Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 28:25 - Baiboly Katolika

25 Tany amin’ny tanànan’i Jodà no nasiany fitoerana avo tsirairay avy, hanaterany zava-manitra ho an’ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ary teny amin’ny tanànan’i Joda rehetra dia nanaovany toerana fanaovana sorona handoroana ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

25 ary isan-tanànan’ny fanjakàn’i Joda dia nanaovany toeram-panasinana mba handoroana sorona hanetona ho an’ny andriamani-kafa, ka izany no nahatezitra ny TOMPO Andriamanitry ny razany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 ary isan-tanànan’ny fanjakàn’i Joda dia nanaovany toeram-panasinana mba handoroana sorona hanetona ho an’ny andriamani-kafa, ka izany no nahatezitra ny TOMPO Andriamanitry ny razany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary teny amin’ny tanànan’ny Joda rehetra dia nanaovany fitoerana avo handoroana ditin-kazo manitra ho an’ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary teny amin'ny tanànan'ny Joda rehetra dia nanaovany fitoerana avo handoroana ditin-kazo manitra ho an'ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 28:25
9 Rohy Ifampitohizana  

Satria nafoiny Aho, fa andriamani-kafa no nanolorany zana-manitra, hampahatezerany Ahy amin’ny asan-tanany rehetra; dia nirehitra amin’ity fitoerana ity ny hatezerako, ka tsy ho azo tohaina.


Nangonin’i Akaza ny fanaky ny tranon’Andriamanitra, ka novakivakiny ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ary narindriny ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia teny amin’ny zoron-dalana rehetra tao Jerosalema no nanaovany ôtely.


Ny asany sisa mbamin’ny lalany rehetra, ny voalohany sy ny farany, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely izany.


Nandoro zava-manitra teo an-dohasahan’i Beny-Hinôma izy, ary nampamakiny ny afo ny zanany, araka ny fahavetavetana fanaon’ireo firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.


Nanatitra sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo sy ny havoana ary teny ambany hazo maitso rehetra teny izy.


Tamin’ny taona nahafatesan’i Akaza mpanjaka no nivoahan’izao faminaniana izao.


Fa araka ny isan’ny tanànanao, no isan’ny andriamanitrao, ry Jodà; ary araka ny isan’ny lalam-be ao Jerosalema, no isan’ny ôtely natsanganareo ho an’ilay sampy mahafa-baraka, dia ireo ôtely anaterana emboka manitra ho an’i Baala.


I Iavehn’ny tafika izay namboly anao, no nandidy ny loza hanjò anao. Noho ny ratsy nataon’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà, izay nataony hihatsy ny hatezerako, tamin’ny fanaterana emboka manitra ho an’i Baala.»


nanao zohy amam-pitoerana avo ho anao teny amin’ny kianja rehetra teny ianao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra