Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 12:20 - Baiboly Katolika20 I Makabeo kosa tetsy an-danany, nampilahatra ny tafiny araka ny antokony, ary nasainy notarihiny ireo antokony ireo, dia nandroso hamely an’i Timoteo izay nitondra miaramila an-tongotra 120.000, sy an-tsoavaly 2.500. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara20 I Joda Makabeo kosa tetsy an-daniny nitsinjarazara ny tafiny ho antokony ary nanendry izay ho mpitarika an’ireo antokon-tafika ireo. Avy eo izy dia niroso hamely an’i Timôty izay nitondra miaramila an-tongotra nisy antokon-tafika 120 ary miaramila an-tsoavaly nisy antokon-tafika roa sy andiany dimy. Jereo ny toko |