Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 9:6 - Baiboly Katolika

6 Tsy nino ny filazan’ny olona aho, fony mbola tsy tonga sy tsy nahita maso, kanjo mbola tsy ampy antsasany ny voalaza tamiko ny amin’ny halehiben’ny fahendrenao! Manoatra ny reko tamin’ny filazan’olona ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Kanefa tsy nino ny filazana aho raha tsy tonga atỳ, koa ny masoko no mahita; kanjo hay! Na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza dia tsy voalaza tamiko akory; fa indro, mihoatra noho ny laza efa reko ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita; kanjo hay! na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza tsy voalaza tamiko akory; fa, indro, mihoatra noho ny laza efa reko hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita; kanjo hay! na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza tsy voalaza tamiko akory; fa, indro, mihoatra noho ny laza efa reko ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Kanefa tsy nino ny filazana aho raha tsy tonga atỳ, koa ny masoko no mahita; kanjo hay! Na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza dia tsy voalaza tamiko akory; fa indro, mihoatra noho ny laza efa reko ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 9:6
11 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nety nino ny lazan’olona aho, raha tsy efa tonga nahita maso, kanjo hay mbola tsy ampy antsasany akory no voalaza tamiko! Fa mihoatra lavitra noho ny reko tamin’ny filazan’olona ny fahendrena amam-boninahitrao.


ka nilaza tamin’ny mpanjaka hoe: «Hay va re dia marina tokoa ny zavatra reko tany amin’ny taniko, ny amin’ny tenanao amam-pahendrenao!


Sambatra ny olonao, sambatra ny mpanomponao, izay manoloana anao lalandava sy mandre ny fahendrenao!


Aoka hanjary moana ny molotra mandainga, izay miteny amin’avonavona hanohitra ny marina amim-piavonavonana amam-paniratsirana.


Endrey izany fandrosoana, endrey izany hatsaran-tarehin’izy ireo! Ny vary, hampitombo ny zatovo, ary ny divay vaovao, hampitombo ny virjiny.


fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe: «Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.»


Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra