, ny ôtely fandoroan-java-manitra,


ny latabatra mbamin’ny baony amam-panaka rehetra momba azy, ny mofo alahatra,


telo hakiho ny haavony, roa hakiho ny halavany: nisy zorony izy, ary hazo ny rindriny manaraka ny halavany rehetra. Dia hoy izy tamiko: Io no latabatra eo anatrehan’i Iaveh.


Hapetrakao mifanongoa amin’ny antontany roa ireo, enina isan’antontany, eo ambonin’ny latabatra volamena madio, eo anatrehan’i Iaveh.


Ary ny anjara raharahany dia fiambenana ny fiara, ny latabatra, ny fanaovan-jiro, ny ôtely, ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoana, ny varavarana lamba mbamin’ny fanaovan-draharaha rehetra momba azy.


Hovelarany lamba mena antitra eo amboniny ireo, sy horakofany firakotra hodi-dogaona vao hapetany ny baon’ny latabatra.


Fa nisy tranolay natao, ka ny efitra voalohany, izay atao hoe fitoerana masina, dia nisy ny fanaovan-jiro maro rantsana, sy ny latabatra, ary ny mofo alahatra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra