Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 12:45 - Baiboly Katolika45 Noheveriny koa fa valisoa tsara indrindra no voatahiry ho an’izay mody mandry amim-pitiavam-bavaka, ka hevitra masina ombam-pitiavam-bavaka izany. Izany no nanaovany an’izany sorona fanonerana izany ho an’ny maty, mba ho afaka amin’ny fahotany izy ireo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara45 Noheveriny koa fa valisoa tsara aoka izany no voatahiry ho an’izay mody mandry ombàm-pitiavam-bavaka, ka hevitra masina sy feno fitiavam-bavaka io fanoloran-tsorona io. Izany no nanaovan’i Joda io sorom-panonerana ho an’ny maty io, mba ho famelana ny fahotany. Jereo ny toko |