2Samoela 5:2 - Baiboly Katolika2 Hatramin’ny nanjakan’i Saola mpanjaka taminay fahiny aza, dia tsy iza fa ianao no nitondra an’i Israely nivoaka sy niditra. Ary i Iaveh nilaza taminao nanao hoe: Ianao no hamahana an’i Israely oloko, ianao no ho andriamanitr’i Israely.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20112 Fa hatry ny fahiny koa aza, raha mbola nanjaka taminay i Saoly dia ianao no efa mpitarika ny Israely nandeha niady sy niverina avy any; ary NY TOMPO efa nilaza taminao hoe: Ianao no ho mpiandry ny Israely oloko, ianao no ho mpanapaka azy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA2 Fahiny, fony mbola nanjaka taminay aza i Saoly, dia ianao no mpitarika ny miaramilan’i Israely tamin’ny ady; ary ny TOMPO efa nilaza taminao hoe: «Ianao no hitondra ilay Israely vahoakako, ary ianao no ho filohany.» Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara2 Fahiny, fony mbola nanjaka taminay aza i Saoly, dia ianao no mpitarika ny miaramilan’i Israely tamin’ny ady; ary ny TOMPO efa nilaza taminao hoe: «Ianao no hitondra ilay Israely vahoakako, ary ianao no ho filohany.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy2 Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia hianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary hianao no ho mpanapaka azy. Jereo ny tokoMalagasy Bible2 Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy. Jereo ny toko |