2Samoela 4:4 - Baiboly Katolika4 I Jônatasy zanak’i Saola, dia nanan-janaka malemy tongo-droa. Dimy taona io zaza io, no tonga avy any Jezraela, ny filazana ny amin’i Saola sy i Jônatasy hoe maty, ka nentin’ny mpitaiza azy nandositra izy; noho ny firotorotoan’izy io loatra teny am-pandosirana anefa dia potraka ny zaza ka nalemy tongotra. Mifibôseta no anarany Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20114 Nanan-janakalahy malemy tongotra i Jonatana, zanak’i Saoly. Dimy taona izy fony tonga avy tany Jezirela ny filazana ny nahafatesan’i Saoly sy i Jonatana; ary noentin’ny mpitaiza azy nandositra izy; ary raha noentiny nandositra tamin’ny fahatairana izy dia nianjera ka tonga malemy tongotra; i Mefiboseta no anarany. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA4 I Jônatàna zanakalahin’i Saoly koa dia nanan-janakalahy izay nalemy ny tongony roa. Dimy taona izy raha tonga tany Jizrehela ny vaovao momba ny nahafatesan’i Saoly sy i Jônatàna. Nentin’ny mpitaiza azy nitsoaka izy; kanjo noho ny fahamaikana dia nianjera teny am-pandosirana ilay zaza, ka tonga nalemy ny tongony. Mefibôseta no anarany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara4 I Jônatàna zanakalahin’i Saoly koa dia nanan-janakalahy izay nalemy ny tongony roa. Dimy taona izy raha tonga tany Jizrehela ny vaovao momba ny nahafatesan’i Saoly sy i Jônatàna. Nentin’ny mpitaiza azy nitsoaka izy; kanjo noho ny fahamaikana dia nianjera teny am-pandosirana ilay zaza, ka tonga nalemy ny tongony. Mefibôseta no anarany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy4 Ary Jonatana, zanak’i Saoly, nanan-janakalahy malemy tongotra. Dimy taona izy, fony tonga avy tany Jezirela ny filazana ny amin’i Saoly sy Jonatana; ary nentin’ny mpitaiza azy nandositra izy; ary raha nentiny nandositra tamin’ny fahatairana izy, dia nianjera ka tonga malemy tongotra, Mefiboseta no anarany. Jereo ny tokoMalagasy Bible4 Ary Jonatana, zanak'i Saoly, nanan-janakalahy malemy tongotra. Dimy taona izy, fony tonga avy tany Jezirela ny filazana ny amin'i Saoly sy Jonatana; ary nentin'ny mpitaiza azy nandositra izy; ary raha nentiny nandositra tamin'ny fahatairana izy, dia nianjera ka tonga malemy tongotra, Mefiboseta no anarany. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache4 Nanan-janakalahy malemy tongotra i Jonatana, zanak’i Saoly. Dimy taona izy fony tonga avy tany Jezirela ny filazana ny nahafatesan’i Saoly sy i Jonatana; ary noentin’ny mpitaiza azy nandositra izy; ary raha noentiny nandositra tamin’ny fahatairana izy dia nianjera ka tonga malemy tongotra; i Mefiboseta no anarany. Jereo ny toko |