Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Apokalipsy 10:9 - Baiboly Katolika

9 Dia nankany amin’ilay Anjely aho sy nilaza taminy hanome ahy ny boky, ka hoy ny navaliny ahy: «Raiso ka atelemo izy; hangidy izy ao an-kibonao, nefa ho mamy toy ny tantely eo am-bavanao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Dia nanatona an’ilay anjely aho ka niteny taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Hoy izy tamiko: Raiso ka hano avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Dia nankeny amin’ilay anjely aho ka nanao taminy hoe: –Mba omeo ahy iny horonamboky kely iny! Ary hoy izy tamiko: –Raiso izy ka atelemo avokoa; hangidy ao an-kibonao izy, nefa ao am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Dia nankeny amin’ilay anjely aho ka nanao taminy hoe: –Mba omeo ahy iny horonamboky kely iny! Ary hoy izy tamiko: –Raiso izy ka atelemo avokoa; hangidy ao an-kibonao izy, nefa ao am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Dia nankany amin’ny anjely aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Ary hoy izy tamiko: Raiso, ka hano avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy, nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Dia nankany amin'ny anjely aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Ary hoy izy tamiko: Raiso, ka hano avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy, nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 10:9
7 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nivily niala teo amin’ny didin’ny vavany aho, ary ny sitrapoko nofolahiko nampanekeko ny didin’ny molony.


Vao tonga teo anatrehako ny teninao, dia nohaniko; zary hafaliako amam-piravoravoan’ny foko, satria nantsoina tamiko ny Anaranao, ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô!


Ary ianao, ry zanak’olona, henoy izao lazaiko aminao izao: Aza miodina tahaka izany taranaka miodina izany. Sokafy ny vavanao, ka hano izay omeko anao.


Nofaohin’ny Fanahy sy nentiny aho, ka lasa; fangidiana amam-pisafoahana no tao amin’ny fanahiko; ary ny tanan’i Iaveh nihazona ahy mafy.


fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsy finoana;


Noraisiko ny boky teny an-tanan’ity Anjely, dia nateliko avokoa, ka mamy toy ny tantely izy tao am-bavako, fa nony nateliko kosa, dia tsaroako nangidy tao an-kiboko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra