Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 23:15 - Baiboly Katolika

15 Dia nihataka teo an-daniny roa ny olona, ka lasa nankany amin’ny fidirana eo am-bavahadin-tsoavaly ho ao amin’ny tranon’ny mpanjaka ravehivavy, ka dia tao no namonoana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ary nisambotra azy ny olona, dia nankany amin’ny fidirana amin’ny vavahadin-tsoavaly Ravehivavy ka niditra tao an-tranon’ny mpanjaka; dia novonoiny tao izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

15 Dia nosamborin’ireo i Hatalià ka notaritaritiny ho any an-dapan’ny mpanjaka; ary rehefa tafapaka ny fidirana teo amin’ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy, dia novonoina ho faty teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Dia nosamborin’ireo i Hatalià ka notaritaritiny ho any an-dapan’ny mpanjaka; ary rehefa tafapaka ny fidirana teo amin’ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy, dia novonoina ho faty teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nankamin’ny fidirana amin’ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy ka niditra tao an-tranon’ny mpanjaka; dia novonoiny teo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nankamin'ny fidirana amin'ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy ka niditra tao an-tranon'ny mpanjaka; dia novonoiny teo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Ary nisambotra azy ny olona, dia nankany amin’ny fidirana amin’ny vavahadin-tsoavaly Ravehivavy ka niditra tao an-tranon’ny mpanjaka; dia novonoiny tao izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 23:15
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Elia tamin’izy ireo: «Sambory ny mpaminanin’i Baala, ka aoka tsy hisy ho afa-mandositra na dia iray aza.» Dia nosamboriny ireny, ka nampidinin’i Elia teo amin’ny ranon’i Sisaona, dia novonoiny teo.


Nony hitan’i Atalia, renin’i Okoziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka namono ny zanak’andriana rehetra amin’ny taranak’i Jodà.


Fa nasain’i Jôiadà mpisorona nivoaka ny tompon-jato, mpifehy ny miaramila, ka nataony hoe: «Ento izy eo anelanelan’ny laharana hiala eto, ary vonoy amin’ny sabatra izay manaraka azy na iza na iza. Satria ny mpisorona efa nilaza hoe: Aza mamono azy ao an-tranon’i Iaveh.»


Teo ambonin’ny vavahadin’ny Soavaly dia ny mpisorona no samy namboatra ny tandrifin’ny tranony avy.


Ny adala tsy mety haharitra eo imasonao; ny mpanao ratsy hàlanao avokoa.


Miankìna amin’i Iaveh fa hanohana anao Izy; tsy havelany hangozohozo mandrakariva ny marina.


Ny lohasaham-paty aman-davenona rehetra, mbamin’ny saha rehetra hatramin’ny lohasahan-driaka Sedrôna, ka hatramin’ny zorom-bavahadin-tSoavaly mitodika atsinanana dia ho fitoerana masina ho an’i Iaveh, ary tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.


Aza mandoto ny tany onenanareo, fa ny ra no mandoto ny tany, ary tsy misy fanavotana ny tany amin’ny ra nalatsaka afa-tsy ny ran’ny nandatsaka azy ihany.


fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.


Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy namindra fo; ary ny famindram-po no maharesy ny fitsarana.


Dia hoy i Adôni-Bezeka: «Mpanjaka fitopolo notapahina ankiben-tongotra aman-tanana no nitsindroka tao ambany latabatro, ka ny nataoko ity no afotitr’Andriamanitra amiko.» Nentina nankany Jerosalema izy, dia maty tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra