Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno 2Makabeo 10:35 - Baiboly Katolika35 Vao nipoaka ny andro fahadimy, dia nisy zatovolahy 20 tamin’ny miaramilan’i Makabeo nirehi-pahatezerana tamin’izany fitenenan-dratsy an’Andriamanitra izany, ka niantoraka tamin-kasahiana nananika ny manda sy namono izay teo anoloany rehetra, tamin-kerim-po, toy ny liona. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara35 Vao nipoaka ny andro fahadimy, dia nisy zatovolahy roapolo tamin’ny miaramilan’i Joda Makabeo nirehi-pahatezerana tamin’izany faniratsirana an’Andriamanitra izany, ka niantoraka tamin-kasahiana nananika ny manda; izay fahavalo rehetra teo anoloany dia tamin-karomotana masiaka no namonoany azy ho faty. Jereo ny toko |