Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Amosa 9:1 - Baiboly Katolika

1 Nahita ny Tompo nitsangana teo akaikin’ny ôtely aho, ka hoy izy: «Asio ny koronosy, ary aoka hihozongozona ny tokonana; dia torotoroy izy mamely ny lohan’izy rehetra! Ary izay sisa dia hovonoiko amin’ny sabatra; tsy hisy ho afaka, tsy hisy ho afa-mandositra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan’ny alitara aho. Hoy Izy: Asio ny lohan’ny andry hihetsiketsehan’ny tokonana, torotoroy hianjera amin’ny lohan’izy rehetra! Izay sisa aminy dia hovonoiko amin’ny sabatra ka tsy hisy afa-mandositra sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Hitako ny Tompo, nitsangana teo ambonin’ny alitara sady niteny hoe: «Asio ny lohan’ireo andry amin’ity tempoly ity dia hihozongozona ny fiorenany. Hotorotoroiko avokoa ireo lohandohany amin’izay rehetra eto ary izay sisa tavela dia haringako amin’ny ady; tsy hisy ho afa-mandositra ary tsy hisy ho afa-mitsoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Hitako ny Tompo, nitsangana teo ambonin’ny alitara sady niteny hoe: «Asio ny lohan’ireo andry amin’ity tempoly ity dia hihozongozona ny fiorenany. Hotorotoroiko avokoa ireo lohandohany amin’izay rehetra eto ary izay sisa tavela dia haringako amin’ny ady; tsy hisy ho afa-mandositra ary tsy hisy ho afa-mitsoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 NAHITA ny Tompo nitsangana teo anilan’ ny alitara aho, Ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan’ny tokonana, Ary torotoroy hianjera amin’ny lohan’izy rehetra, Ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin’ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, Sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan'ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan'ny tokonana, ary torotoroy hianjera amin'ny lohan'izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin'ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan’ny alitara aho. Hoy Izy: Asio ny lohan’ny andry hihetsiketsehan’ny tokonana, torotoroy hianjera amin’ny lohan’izy rehetra! Izay sisa aminy dia hovonoiko amin’ny sabatra ka tsy hisy afa-mandositra sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.

Jereo ny toko dika mitovy




Amosa 9:1
28 Rohy Ifampitohizana  

Hoy kosa i Mikea: «Henoy àry ny tenin’i Iaveh: Izaho efa nahita an’i Iaveh mipetraka amin’ny seza fiandrianany, ary ny tafiky ny lanitra rehetra dia eo ankavanany sy eo ankaviany.


Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; I Iaveh Tompo dia manafaka amin’ny fahafatesana.


Eny, Andriamanitra hanorotoro ny lohan’ny fahavalony, dia ny handrina be volon’izay mandeha amin’ny haratsiana.


Nefa tsy nety ianareo, fa hoy ianareo: «Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay.» - Eny hoe, handositra ianareo. - «Himaona mitaingina ny soavaly faingan-tongotra izahay.» Eny iky, fa ho faingana kokoa izay hanenjika anareo.


Tamin’ny taona nahafatesan’i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo, nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjo.


Noho izany, izao no lazain’i Iaveh: «Indro Aho hahatonga loza aminy, tsy ho azony idifiana. Ka na hitaraina amiko aza izy, tsy hohenoiko akory.


ny sabatra atahorananreo, hahatratra anareo any amin’ny tany Ejipta, ny mosary ahìnareo mafy, hanjòhy anareo any Ejipta, ary ho faty any ianareo.


Izay mandositra ny zava-mahatahotra azy, voan’ny fandrika; fa hataoko tonga aminy, dia amin’i Moaba, ny taona famangiana azy, - teny marin’i Iaveh. -


Hoatra ny fijery ny avana eny amin’ny rahona, amin’ny andro misy orana, no fijery ny famirapiratana nanodidina azy. Toy izany no fijery ny sarin’ny voninahitr’i Iaveh. Nony nahita izany aho, dia lavo, niankohoka tamin’ny tany, nandre feon’olona niteny.


Ary ny voninahitr’i Iaveh nisondrotra niala teo amin’ny Kerobima nankeo amin’ny tokonam-baravaran-trano; ka feno ilay rahona ny trano; ary feno ny famirapiratan’ny voninahitr’i Iaveh ny kianja.


Hitodika hanandrina azy ny Tavako; afa-nandositra ny afo izy, nefa levon’ny afo ihany indray; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho, rehefa atodiko hanandrina azy ireo ny Tavako.


Ka indreo, avy tamin’ny lalan’ny vavahady ambony mitodika mianavaratra, nisy lehilahy enina, samy nitondra teo an-tanany ny zavatra enti-mamely; ary nisy lehilahy anankiray teo afovoan’izy ireo, nitafy rongony fotsy madinika, sy nitondra fombam-panoratan’ny mpanoratra, teo amin’ny fehinkibony. Niditra izy ireo, dia nitsangana teo anilan’ny ôtely varahina.


Amin’ny andro hamaliako an’i Israely noho ny fandikany ny lalàna, no hamaliako ny momba an’ireo ôtely ao Betela koa; hokapaina ny tandroky ny ôtely ka hianjera amin’ny tany.


Koa izao no lazain’i Iaveh: ‹Ny vadinao hovetavetaina ao an-tanàna; ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ho lavon-tsabatra; ny taninao, hozaraina amin’ny famolaina, ary ianao ho faty eo amin’ny tany maloto; ary i Israely hoentin-ko babo hiala amin’ny taniny.› »


Ny fitoerana avon’i Isaaka ho foanana; ny fitoera-masin’i Israely horavana; ary hitsangana hamely ny taranak’i Jerôbôama amin’ny sabatra Aho.»


Nivoaka hamonjy ny olonao Ianao, hanafaka an’ilay Voahosotrao; notapahinao ny vovonan’ny tranon’ny ratsy fanahy, nahariharinao hatrany ambany ny fiorenany (Selà).


Izao no hatao amin’izany andro izany: Hokarohiko amin’ny fanala i Jerosalema, ka hofaizako ny olona mandry mifetaka amin’ny faikany, izay manao anakampo hoe: Tsy manisy soa, tsy manisy ratsy i Iaveh!


Eo afovoany no handrian’ny biby fiompy ny biby isan-karazany; ny sama sy ny sokina vy no haka fonenana any amin’ny loha andriny; hisy feo mihira ho re eny am-baravarankely; ary fandravana no ho eo an-tokonana, fa efa nendahana ny peta-kazo sedera.


Tsy dia nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka tokana izay ao anatin’ny Ray ihany no hany nanambara Azy.»


Ary nilaza marina i Joany nanao hoe: «Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromahailala, ka nitoetra teo amboniny.


ilay sahabo ho nitataovovonana tsara iny ny andro, dia endrey, ry mpanjaka! fa teny an-dalana dia nahita fahazavana avy any an-danitra aho, izay namirapiratra lavitra noho ny masoandro, sy nanjelanjelatra nanodidina ahy mbamin’izay nomba ahy.


Dia hoy i Jôsoe: «Kodiavo vato lehibe ny vava zohy, dia asio olona hiambina azy.


Vao nahita Azy aho, dia nitsingidina teo an-tongony toy ny maty; fa nanendry ahy tamin’ny tanany havanana Izy, ka nanao hoe: «Aza matahotra; izaho no Voalohany sy Farany ary Velona;


Dia indro koa nisy Anjely anankiray hafa, nitsangana teo anoloan’ny ôtely, nitana fanembohana volamena, ary nomena emboka manitra betsaka mba hanolotra ny vavaky ny olo-masina rehetra eo ambony ôtely volamena, izay eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra