Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Apokalipsy 4:2 - Baiboly Katolika

2 Niaraka tamin’izay, dia voatsindrin’ny Fanahy aho, ka indro nisy seza fiandrianana niarina tany an-danitra, ary nisy nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary niaraka tamin’izay dia voatsindrin’ny Fanahy aho. Indro, nisy sezafiandrianana iray tany an-danitra ary nisy Iray nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Niaraka tamin’izay dia nahazo tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masina aho. Ka indro nisy sezafiandrianana anankiray tany an-danitra, ary nisy nipetraka teo ambonin’io sezafiandrianana io.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Niaraka tamin’izay dia nahazo tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masina aho. Ka indro nisy sezafiandrianana anankiray tany an-danitra, ary nisy nipetraka teo ambonin’io sezafiandrianana io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary niaraka tamin’izay dia voatsindrin’ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary niaraka tamin'izay dia voatsindrin'ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary niaraka tamin’izay dia voatsindrin’ny Fanahy aho. Indro, nisy sezafiandrianana iray tany an-danitra ary nisy Iray nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianana.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 4:2
28 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Mikea; «Henoy àry ny tenin’i Iaveh: Efa hitako nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, ary ny tafiky ny lanitra rehetra nitsangana teo akaikiny teo ankavanany sy teo ankaviany.


I Iaveh izay ao amin’ny tempoly masina, I Iaveh izay manana ny fiandrianany any an-danitra, dia mana-maso mahiratra; ary ny hodi-masony mizaha ny zanak’olombelona hatrao anatiny.


Tamin’ny taona nahafatesan’i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo, nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjo.


Seza fiandrianana be voninahitra, fiamboniana mandrakizay, fitoeran’ny tranonay masina,


Eo ambonin’ilay andohalambo nivelatra teo ambonin’ny lohany, nisy hoatra ny vato safira, mitarehin-tseza fiandrianana; ary toa nisy hoatra ny endrik’olona teo ambonin’io mitarehin-tseza fiandrianana io.


Hoatra ny fijery ny avana eny amin’ny rahona, amin’ny andro misy orana, no fijery ny famirapiratana nanodidina azy. Toy izany no fijery ny sarin’ny voninahitr’i Iaveh. Nony nahita izany aho, dia lavo, niankohoka tamin’ny tany, nandre feon’olona niteny.


Ary nahita aho, ka indro teo ambonin’ny andohalambo, tambonin’ireo lohan’ny Kerobima, dia nisy hoatra ny vato safira; nisy zavatra mitarehin-tseza fiandrianana no fijery azy, teo ambonin’ireo.


Ka nahoana àry i Davida, hoy Izy tamin’ireo, raha tsindrian’ny Fanahy Masina no miantso Azy ho Tompo, fa hoy izy hoe:


Fa izao no tampon’ny zavatra lazaina amin’izao, dia ny ananantsika mpisorom-be toy izany, izay mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo Indrindra any an-danitra,


Notsindrian’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Tompo aho, ka nandre feo mahery tao ivohoko, toy ny feon-trômpetra,


Tera-dahy Ravehivavy, ary io Zanany io no hifehy ny firenena rehetra amin’ny tsora-by, ka nakarina ho any amin’Andriamanitra eo anilan’ny seza fiandrianany.


Dia nentiny am-panahy nankany an’efitra aho, ka inty Vehivavy nitaingina Biby mivolon-jaky, feno anarana fanevatevana an’Andriamanitra, fito loha sy folo tandroka, no hitako.


Tamin’izany ny Anti-dahy efatra amby roapolo sy ny Zava-manana aina efatra dia niankohoka nitsaoka an’Andriamanitra, nanao hoe: «Amen! Aleloia!»


Raha efa izany, indro hitako ity seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy Ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony;


Dia nentiny am-panahy tany amin’ity tendrombohitra sady lehibe no avo aho, ka nasehony ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema nidina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitra.


Dia hoy Ilay nipetraka teo ambony seza fiandrianana: «Indro havaoziko ny zavatra rehetra.» Ary hoy koa Izy: «Soraty fa marina sy mahatoky ireo teny ireo.»


Izay handresy dia hasaiko miara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako; toa Ahy nandresy koa, ka miara-mipetraka amin’ny Raiko, eo amin’ny seza fiandrianany.


ireo Anti-dahy efatra amby roapolo kosa dia miankohoka eo anoloan’ilay mipetraka amin’ny seza fiandrianana koa, sy mitsaoka an’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianany, ka manao hoe:


Helatra sy feo aman-kotroka no nivoaka tamin’ilay seza fiandrianana, ary fanaovan-jiro fito mirehitra no teo anoloany, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra izany.


Nony injay ireo Zava-manana aina manome haja amam-boninahitra sy saotra an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy velona mandrakizay mandrakizay,


Ary indro, hitako teny an-tanana ankavanan’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana boky voasoratra tao anatiny sy teo ivelany, voaisy tombokase fito.


Ary reko ny voaary rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany, mbamin’izay any anaty ranomasina, sy ny zavatra rehetra ao anatin’ireo indray nilaza hoe: «Ho an’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny dera sy ny haja, ary ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay mandrakizay!»


ary nilaza tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy hoe: «Mianjerà aminay, ka afeno amin’ny Tavan’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry izahay;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra