Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 24:25 - Baiboly Katolika

25 Nony nilaozan’ireny, ka efa feno ratra maro izy, dia nanaovan’ny mpanompony teti-be hasiana, noho ny amin’ny ran’ny zanak’i Jôiadà mpisorona, ka novonoiny teo am-pandriany, dia maty. Nalevina tao an-tanànan’i Davida izy, nefa tsy natao tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ary nony nilaozany tamin’ny faharariana mafy izy, dia nikomy taminy ny mpanompony noho ny ran’ny zanak’i Joiada mpisorona ka namono azy teo am-pandrianany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

25 Fony lasa nody ny Sirianina, dia namela an’i Jôasy hianjadian’aretina mafy; fa noho izy nampamono ho faty ny zanakalahin’i Jôiadà mpisorona, dia niokoan’ireo mpanompony koa ity mpanjaka, hany ka novonoiny ho faty teo am-pandriany. Mba nalevina tao an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Fony lasa nody ny Sirianina, dia namela an’i Jôasy hianjadian’aretina mafy; fa noho izy nampamono ho faty ny zanakalahin’i Jôiadà mpisorona, dia niokoan’ireo mpanompony koa ity mpanjaka, hany ka novonoiny ho faty teo am-pandriany. Mba nalevina tao an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary nony nilaozany tamin’ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran’ny zanak’i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary nony nilaozany tamin'ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran'ny zanak'i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Ary nony nilaozany tamin’ny faharariana mafy izy, dia nikomy taminy ny mpanompony noho ny ran’ny zanak’i Joiada mpisorona ka namono azy teo am-pandrianany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 24:25
15 Rohy Ifampitohizana  

Nanao teti-dratsy nanohitra azy i Baasà, zanak’i Ahiasa, amin’ny taranak’i Isakara, ka namely azy teo Gebetôna izay an’ny Filistinina; fa nanao fahirano an’i Gebetôna i Nadaba sy i Israely rehetra tamin’izay.


Ary nambosin’i Iaveh hamely an’i Jôrama ny sain’ny Filistinina mbamin’ny Arabo teo akaikin’ny Etiôpianina.


Dia niverina tao Jezrahela i Jôrama hotsaboina amin’ny ratra nahavoazan’ny Sirianina azy tao Ramà, fony izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Ary i Azariasa zanak’i Jôrama mpanjakan’i Jodà, nidina tany Jezrahela hamangy an’i Jôrama zanak’i Akaba fa narary izy.


Notadiaviny i Okoziasa ary nisy nisambotra azy tany Samaria izay niereny, dia nitondra azy ho eo amin’i Jehò, ka novonoina izy. Raha efa izany dia nalevina izy, fa hoy izy ireo: «Zanak’i Jôsafata izay nitady an’i Iaveh tamin’ny fony rehetra izy.» Dia tsy nisy olona azo nampanjakaina intsony, tamin’ny terak’i Okoziasa.


Tao amin’ny mpanjaka, ao an-tanànan’i Davida izy no nalevina, fa soa no nataony tamin’i Israely sy ho an’Andriamanitra mbamin’ny tranony.


Ireto no nanao teti-be hamely azy: i Zabada zanak’i Semaata vehivavy Amônita, sy i Jôzabada zanak’i Samarita vehivavy Moabita.


Taorian’ny nihatahan’i Amasiasa tamin’i Iaveh dia nisy firaisan-tetika hamely azy niforona tao Jerosalema, ka nandositra nankany Lakisa izy, fa nisy olona nirahina hanenjika azy tany Lakisa, ka novonoiny tany izy.


Nony tafapetraka tsara tamin’ny fanjakany izy dia novonoiny ireo mpanompony namono ny mpanjaka rainy,


Dia nody mandry any amin’ny razany i Akaza, ka nalevina tao an-tanàna, tao Jerosalema, fa tsy mba naiditra tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’i Israely. Ary i Ezekiasa zanany no nanjaka nandimby azy.


Nahita anefa Ianao, fa nijery ny fahoriana amam-pijaliana, mba hiandraiketanao ny momba azy, Ianao no iankinan’ny malahelo; mamonjy ny kamboty Ianao.


Fa nandatsaka ny ran’ny olo-masina sy ny mpaminany izy ireo, ka tandrifiny raha ra kosa no nomenao hosotroiny.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra