2Tantara 24:25 - DIEM PROTESTANTA25 Fony lasa nody ny Sirianina, dia namela an’i Jôasy hianjadian’aretina mafy; fa noho izy nampamono ho faty ny zanakalahin’i Jôiadà mpisorona, dia niokoan’ireo mpanompony koa ity mpanjaka, hany ka novonoiny ho faty teo am-pandriany. Mba nalevina tao an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201125 Ary nony nilaozany tamin’ny faharariana mafy izy, dia nikomy taminy ny mpanompony noho ny ran’ny zanak’i Joiada mpisorona ka namono azy teo am-pandrianany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara25 Fony lasa nody ny Sirianina, dia namela an’i Jôasy hianjadian’aretina mafy; fa noho izy nampamono ho faty ny zanakalahin’i Jôiadà mpisorona, dia niokoan’ireo mpanompony koa ity mpanjaka, hany ka novonoiny ho faty teo am-pandriany. Mba nalevina tao an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka. Jereo ny tokoBaiboly Katolika25 Nony nilaozan’ireny, ka efa feno ratra maro izy, dia nanaovan’ny mpanompony teti-be hasiana, noho ny amin’ny ran’ny zanak’i Jôiadà mpisorona, ka novonoiny teo am-pandriany, dia maty. Nalevina tao an-tanànan’i Davida izy, nefa tsy natao tao amin’ny fasan’ny mpanjaka. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy25 Ary nony nilaozany tamin’ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran’ny zanak’i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka. Jereo ny tokoMalagasy Bible25 Ary nony nilaozany tamin'ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran'ny zanak'i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin'ny fasan'ny mpanjaka. Jereo ny toko |
Nampitady an’i Ahazià izy ka tany Samaria niereny no nisy nahita azy; dia nentina ho any amin’i Jehò izy ary novonoina ho faty. Nalevina ihany anefa izy, satria hoy ny olona hoe: «Taranak’i Jôsafata, ilay nitady ny TOMPO tamin’ny fony manontolo, ity.» Tamin’izay dia tsy mbola nisy afaka nitana fanjakana ny terak’i Ahazià.