Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 1:8 - Baiboly Katolika

8 Dia hoy ny navalin’i Salômôna an’Andriamanitra: «Hatsaram-po lehibe no nasehonao tamin’i Davida raiko, ary izaho ny nampanjakainao handimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia hoy i Solomona tamin’Andriamanitra: Efa naneho fahasoavana lehibe tamin’i Davida raiko Ianao ary nampanjaka ahy handimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Dia hoy i Salômôna tamin’Andriamanitra: –Efa nanehoanao fitiavana lehibe i Davida raiko; ary nampanjaka ahy handimby azy Ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Dia hoy i Salômôna tamin’Andriamanitra: –Efa nanehoanao fitiavana lehibe i Davida raiko; ary nampanjaka ahy handimby azy Ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Dia hoy Solomona tamin’Andriamanitra: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin’i Davida raiko ary nampanjaka ahy handimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Dia hoy Solomona tamin'Andriamanitra: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko ary nampanjaka ahy handimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Dia hoy i Solomona tamin’Andriamanitra: Efa naneho fahasoavana lehibe tamin’i Davida raiko Ianao ary nampanjaka ahy handimby azy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 1:8
13 Rohy Ifampitohizana  

Manao famonjen-dehibe ho an’ny mpanjakany Izy, ary manome famindram-po amin’ilay voahosony, dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay.»


Dia hoy ny navalin’i Salômôna: «Efa naneho fitiavana lehibe tamin’i Davida mpanomponao raiko Ianao, araka ny nandehanany teo anatrehanao, tamin’ny tsy fivadihana, sy fahamarinana, ary fahitsiam-po taminao; notohizinao izany fitiavana lehibe izany, ka nomenao zanaka lahy izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy, araka izao hita izao.


Ka tonga i Davida mpanjaka ka nitoetra teo anatrehan’i Iaveh, ary nanao hoe: Zinona moa aho, ry Iaveh Andriamanitra ô! Ary zinona moa ny fianakaviako no dia nentinao ho tonga amin’izao aho?


Tamin’ny zanako rehetra kosa, - fa nomen’i Iaveh zanaka maro aho, - i Salômôna zanako no nofidiny, mba hampipetraka azy amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakan’i Iaveh amin’i Israely.


Nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Iaveh i Salômôna, ho mpanjaka dimbin’i Davida rainy, sady nambinina izy ary nankatoavin’i Israely rehetra.


Efa tratra antitra tsara sady voky andro sy harena amam-boninahitra izy vao maty, ary i Salômôna zanany no nanjaka nandimby azy.


Fa lehibe ny hatsaram-ponao amiko, notsoahanao tany amin’ny Seoly ny fanahiko.


Iza moa no velona tsy hahita fahafatesana, ary zovy no hahafaka ny fanahiny amin’ny herin’ny Seoly? - Selà


Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo. Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra