Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 18:9 - Baiboly Katolika

9 Tamin’izay ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, dia samy nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany nitondra ny akanjo-mpanjakany, nipetraka teo amin’ny fidiran’ny vavahadin’i Samaria; ary ny mpaminany rehetra, naminany teo anatrehany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ary ny mpanjakan’ny Israely sy i Josafata, mpanjakan’ny Joda, dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany avy teo amin’ny famoloana eo anoloan’ny vavahadin’i Samaria sady samy efa niakanjo ny fanamiany avy; ary ny mpaminany rehetra dia naminany teo anatrehany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Ary ny mpanjakan’i Israely sy ny mpanjakan’i Joda dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany sy efa niakanjo ny fanamiany avy, teo amin’ilay kianja manoloana ny vavahadin’i Samaria, nandritra ny naminanian’ireo mpaminany rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ary ny mpanjakan’i Israely sy ny mpanjakan’i Joda dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany sy efa niakanjo ny fanamiany avy, teo amin’ilay kianja manoloana ny vavahadin’i Samaria, nandritra ny naminanian’ireo mpaminany rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary ny mpanjakan’ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan’ny Joda, samy nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany avy teo amin’ny famoloana eo anoloan’ny vavahadin’i Samaria, sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo anatrehany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany avy teo amin'ny famoloana eo anoloan'ny vavahadin'i Samaria, sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo anatrehany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ary ny mpanjakan’ny Israely sy i Josafata, mpanjakan’ny Joda, dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany avy teo amin’ny famoloana eo anoloan’ny vavahadin’i Samaria sady samy efa niakanjo ny fanamiany avy; ary ny mpaminany rehetra dia naminany teo anatrehany.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 18:9
12 Rohy Ifampitohizana  

I Sedesiasa zanak’i Kanaana, nanao tandro-by ho azy, ka nilaza hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Hototoinao amin’ireto tandroka ireto ny Sirianina, mandra-paharingany.»


Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: «Izaho hanao fitafiana hafa no mandroso amin’ny ady, fa ianao miakanjoa ny akanjonao ihany.» Dia nanao fitafiana hafa ny mpanjakan’i Israely, dia nandeha ho any amin’ny ady izy ireo.


Izay ny mpanjakan’i Israely vao niantso eonòka anankiray, ka nanao taminy hoe: «Asaovy mankatỳ miaraka amin’izay i Mikea zanak’i Jemlà.»


Taitra ny aminao ny Seoly any ambany lalina any, handeha hitsena anao. Fohaziny noho ny aminao ny avelo, ny mpanjakan’ny tany rehetra; asainy hitsangana avy eo amin’ny seza fiandrianana avokoa, ny mpanjakan’ny firenena rehetra.


Hidina hiala amin’ny seza fiandrianany ireo andrian’ny ranomasina rehetra; hanesotra ny lambany, hanala ny fitafiany misy amborodao; hitafy fangorohoroana, hitombina amin’ny tany, hangovitra isan-tapak’andro, ary ho talanjona noho ny aminao.


Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Indro any amin’ny tranon’ny mpanjaka izay tsara fitafiana.


Hoy i Jesoa taminy: Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana, ny Zanak’olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany; ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.


kanefa lazaiko aminareo, fa na dia i Salômôna tao amin’ny voninahiny rehetra aza, dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny.


Niakatra teo am-bavahadin’ny tanàna i Booza ka nipetraka tao. Ary ity tamy handalo eo ilay anankiray mahazo manavotra voalazan’i Booza, ka hoy izy taminy: «O Ranona irỳ ô, mijanòna kely, mipetraha eto.» Dia nijanona ilay lehilahy sady nipetraka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra