Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 11:13 - Baiboly Katolika

13 Ny mpisorona sy Levita izay teo amin’i Israely rehetra, dia tonga nanatona an-dRôbôama, avy any amin’ny faritaniny rehetra avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary ny mpisorona sy ny levita izay tany amin’ny Israely rehetra dia nanatona an’i Rehoboama avy tany amin’ny faritaniny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Ny mpisorona sy ny levita izay nonina tany Israely avaratra manontolo dia niainga avy any amin’ny faritra rehetra nisy azy ka niandany tamin’i Rehabohama.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ny mpisorona sy ny levita izay nonina tany Israely avaratra manontolo dia niainga avy any amin’ny faritra rehetra nisy azy ka niandany tamin’i Rehabohama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary ny mpisorona sy ny Levita izay teo amin’ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy tany amin’ny fari-taniny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary ny mpisorona sy ny Levita izay teo amin'ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy tany amin'ny fari-taniny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ary ny mpisorona sy ny levita* izay tany amin’ny Israely rehetra dia nanatona an’i Rehoboama avy tany amin’ny faritaniny avy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 11:13
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny zanak’i Israely nonina tamin’ny tanànan’i Jodà, no sisa nanjakan-dRôbôama.


Niakatra hamely an’i Jodà i Baasà, mpanjakan’i Israely, ary nanorina an’i Ramà izy, mba hisakana ny vahoakan’i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra.


Nisy lehilahy anankiray avy any Baala-Salira nitondra mofo natao tamin’ny santa-bary ho an’ity olon’Andriamanitra, dia mofo orja roapolo, sy vary vaovao tao an-dasàkany; ka hoy i Elisea: «Omeo ny olona hohaniny.»


Samy nametrahany ampinga aman-defona avokoa ny tanàna dia nataony mahery fatratra. I Jodà sy i Benjamina dia azy.


Fa nandalo ny tanim-piandrasam-biby sy ny fananany ny taranak’i Levì, ka nankany Jodà sy i Jerosalema, satria ny zanany dia nesorin’i Jerôbôama tamin’ny raharaham-pisoronana fankalazana an’i Iaveh,


Tamin’ny taona faha-36 nanjakan’i Asà dia niakatra hamely an’i Jodà, i Baasà mpanjakan’i Israely, ka naoriny i Ramà mba hisakana ny olon’i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra.


Niteny an’i Jodà ireo, namory ny Levita tany amin’ny tanànan’i Jodà rehetra mbamin’ny loham-pianakaviana amin’i Israely dia tonga tany Jerosalema izy ireo.


Nandefa iraka ho any amin’i Israely rehetra sy i Jodà i Ezekiasa ary nanoratra taratasy ho any amin’i Efraima sy i Manase koa, hankanesan’izy ireo ao an-tranon’i Iaveh ao Jerosalema, hanao ny Paka ho fankalazana an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.


Fa raha ataonao hoe: «Mavesatra ho an’i Iaveh,» dia izao kosa no lazain’i Iaveh: «Noho ianareo nilaza ny teny hoe: Mavesatra ho an’i Iaveh, rehefa naniraka tany aminareo anefa Aho hilaza aminareo hoe: Aza manao hoe: Entan’i Iaveh intsony;


Mitandrema tsy hanary ny Levita mandritra ny andro rehetra hahavelomanao ao amin’ny taninao.


Koa raha ny tany fanananareo no heverinareo ho maloto dia mankanesa any amin’ny tany izay fananan’i Iaveh, izay ipetrahan’ny fonenan’i Iaveh, ka monena any aminay; fa aza miodina amin’i Iaveh ary aza miodina aminay, amin’ny fanorenana ôtely hafa noho ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra