Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Apokalipsy 9:2 - Baiboly Katolika

2 Dia nosokafany ny lavaka tsy hita noanoa, ka setroka toy ny avy amin’ny memy lehibe no nipololotra avy any; maizin’ny setroka avy any an-davaka terỳ ny masoandro sy ny habakabaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy dia nisy setroka niakatra avy tamin’ny lavaka, tahaka ny setroka avy amin’ny lafaoro lehibe ka tonga maizina ny masoandro sy ny rivotra noho ny setroka avy tao amin’ny lavaka.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Dia nosokafany ny vavalavak’ilay hantsambe, ka nisy setroka niakatra avy ao tahaka ny setroka avoakan’ny lafaoro lehibe; ary nihamaizina ny masoandro sy ny habakabaka noho ny setroka navoakan’ny vavalavaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Dia nosokafany ny vavalavak’ilay hantsambe, ka nisy setroka niakatra avy ao tahaka ny setroka avoakan’ny lafaoro lehibe; ary nihamaizina ny masoandro sy ny habakabaka noho ny setroka navoakan’ny vavalavaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra avy tamin’ny lavaka, tahaka ny setroka avy amin’ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habahabaka noho ny setroka avy tao amin’ny lavaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra ary tamin'ny lavaka, tahaka ny setroka ary amin'ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habahabaka noho ny setroka avy tao amin'ny lavaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy dia nisy setroka niakatra avy tamin’ny lavaka, tahaka ny setroka avy amin’ny lafaoro lehibe ka tonga maizina ny masoandro sy ny rivotra noho ny setroka avy tao amin’ny lavaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 9:2
16 Rohy Ifampitohizana  

Nony maty ny masoandro, ka efa maizina ny andro, dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra namakivaky iretsy biby voasasaka.


Nitazana nankany Sôdôma sy Gômôra mbamin’ny tany lemaka rehetra izy, ka nahita setroka niakatra avy amin’ny tany toy ny setroka avy amin’ny memy.


Nivoa-tsetroka ny tendrombohitra Sinaia manontolo, satria tanaty afo no nidinan’i Iaveh nankeo amboniny, ka nipololotra toy ny avy amin’ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihovotrovotra iray ihany ny tendrombohitra manontolo.


Midradradradrà, ry vavahady; miantsoantsoa, ry tanàna; Matahora mafy, ry Filistinina manontolo! Fa indro misy setroka tamy avy any avaratra, ary tsy misy miala amin’ny laharana, ny antoko-miaramilany.


Eo anoloan’izy io, mihorohoro ny tany, mihozongozona ny lanitra, mihamaizina ny masoandro amam-bolana, ary mihamaloka ny kintana.


Andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy manjavona mainty! Toy ny fahazavan’ny maraina, manerana ny tendrombohitra, no iavian’ity firenena maro sady mahery, tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay, ary tsy hisy toy izany any aoriana any, hatramin’izay taon-ko avy amin’ny andro mbola ho ela indrindra.


Hampiseho fahagagana eny amin’ny habakabaka ambony Aho, sy famantarana ety amin’ny tany ambany, dia ra sy afo ary zavon-tsetroka.


Ary hiakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny fijalian’izy ireo, ka tsy hahita hianînana na andro na alina izay nivavaka tamin’ny Biby sy ny sariny, ary izay nandray ny mariky ny anarany.


Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny seza fiandrianan’ny Biby koa ny Anjely fahadimy, dia tonga maizina ny fanjakany ka nanaikitra ny lelany ny olona noho ny fijaliany;


Nitsoka ny trômpetra indray ny Anjely fahefatra, dia voa ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana, ka tonga maizina ny ampahatelon’ireo, tsy nazava intsony ny ampahatelon’ny andro, ary toraka izany koa ny alina.


Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahadimy, ka hitako kintana anankiray avy any an-danitra, nilatsaka tetỳ an-tany; nomena azy io ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa.


Ny mpanjaka filohan’izy ireo, dia anjelin’ny lavaka tsy hita noanoa, izay atao hoe Abadôna amin’ny teny hebrio, ary Apôliôna amin’ny teny grika.


Ary toy izao no nahitako ny soavaly sy ny mpitaingina azy, tamin’ny fahitana: nivolon’afo sy hiasinta ary solifara ny fiarovan-tratran’ny mpitaingina azy, nilohan-diona ny lohan’ny soavaly, sady nivoaka afo aman-tsetroka sy solifara ny vavany,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra