Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Samoela 2:5 - Baiboly Katolika

5 Ka dia nandefa iraka ho any amin’ny olona any Jabesa any Galaada i Davida hilaza aminy hoe: «Hotahin’i Iaveh anie ianareo, noho ny nanefanareo izany adidim-pitiavana izany amin’i Saola tomponareo, dia tamin’ny nandevenanareo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia nandefa iraka hankany amin’ny mponina any Jabesy-Gileada i Davida hilaza aminy hoe: Hotahin’NY TOMPO anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin’i Saoly tomponareo tamin’ny nandevenanareo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 dia nandefa iraka hankany amin’ny mponin’i Jabesa izy hilaza hoe: «Hitahy anareo anie ny TOMPO noho izao mari-pitiavana nasehonareo tamin’ny nandevenanareo an’i Saoly tomponareo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 dia nandefa iraka hankany amin’ny mponin’i Jabesa izy hilaza hoe: «Hitahy anareo anie ny TOMPO noho izao mari-pitiavana nasehonareo tamin’ny nandevenanareo an’i Saoly tomponareo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary Davida dia naniraka olona hankany amin’ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin’i Jehovah anie hianareo noho ny soa nataonareo tamin’i Saoly tomponareo tamin’ny nandevenanareo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary Davida dia naniraka olona hankany amin'ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin'i Saoly tomponareo tamin'ny nandevenanareo azy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 2:5
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitso-drano an’i Abrama izy nanao hoe: «Hanisy soa an’i Abrama anie Andriamanitra avo indrindra Izay nahary ny lanitra sy ny tany.


Fa hoy i Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sôdôma: «Izaho efa nanangan-tanana tamin’i Iaveh Andriamanitra avo indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,


Vao omaly no omaly ianao no tonga, ka anio sahady ve dia hoentiko hiara-majenjena aminay, nefa izaho aza ity tsy mahalala izay tany halehako akory? Koa miverena ianao, ary ento miaraka aminao koa ireo rahalahinao, fa ho aminao anie ny fahasoavana amam-pahamarinan’i Iaveh!»


ka lasa i Davida naka ny taolan’i Saola sy ny taolan’i Jônatasy zanany, tany amin’ny mponina tao Jabesa any Galaada, izay nanala azy tao amin’ny kianjan’i Betsàna, fony izy nahanton’ny Filistinina tao, nony avy nandresy an’i Saola tao Jelbôe ny Filistinina.


Hitahy anareo anie i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany!


Dia hoy izy roa lahy taminy: «Raha tsy ambaranao izao raharahanay izao dia aoka ho faty ho anareo izahay; ary rehefa omen’i Iaveh anay ny tany dia famindram-po amam-pahamarinana no hataonay aminao.»


Dia hoy izy: «Moa misy, na dia anankiray aza, amin’ny fokon’i Israely, tsy mba niakatra nankany amin’i Iaveh tany Masfà? Ary indro, ny tamin’i Jabesy any Galaada, no tsy mba nisy tonga tao an-toby amin’ny fiangonana.»


Ary hoy i Nôemì tamin’ireto vinantony roa vavy: «Andeha samy mody any an-tranon-dreninareo avy ianareo. Enga anie ka hanao soa anareo i Iaveh toraky ny efa nataonareo tamin’ireo maty sy tamiko koa.


Ary hoy i Nôemì tamin’ity vinantony: «Hambinin’i Iaveh anie izy; fa tsy mitsahatra miantra ny velona, toy ny efa nataony tamin’ireo maty ihany koa.» Hoy i Nôemì taminy: «Havantsika akaiky io lehilahy io, sady anisan’izay mahazo manavotra antsika koa.»


Dia hoy izy: «Hohasoavin’i Iaveh anie ianao, anaka, fa mihoatra noho ny voalohany ny fitiavanao farany, satria tsy mba nitady izay hoe tanora ianao, na manan-karena izany, na mahantra.


Ary i Naasy Amônita niakatra dia nitoby teo anoloan’i Jabesy any Galaada. Ka hoy ny mponina rehetra tany Jabesy tamin’i Naasy: «Manaova fanekem-pihavanana aminay dia hanompo anao izahay.»


Dia hoy izy tamin’iretsy iraka tonga: «Lazao amin’ny olona any Jabesy any Galaada fa rahampitso ilay efa mahery iny ny andro dia hahazo famonjena ianareo.» Nambaran’ny iraka tamin’ny olona tany Jabesy izany, ka feno hafaliana izy ireo.


Dia nankany amin’i Saola i Samoela, ka hoy i Saola taminy: «Hotahin’i Iaveh anie ianao! Efa tanteraka ny tenin’i Iaveh».


Dia hoy i Saola: «Hotahin’i Iaveh anie ianareo noho izao famindram-ponareo amiko izao.


Nasehonao ny hatsaram-ponao amiko androany fa nanolotra ahy eo an-tananao i Iaveh, nefa ianao kosa tsy nahafaty ahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra