Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Samoela 5:3 - Baiboly Katolika

3 Ary samy tonga tany amin’ny mpanjaka tany Hebrôna avokoa ny loholon’i Israely, ka dia nanao fanekem-pihavanana tamin’izy ireo tany, teo anatrehan’i Iaveh, i Davida mpanjaka; ary nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Eny, tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ny Israely rehetra ary nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’NY TOMPO i Davida mpanjaka. Dia nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrôna avokoa ireo loholon’i Israely. Ary tao Hebrôna dia nanaovan’i Davida mpanjaka fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO ry zareo, ka nanosotra azy ho mpanjakan’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrôna avokoa ireo loholon’i Israely. Ary tao Hebrôna dia nanaovan’i Davida mpanjaka fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO ry zareo, ka nanosotra azy ho mpanjakan’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Eny, tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’i Jehovah; ary dia nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’ny Isiraely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Eny, tonga tao amin'ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon'ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan'i Jehovah; ary dia nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 5:3
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia tonga ny lehilahy amin’ny Jodà ka tao no nanosorany an’i Davida ho mpanjaka amin’ny fokon’i Jodà. Nisy nilaza tamin’i Davida fa ny olona any Jabesa any Galaada, no nandevina an’i Saola.


Ary amin’izao hankeherezina anie ny tananareo, ka ho lehilahy mahery ianareo! Fa maty izay i Saola tomponareo, ary izaho no natsangan’ny fokon’i Jodà ho mpanjakany.»


Ary hoy i Abnera tamin’i Davida: «Hitsangana aho ka hiainga hamory an’i Israely rehetra ho atỳ amin’ny mpanjaka tompoko, ary hanao fanekena aminao izy, ka hanjaka amin’izay rehetra irin’ny fonao ianao.» Dia nalefan’i Davida i Abnera ka nandeha amim-piadanana.


Rehefa mby any, i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany dia hanosotra azy ho mpanjaka amin’i Israely, ary ianareo hitsoka anjomara sy hilaza hoe: Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!


Nampanaovan’i Jôiadà fanekena tamin’i Iaveh sy ny mpanjaka ary ny vahoaka, ny tsy maintsy haha-vahoakan’i Iaveh azy ireo. Ary nampanaoviny fanekena koa ny mpanjaka sy ny vahoaka.


Ary nivory teo amin’i Davida tany Hebrôna i Israely rehetra nanao hoe: «Indro fa taolanao sy nofonao izahay.


Dia tonga teo amin’ny mpanjaka, tany Hebrôna, ny loholon’i Israely rehetra, ary i Davida nanao fanekena tamin’izy ireo, teo anatrehan’i Iaveh, tany Hebrôna, ary izy ireo nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely, araka ny tenin’i Iaveh, notononin’i Samoela.


Nofidin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely aho tamin’ny ankohonan’ny raiko rehetra, ho mpanjaka amin’i Israely mandrakizay. Satria i Jodà no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin’ny taranak’i Jodà, ny ankohonan’ny raiko no nofidiny ho mpanjaka, izaho no nankasitrahany hampanjakainy amin’i Israely.


Nampanaovin’i Jôiadà fanekena ny vahoaka sy ny mpanjaka mbamin’ny tenany, fa tsy maintsy ho vahoakan’i Iaveh izy ireo.


«Mandehana, vorio ny loholon’i Israely, ka lazao aminy hoe: Niseho tamiko i Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, nanao hoe: Namangy anareo Aho, ary nahita ny anaovan’ny olona anareo any Ejipta.


Niakatra avy eo Eglôna i Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia nankany Hebrôna, ka namely azy izy ireo.


Dia nandeha niaraka tamin’ny loholon’i Galaada i Jefte. Natsangan’ny vahoaka ho filohany sy ho jeneraliny izy, ary naverin’i Jefte teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà indray ny teniny rehetra.


Dia nankany Galgalà ny vahoaka rehetra ka nanangana an’i Saola ho mpanjaka, teo anatrehan’i Iaveh, tany Galgalà, ary teo no nanateran’izy ireo sorom-pisaorana teo anatrehan’i Iaveh; ary teo i Saola sy ny lehilahy rehetra amin’i Israely dia nanao firobirobiana fatratra.


Dia noraisin’i Samoela ny tandroka nisy diloilo, ka nohosorany teo afovoan’ny rahalahiny io; ary hatramin’izany andro izany sy tamin’ny andro manaraka, dia niditra tamin’i Davida ny Fanahin’i Iaveh. Dia niainga i Samoela nankany Ramata.


Dia nanao fanekem-pihavanana teo anatrehan’i Iaveh izy roa lahy; ka i Davida nijanona tany an’ala ary i Jônatasy niverina nody any aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra