Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Korintiana 7:12 - Baiboly Katolika

12 Ary izao no ambarako amin’ireo sisa, izaho anefa fa tsy ny Tompo: Raha misy havana iray finoana manam-bady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy handroaka ny vadiny izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Fa amin’ny sisa dia hoy aho fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manambady tsy mino ary manaiky hitoetra aminy ihany ny vavy dia aoka tsy hisaraka aminy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Ary amin’ireo sisa dia izao no teniko (izaho fa tsy ny Tompo): raha misy lehilahy kristianina manambady vehivavy tsy mpino, ka te hiara-mitoetra aminy ravehivavy, dia aoka izy tsy hanary an-dravehivavy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ary amin’ireo sisa dia izao no teniko (izaho fa tsy ny Tompo): raha misy lehilahy kristianina manambady vehivavy tsy mpino, ka te hiara-mitoetra aminy ravehivavy, dia aoka izy tsy hanary an-dravehivavy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Fa amin’ny sisa, dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Fa amin'ny sisa, dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




1Korintiana 7:12
8 Rohy Ifampitohizana  

ary raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady izy, na hody amin’ny lahy; toy izany koa ny lahy: aoka tsy handroaka ny vavy izy.


ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy handroaka ny vadiny izy;


Ny amin’ny virjiny, dia tsy nahazo didy avy amin’ny Tompo aho, fa manoro hevitra toy ny olona nahazo fahasoavana tamin’ny Tompo mba ho azo itokiana.


Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manana va ianao? Aza mitady vady.


tsy mandidy anefa aho milaza izany, fa mamela malalaka.


Eny, izao holazaiko izao, dia tsy araka ny Tompo no ilazako azy, fa hoatra ny adala aho amin’izao fahasahiako mirehareha izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra