Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Samoela 2:4 - Baiboly Katolika

4 Dia tonga ny lehilahy amin’ny Jodà ka tao no nanosorany an’i Davida ho mpanjaka amin’ny fokon’i Jodà. Nisy nilaza tamin’i Davida fa ny olona any Jabesa any Galaada, no nandevina an’i Saola.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Dia avy ny lehilahin’ny Joda ka nanosotra an’i Davida tao mba ho mpanjaka amin’ny taranak’i Joda. Ary nisy nanambara tamin’i Davida hoe: Ny olona any Jabesy-Gileada no nandevina an’i Saoly.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Ary tonga tao ny vahoakan’i Joda, ka nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Joda. Nisy nanambara tamin’i Davida fa ny mponin’i Jabesa any Gilehada no nandevina an’i Saoly;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ary tonga tao ny vahoakan’i Joda, ka nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Joda. Nisy nanambara tamin’i Davida fa ny mponin’i Jabesa any Gilehada no nandevina an’i Saoly;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary dia avy ny lehilahy amin’ny Joda ka nanosotra an’i Davida tao mba ho mpanjaka amin’ny taranak’i Joda. Ary nisy nanambara tamin’i Davida hoe: Ny olona any Jabesi-gileada no nandevina an’i Saoly.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary dia avy ny lehilahy amin'ny Joda ka nanosotra an'i Davida tao mba ho mpanjaka amin'ny taranak'i Joda. Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Ny olona any Jabesi-gileada no nandevina an'i Saoly.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 2:4
16 Rohy Ifampitohizana  

Efa maty tamin’ny ady anefa i Absalôma izay nohosorantsika hanjaka amintsika. Ka ahoana ange ity ianareo no tsy miteny amin’ny hampodiana ny mpanjaka akory?»


Fa indreto tonga teo amin’ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin’i Israely, ka nanao taminy hoe: «Ahoana no nangalaran’ny lehilahy amin’i Jodà, rahalahinay, anao; ka nitondrany ny mpanjaka sy ny ankohonany mbamin’ny olona rehetra nomba an’i Davida nita an’i Jordany?»


Ary fito taona sy enim-bolana no andro nanjakan’i Davida tao Hebrôna tamin’ny fokon’i Jodà.


Ary amin’izao hankeherezina anie ny tananareo, ka ho lehilahy mahery ianareo! Fa maty izay i Saola tomponareo, ary izaho no natsangan’ny fokon’i Jodà ho mpanjakany.»


Nampandrenesina an’i Davida izany nataon-dResfà zanak’i Aià, vaditsindranon’i Saola izany,


ka lasa i Davida naka ny taolan’i Saola sy ny taolan’i Jônatasy zanany, tany amin’ny mponina tao Jabesa any Galaada, izay nanala azy tao amin’ny kianjan’i Betsàna, fony izy nahanton’ny Filistinina tao, nony avy nandresy an’i Saola tao Jelbôe ny Filistinina.


Ren’ny Filistinina fa hoe nohosorana ho mpanjakan’i Israely i Davida ka niakatra nitady an’i Davida ny Filistinina rehetra. Nahare izany i Davida, ka nidina nankao amin’ny toerana mimanda.


Ary samy tonga tany amin’ny mpanjaka tany Hebrôna avokoa ny loholon’i Israely, ka dia nanao fanekem-pihavanana tamin’izy ireo tany, teo anatrehan’i Iaveh, i Davida mpanjaka; ary nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely izy ireo.


Tao Hebrôna izy nanjaka tamin’i Jodà fito taona sy enim-bolana, ary tao Jerosalema nanjaka tamin’i Jodà sy i Israely rehetra 33 taona.


Naroson’ny mpisorona ny zanaky ny mpanjaka, ka nataony teo aminy ny diadema sy ny vavolombelona. Natsangany ho mpanjaka izy, ary nohosorany, ka sady nitehaka ny olona no niantso hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»


Nony nandre izay rehetra nataon’ny Filistinina tamin’i Saola ny tany Jabesa any Galaada rehetra,


Dia tonga teo amin’ny mpanjaka, tany Hebrôna, ny loholon’i Israely rehetra, ary i Davida nanao fanekena tamin’izy ireo, teo anatrehan’i Iaveh, tany Hebrôna, ary izy ireo nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely, araka ny tenin’i Iaveh, notononin’i Samoela.


Izao no isan’ny lehiben’ny lehilahy hary fiadiana hoenti-miady, tonga nanatona an’i Davida, tany Hebrôna, mba hamindra ny fanjakan’i Saola aminy araka ny didin’i Iaveh:


Dia noraisin’i Samoela ny tandroka nisy diloilo, ka nohosorany teo afovoan’ny rahalahiny io; ary hatramin’izany andro izany sy tamin’ny andro manaraka, dia niditra tamin’i Davida ny Fanahin’i Iaveh. Dia niainga i Samoela nankany Ramata.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra