Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Apokalipsy 13:12 - Baiboly Katolika

12 Nampiasainy avokoa ny fahefan’ilay Biby voalohany eo anatrehany, ary nampivavahiny tamin’ilay Biby voalohany, sitrana tamin’ny fery saika nahafaty azy, ny tany mbamin’izay monina ao aminy, niakatra avy amin’ny tany; roa toy ny an’ny zanak’ondry ny tandrony, ary niteny toy ny dragona izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary ny fahefana rehetra nananan’ilay bibidia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin’izay monina ao dia asainy miankohoka eo anoloan’ilay bibidia voalohany izay sitrana tamin’ilay feriny saika nahafaty azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Ampiasainy avokoa ny fahefàn’ilay biby voalohany ka asehony eo anatrehany; ary ny tany mbamin’izay mponina ao aminy dia asainy mivavaka eo anoloan’ilay biby voalohany, izay efa sitrana tamin’ilay ratra saiky nahafaty azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ampiasainy avokoa ny fahefàn’ilay biby voalohany ka asehony eo anatrehany; ary ny tany mbamin’izay mponina ao aminy dia asainy mivavaka eo anoloan’ilay biby voalohany, izay efa sitrana tamin’ilay ratra saiky nahafaty azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary ny fahefana rehetra nananan’ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin’izay monina eo dia asainy miankohoka eo anoloan’ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin’ilay feriny saiky nahafaty azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary ny fahefana rehetra nananan'ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin'izay monina eo dia asainy miankohoka eo alohan'ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin'ilay feriny saiky nahafaty azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 13:12
12 Rohy Ifampitohizana  

izay mitsangan-ko fahavalo sy manandra-tena ho ambonin’izay rehetra atao hoe Andriamanitra na ivavahana, ary sahy mipetraka ao amin’ny Tempolin’Andriamanitra sy maneho ny tenany ho Andriamanitra aza.


Sahala amin’ny leoparda ilay Biby hitako; toy ny tongotr’orsa ny tongony, tahaka ny vavan-diona ny vavany. Nomen’ilay Dragona azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.


Dia hitsaoka azy ny mponina eto an-tany rehetra, izay tsy mba voasoratra anarana teo amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry, Ilay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.


Ary hiakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny fijalian’izy ireo, ka tsy hahita hianînana na andro na alina izay nivavaka tamin’ny Biby sy ny sariny, ary izay nandray ny mariky ny anarany.


Ary nisy Anjely fahatelo nanaraka ireo koa, nanao tamin’ny feo mahery hoe: Raha misy mivavaka amin’ny Biby sy ny sariny, ka mandray ny mariny eo amin’ny handriny, na eo amin’ny tanany,


Dia nandeha ny voalohany, nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny tany, ka nisy vay ratsy sady nampijaly mafy namely ny olona izay nisy ny mariky ny Biby sy izay nivavaka tamin’ny sariny.


Ny Biby, ilay efa hitanao, dia teo ihany, ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka hankany amin’ny fahaverezana. Ho gaga ny mponina etỳ an-tany, izay tsy mba voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainana hatramin’ny nanorenana an’izao tontolo izao amin’ny fahitana ity Biby, noho izy teo ihany, ary tsy eo intsony, nefa mbola ho avy indray.


Voasambotra ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, izay nanao fahagagana teo anatrehany mba hoentiny mamitaka ireo nandray ny mariky ny Biby sy nivavaka tamin’ny sariny, ka indray natsipy velona tany amin’ny farihy mirehitra afon-tsolifara;


Dia nahita seza fiandrianana maro aho, izay nipetrahan’olona nahazo fahefana hitsara, sy nahita ny fanahin’ireo notapahin-doha noho ny fanambaràn’ireo sy noho ny tenin’Andriamanitra mbamin’ny an’ireo tsy nivavaka tamin’ny Biby na tamin’ny sariny, sy tsy nandray ny mariny na tamin’ny handriny, na tamin’ny tanany, fa efa velona ireo ka niara-nanjaka arivo taona tamin’i Kristy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra