Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Amosa 3:11 - Baiboly Katolika

11 Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: «Inty ny fahavalo, manodidina ny tany izy, ka ny herinao hendahany aminao; ary ny lapanao ho voaroba.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: E, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ny mandanao ary horobaina ny lapanao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Noho izany, ry Samaria, izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Hohodidinin’ny fahavalo ny taninao, harodany hiala aminao ny mànda-fiarovanao, ary horobainy ireo lapanao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Noho izany, ry Samaria, izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Hohodidinin’ny fahavalo ny taninao, harodany hiala aminao ny mànda-fiarovanao, ary horobainy ireo lapanao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo: He, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ho afaka aminao ny herinao, Ary hobaboina ny tranobenao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ho afaka aminao ny herinao, ary hobaboina ny tranobenao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: E, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ny mandanao ary horobaina ny lapanao.

Jereo ny toko dika mitovy




Amosa 3:11
17 Rohy Ifampitohizana  

Ny maty, nosavàn’ireto zanak’i Jakôba; ny tanàna, nobaboiny, noho ny nandotoana ny anabaviny.


Tongan’i Fola mpanjakan’i Asiria, ny tany, ary nomen’i Manahema talenta volafotsy arivo i Fola mba hamonjy azy sy hanamafy ny fanjakana eo an-tanany.


Tamin’ny andron’i Faseà mpanjakan’i Israely no nahatongavan’i Teglaty-Falasara mpanjakan’i Asiria sy nahazoan’io an’i Ajôna, i Abela-Bety-Maakà, i Janôe, i Kedesa, Asôra, i Galaada ary i Galilea, dia ny tanin’i Neftalì rehetra, sady nentiny ho babo tany Asiria koa ny mponina.


Nodorany ny tranon’Andriamanitra, noravany ny mandan’i Jerosalema, notselarany ny afo ny lapa rehetra teo, ary nosimbany ny fanaka sarobidy rehetra.


Tsy misy tsy tratry ny fahalianany te handrapaka, koa tsy haharitra ny fiadanany.


dia handefa ny afo ho ao amin’i Jodà Aho ka handevona ny lapan’i Jerosalema izany.»


Ary tsy mahay manaraka ny hitsiny izy ireo, - teny marin’i Iaveh, - dia ireo izay mampiavosa ny fahasiahana amam-pandrobana ao anatin’ny lapany.


Hasiako ny trano ririnina aman-trano fahavaratra; hosimbana ny trano ivoara ary horavàna ny trano maro - teny marin’i Iaveh. -


Fa indro hanangana hamely anareo Aho, ry taranak’i Israely, - teny marin’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika - hanangana firenena anankiray hampahory anareo, hatrany amin’ny hadilalan’i Hamata ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’ny efitra.


Efa nianiana tamin’ny Tenany, ny Tompo Iaveh, - teny marin’i Iaveh Andriamanitry ny tafika. - Tsy tiako mainty ny avonavon’i Jakôba, ary halako ny lapany; ka hatolotro mbamin’izay rehetra ao aminy ny tanàna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra