Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 31:4 - Baiboly Katolika

4 Ary nilaza tamin’ny mponina ao Jerosalema izy, handoa ny anjaran’ny mpisorona sy ny Levita, mba hiraiketany mafy amin’ny lalàn’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary nasainy nandoa ny anjaran’ny mpisorona sy ny levita ny olona izay nonina tany Jerosalema mba hipetrahany tsara amin’ny lalànan’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Ny olona izay nonina tao Jerosalema dia nasain’i Hezekià nanome ny anjaran’ireo mpisorona sy levita mba hifikirany mafy amin’ny fombam-pivavahana naraikitry ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ny olona izay nonina tao Jerosalema dia nasain’i Hezekià nanome ny anjaran’ireo mpisorona sy levita mba hifikirany mafy amin’ny fombam-pivavahana naraikitry ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary ny olona izay nonina tany Jerosalema nasainy nandoa ny anjaran’ny mpisorona sy ny Levita hipetrahany tsara amin’ny lalàn’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary ny olona izay nonina tany Jerosalema nasainy nandoa ny anjaran'ny mpisorona sy ny Levita hipetrahany tsara amin'ny lalàn'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Ary nasainy nandoa ny anjaran’ny mpisorona sy ny levita ny olona izay nonina tany Jerosalema mba hipetrahany tsara amin’ny lalànan’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 31:4
12 Rohy Ifampitohizana  

afa-tsy ny lehilahy voasoratra, hatramin’ny telo taona no ho miakatra, dia izay rehetra niditra tao an-tranon’i Iaveh, araka ny ilainy isan’andro mba hanao ny fanompoana, araka ny anjara raharahany sy ny antokony avy.


Ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra isan-karazany, mbamin’ny fanatitra rehetra isan-karazany haterinareo, dia ho an’ny mpisorona; omeo ny mpisorona koa ny santatry ny fitotoam-barinareo, mba hitoeran’ny tso-drano ao amin’ny tranonareo.


Fa ny molotry ny mpisorona no mpitahiry ny fahalalana, ary ny vavany no angatahana ny fampianarana, satria izy no Anjelin’i Iavehn’ny tafika.


Aoka izay ampianarina ny teny finoana hanome anjara izay mampianatra azy amin’ny fananany rehetra.


dia hanana anjara fivelomana toraky ny an’ireo koa izy, afa-tsy izay azony amin’ny fivarotana ny anjara lovany.


Nefa, araka ny Lalàna, dia ny taranak’i Levi izay mandray ny fisoronana ihany no mahazo teny handray ny ampahafolon-karena amin’ny vahoaka, izany hoe amin’ny rahalahiny, izay terak’i Abrahama koa;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra