Dia horavanareo ny alitarany, hotorotoroinareo ny tsangambaton-tsampiny, hodoranareo amin’ny afo ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo ka hofoananareo tsy ho eo amin’izany toerana izany intsony ny anarany.
Hampitovianareo amin’iza moa Aho, ary amin’iza no hanoharanareo Ahy? Iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany Amiko? Mandraraka volamena avy ao an-kitapo izy sady mandanja volafotsy amin’ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra hiankohofany sy hivavahany. Dia batainy iny ka entiny eny an-tsorony ary apetrany eo amin’ny fitoerany. Tsy mahay miala eo amin’ny fitoerany iny! Na dia misy mitaraina aminy aza dia tsy mahay mamaly izy na mahavonjy azy amin’ny fahoriany.
Taloha, fony mbola tsy nahalala an’Andriamanitra ianareo dia nanompo izay andriamanitra tsy izy.
Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo ka hivily hanompo andriamanitra hafa sy hiankohoka eo anatrehany;
Tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo ka aza manonona izay anaran’andriamanitra hafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin’ny vavanao izany.
Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, ary ny voninahitr’Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany sary maneho ny olombelona mety lo sy ny vorona mbamin’ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavamananaina mandady sy mikisaka.
Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamanitra hafa ianao; fa NY TOMPO dia saro-piaro, izany rahateo no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy.
Tsia, fa izay zavatra atolotry ny Jentilisa ho fanatitra dia atolony ho an’ny demonia fa tsy ho an’Andriamanitra (Deo 32.17); koa tsy tiako ho mpiombona amin’ny demonia ianareo. Tsy afaka sady hisotro amin’ny kapoaky ny Tompo ianareo no hisotro amin’ny kapoaky ny demonia; tsy afaka sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo ianareo no sady hihinana amin’ny latabatry ny demonia.
Volafotsy sy volamena ny sampin’ireny, asa nataon’ny tanan’olombelona. Manam-bava izy nefa tsy miteny; mana-maso izy nefa tsy mahita; manan-tsofina izy nefa tsy mandre; manana orona izy nefa tsy manimbolo; manan-tanana izy nefa tsy mandray; manan-tongotra izy nefa tsy mandeha ary tsy mahaloa-peo ny tendany.
Ary tsy mahagaga izany, fa i Satana aza dia mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava. Koa tsy dia zava-dehibe ho an’ny mpanompony ny mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana. Nefa ny fiafaran’izy ireo dia ho araka ny asany ihany.
Ary na tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena natsanganao dia tsy hivavahanay.
Aza manana andriamanitra hafa fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra, na izay mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy; fa Izaho, TOMPO Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy,
Mitandrema ianareo, fandrao manadino ny faneken’NY TOMPO Andriamanitrareo izay nataony taminareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny zavatra rehetra izay nandraran’NY TOMPO Andriamanitrao anao. Fa NY TOMPO Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy.
Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy mirehareha ny amin’ny andriamanitra tsy izy. Miankohofa eo anoloan’NY TOMPO ianareo andriamanitra rehetra.
Izaho no TOMPO, izany no anarako, koa ny voninahitro dia tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.
Ny sampin’ny Jentilisa dia volafotsy sy volamena, izay asa nataon’ny tanan’olombelona. Manam-bava izy nefa tsy miteny; mana-maso izy nefa tsy mahita; manan-tsofina izy nefa tsy mandre ary tsy misy fofonaina ao am-bavany. Ho tahaka azy izay manao azy sy izay rehetra matoky azy.
Efa kentrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; menatra ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin’ny sarin-javatra voasokitra; fa fitaka ny sarin-javatra voarendrika satria tsy misy fofonaina ao aminy. Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; amin’ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
Mivoria ka avia ary miaraha manatona, ianareo Jentilisa sisa afaka! Tsy manam-pahalalana ireo izay mitondra ny hazo natao sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin’izay andriamanitra tsy mahavonjy.
Fa ny fanaon’ny firenen-kafa dia zava-poana; hazo nokapaina tany an’ala ireny, asan-tanan’ny mpahay taozavatra amin’ny famaky; volafotsy sy volamena no andravahany azy ary fantsika sy maritoa no entiny manamafy azy mba tsy hihetsiketsehany. Toy ny tsangankazo voaravaka izy fa tsy mahateny, entina foana izy fa tsy mba afa-mandeha; ary aza matahotra azy fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.
Inona moa no ilàna ny sarin-javatra voasokitra, no misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra voarendrika sy ny mpampianatra lainga, no matoky azy izay namorona azy ka manao sampy moana aminy?
Eny, maty i Saoly noho ny nivadihany tamin’NY TOMPO, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’NY TOMPO sy noho ny nakany saina tamin’izay mpila hevitra amin’ny maty ary noho ny tsy nanontaniany tamin’NY TOMPO; dia novonoiny izy ary nafindrany ho an’i Davida, zanak’i Jese, ny fanjakana.
Ary ny zanany dia nampamakivakiny ny afo sady nanandro no nanao sikidy izy ary naka ny mpiantso ny fanahin’ny maty sy ny mpanandro; eny, tsy nitsahatra nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy ka nahatezitra Azy.
Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra sy ny tsangambaton-tsampinao ka tsy hiankohoka eo anatrehan’ny asan’ny tananao intsony ianao.
Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zanany lahy na ny zanany vavy hamakivaky afo, na mpisikidy, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpitahiry ody, na manao azy ho masim-bava, na mpanadina amin’ny olona izay mpiantso ny fanahin’ny maty, na mpisikidy, na mpila hevitra amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO izay rehetra manao ireo zavatra ireo, ary izany fahavetavetana izany no androahan’NY TOMPO Andriamanitrao azy eo anoloanao.
Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ny sikidinao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely! Angamba hahazo soa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao! Sasatra noho ny hamaroan’ny hevitrao ianao; ankehitriny, aoka hitsangana ka hamonjy anao ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao. Indro fa ho tahaka ny mololo ireo: Ho main’ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin’ny herin’ny lelafo; tsy misy vainafo hamindroana akory; eny, fa na afo hitaninana aza.
Ary na lehilahy na vehivavy no miantso ny fanahin’ny maty na ny mpanandro dia hovonoina ho faty; hitora-bato azy ny olona ary ny rany dia ho aminy ihany.
Ny olona izay mivily hanaraka izay mpiantso ny fanahin’ny maty na izay mpanandro ka hijangajanga hanaraka azy dia hifanandrina aminy ny tavako ka hesoriko tsy ho eo amin’ny fireneny izy.
Ary nampamakivakìny ny afo tao an-dohasahan’ny taranak’i Hinoma ny zanany no sady nanandro no nanao sikidy no nitana ody ary naka ireo izay milaza azy ho mpiantso ny fanahin’ny maty sy ny mpanandro; nahery nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO tokoa izy ka nampahatezitra Azy.
Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
Fa ny osa, ny tsy mino, ny vetaveta, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara. Izany no fahafatesana faharoa.
Fa any ivelany ny alika, ny mpanao ody ratsy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.
Aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpisikidinareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpilalao odinareo, izay miteny aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babilona ianareo.
Raha nandeha ho any amin’ilay toerana fivavahana izahay dia nisy mpanompovavy iray nanana fanahy ratsy milaza ny ho avin’ny olona, nifanena taminay, ary ny faminaniana nataony no nahazoan’ny tompony harena be. Nanaraka an’i Paoly sy izahay izy ka niantsoantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra izay manoro lalam-pamonjena ho anareo. Nandritra ny andro maro no nanaovany izany. Ary sosotra i Paoly, dia nitodika taminy ka niteny tamin’ilay fanahy hoe: Mandidy anao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy aho hiala aminy. Dia niala tamin’izany ora izany indrindra ny fanahy ratsy.
Aza mivily hanaraka izay mpiantso ny fanahin’ny maty na mitady saina amin’ny mpanandro hampahaloto anareo aminy: Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
Nony maraina dia nitebiteby izy ka nandefa iraka haka ny ombiasy rehetra tany Ejipta sy ny olon-kendriny rehetra. Nambaran’i Farao azy ireo ny nofiny, nefa tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin’i Farao.
Hoy i Saoly tamin’ny mpanompony: Itadiavo vehivavy mpanontany amin’ny maty aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy mpanontany amin’ny maty ao Eny-Dora. Dia nanova tarehy i Saoly ka niakanjo fitafiana hafa. Ary nandeha niaraka tamin’ny olona roa lahy izy ka tonga tao amin-dRavehivavy nony alina. Hoy izy: Miangavy anao aho, manaova sikidy ho ahy hiantso fanahin’ny maty iray ka ampiakaro ho eto amiko izay hotononiko aminao. Hoy Ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon’i Saoly tamin’ny namongorany ny mpanontany amin’ny maty sy ny mpanandro hiala amin’ny tany; koa nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?
Raha miala amin’ny olona ny fanahy maloto dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, nefa tsy mahita. Dia hoy izy: Hody any amin’ny tranoko izay nialako aho; ary nony tonga izy dia hitany fa foana ny trano sady efa voafafa no voalamina. Ary mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa izay ratsy noho izy miaraka aminy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny fiafaran’izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Dia tahaka izany koa no ho amin’ity taranaka ratsy fanahy ity.
Mila saina amin’ny tapa-kazony ny oloko ary ny tehiny no miteny aminy; fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy; mijangajanga izy ka manalavitra an’Andriamaniny.
Maro tamin’ireo izay nino no tonga ka niaiky sy nilaza ny fanao ratsiny. Maro koa ny mpitahiry ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra; ary nony nosandaina ny vidiny dia tokony ho volafotsy dimy alina izany.
Tsy misy fisikidiana eo amin’i Jakoba ary tsy misy fanandroana eo amin’Israely. Fa amin’ny fotoanany no hilazana amin’i Jakoba sy Israely ny asa izay ataon’NY TOMPO.
Manafoana ny fambara lazain’ny mpibedibedy Aho ary mahavery saina ny mpisikidy; mampihemotra ny olon-kendry Aho ka mampody ny fahalalany ho fahadalana.
ary ny fahazavan’ny jiro dia tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon’ny mpampakatra sy ny ampakarina dia tsy ho re eo aminao intsony satria ny mpivaro-mandeha teo aminao no lehiben’ny tany ary ny ody ratsinao no noentinao namitaka ny firenena rehetra;
Nefa ny olona sisa izay tsy matin’ireo loza ireo, dia tsy nibebaka niala tamin’ny asan’ny tanany; tsy nitsahatra nivavaka tamin’ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahita, na mahare, na afa-mamindra, izy; tsy nibebaka tamin’ny namonoany olona izy, na tamin’ny nanaovany ody ratsy, na tamin’ny fijangajangany, na tamin’ny halatra nataony.
Fa efa nanary ny taranak’i Jakoba olonao Ianao satria feno ny fanaon’ny avy any atsinanana izay mpanandro tahaka ny Filistina izy sady nanao fanekena tamin’ny zana-bahiny;
Fa ny terafima dia niteny zava-poana ary ny mpisikidy nahita fahitana mandainga ka nilaza nofy lainga, Foana ny fampiononana nataony. Koa izany no naniasiavany toy ny ondry; ory izy, satria tsy misy mpiandry.
Dia hoy NY TOMPO tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin’ny anarako; tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinontsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo.
Nampandeha ny zanany lahy sy ny zanany vavy hamakivaky ny afo izy sady nanao ody sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ka nahatezitra Azy.
Ny mpaminaniny dia mandalotra azy amin’ny rihitra tsy madity ka mahita zava-poana sy maminany lainga aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra! Nefa NY TOMPO tsy niteny tsinona.
Miomàna ka mandrosoa eo ankavanana ianao, mijoroa ka mandrosoa eo ankavia, amin’izay voatendry hamelezanao na aiza na aiza!
Mahita zava-poana sy faminaniana tsy marina ireo izay milaza hoe: Hoy NY TOMPO, nefa tsy nirahin’NY TOMPO izy tsinona, nefa manantena fa ho to ny teniny. Moa tsy fahitana tsy izy no hitanareo ary faminaniana lainga no lazainareo, raha milaza ianareo hoe: Hoy NY TOMPO! Kanefa tsy nilaza izany Aho tsinona? Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria ny teninareo dia anoano foana, ary ny fahitanareo dia lainga fotsiny dia indro, hamely anareo Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan’ny mpanolotsainan’ny oloko na ho voasoratra amin’ny bokin’ny taranak’Israely izy sady tsy hiditra ao amin’ny tanin’ny Israely; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitra.
Fa ny fikomiana dia toy ny heloka amin’ny fanaovana sikidy, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin’NY TOMPO ianao dia nolaviny tsy ho mpanjaka.
Hoy i Saoly tamin’ny mpanompony: Itadiavo vehivavy mpanontany amin’ny maty aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy mpanontany amin’ny maty ao Eny-Dora.
ary tandremo sao miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin’ny lanitra, ka ho voataona hiankohoka eo anatrehany sy hanompo azy, kanefa nataon’NY TOMPO Andriamanitrao ho anjaran’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra ireny.
Nesorin’i Josia koa ny mpiantso ny fanahin’ny maty, ny mpanandro, ny terafima, ny sampy ary ny fahavetavetana rehetra izay hita tany amin’ny tany Joda sy tany Jerosalema, mba hanatanterahana ny tenin’ny lalàna voasoratra ao amin’ilay boky hitan’i Hilkia mpisorona tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Izao no lazain’NY TOMPO, Mpanjakan’ny Israely, Mpanavotra azy, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Izaho no voalohany ary Izaho no farany, koa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
namono zavatra ho fanatitra ho an’ny demonia izay tsy Andriamanitra izy dia andriamanitra tsy fantany, fa andriamanitra vao niseho tatỳ aoriana izay tsy natahoran’ny razanareo.
Eny, maty i Saoly noho ny nivadihany tamin’NY TOMPO, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’NY TOMPO sy noho ny nakany saina tamin’izay mpila hevitra amin’ny maty
Ento any i Sikota mpanjakanareo sy i Kiona sampinareo dia ny kintan’ny andriamanitrareo izay nataonareo ho anareo!
ny lehilahy mahery fo sy ny mpiady, ny mpitsara sy ny mpaminany, ny mpisikidy sy ny loholona, ny satroka, ny rojo parapaingo, ny fehikibo misy haingony, ny fitoeran-dranomanitra, ny ody fiambozonany, ny peratra, ny kavin’orona, ny akanjo fihaingoana, ny akanjobe fanao ivelany, ny salotra, ny poketra, ny fitaratra, ny atin’akanjo, ny fehiloha ary ny lamba fisaronana. Hosoloana zavatra maimbo ny ranomanitra; hosoloana mahazaka ny fehikibo tsara; hosoloana loha sola ny volo voavoatra tsara; hosoloana akanjo fisaonana ny akanjo mirebareba ary hosoloana marika amin’ny vy mahamay ny hatsaran-tarehy. Ho lavon-tsabatra ny lehilahy ao aminao ary ho faty an’ady ny lehilahy mahery fo ao aminao ka hitomany sy hisaona ny vavahadiny; ho foana ny tanàna ka hitorovoka amin’ny tany. ny mpifehy dimampolo sy ny manankaja, ny mpanolotsaina sy ny mpahay taozavatra ary ny mahay ny boredirediky ny mpitana ody.
Ringana ny oloko noho ny tsy fisian’ny fahalalana. Satria nandà ny fahalalana ianao, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; nanadino ny lalànan’Andriamanitrao ianao, ka mba hohadinoiko kosa ny zanakao.
Raha misy hita manao izay ratsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao ny ao aminao ao an-tanànanao, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy ka mivadika ny fanekeny mba tsy hiavonavonan’ny fony amin’ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin’ny lalàna, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, mba ho maro andro amin’ny fanjakany eo amin’ny Israely izy sy ny taranany. ary lasa mandeha manompo andriamanitra hafa sy mivavaka aminy, na amin’ny masoandro, na amin’ny volana, na amin’ny kintana eny amin’ny lanitra, araka izay zavatra efa nandrarako azy ka voalaza aminao sy renao izany, dia diniho tsara; koa raha nisy marina tokoa izany zavatra izany ka natao teo amin’ny Israely io fahavetavetana io dia avoahy ho eo am-bavahadinao izay lehilahy na vehivavy efa nanao izany zava-dratsy izany, ary torahy vato ho faty.
Efa maty i Samoela, ary ny Israely rehetra dia nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, tao an-tanànany. Efa noroahin’i Saoly hiala amin’ny tany koa izay mpanontany amin’ny maty sy izay mpanandro.
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Aza mety hofitahin’ny mpaminaninareo sy ny mpisikidinareo izay ao aminareo, ary aza mino ny nofinareo izay nofisinareo.
Raha misy milaza aminareo hoe: Makà saina amin’ny olona izay mpiantso ny fanahin’ny maty sy ny mpanandro, izay mingonongonona sy miboredidredika! Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ny olona saina? Moa hila saina amin’ny maty ho an’ny velona va izy? Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia i Oria mpisorona sy i Zakaria, zanakalahin’i Jeberekia. Ho amin’ny lalàna sy ny teny vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy dia ho olona izay tsy hiposahan’ny fahazavan’ny maraina.
Kanjo hanjo anao tampoka ireto zavatra roa ireto, ao anatin’ny indray andro monja, dia ny fahafoanan’anaka sy ny maha mpitondratena; hotanterahina aminao avokoa izany na dia maro aza ny sikidinao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
Nefa nampiantsoan’i Farao ny olon-kendry sy ny mpanao ody; ary ireo ombiasin’i Ejipta ireo dia mba nanao toy izany koa tamin’ny sikidiny. Dia samy nanipy ny tehiny avy izy ireo ka tonga menarana ireny. Nefa natelin’ny tehin’i Arona ny tehin’ireo.
Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpisikidy; fa ianao kosa dia tsy navelan’NY TOMPO Andriamanitrao hanao izany.
Maro koa ny mpitahiry ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra; ary nony nosandaina ny vidiny dia tokony ho volafotsy dimy alina izany.
Mitsahara fa aza mitoky amin’ny olombelona, fofonaina ihany no eo am-bavorony, koa zinona moa izy?
Natsahany koa ny mpisorona tamin’ny andriamanitra tsy izy izay notendren’ny mpanjakan’ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin’ireny toerana fanaovana sorona tany amin’ny tanànan’i Joda sy tamin’ny manodidina an’i Jerosalema sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an’ny Baala sy ny masoandro ary ny volana sy ny antokon’ny kintana eny amin’ny habakabaka mbamin’izay rehetra eny amin’ny lanitra.
Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo ka araho; aza ampianao na anesoranao ireny. fa vonoy ho faty izy; ny tananao no hamono azy voalohany, izay vao ny tanan’ny vahoaka rehetra. Torahy vato izy ho faty, satria efa nitady hitaona anao hiala amin’NY TOMPO Andriamanitrao izay nitondra anao niala avy tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana. Ary handre izany ny Israely rehetra dia hatahotra ka tsy hanao ratsy eo aminao toy izany intsony. Raha mandre teny ny amin’ny tanànanao iray izay nomen’NY TOMPO Andriamanitrao honenanao ianao hoe: Nisy olona tena ratsy fanahy avy teo aminao ka nitaona ny mponina tao an-tanànany hoe: Andeha isika hanompo andriamanitra hafa izay tsy fantatrareo, dia hadihadio sy fotory ary adino tsara. Koa raha fantatra fa nisy marina tokoa izany zavatra izany ka natao teo aminao izany fahavetavetana izany dia asio amin’ny lelan-tsabatra mihitsy ny mponina amin’io tanàna io ka ataovy ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra eo aminy, ary ny biby fiompy dia aringano amin’ny lelan-tsabatra ihany koa. Ary angony eo afovoan’ny kianja ny entana nobaboina rehetra ka doroy amin’ny afo ho an’NY TOMPO Andriamanitrao avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra tao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony. Dia aoka tsy hisy hiraikitra amin’ny tananao akory ny zavatra efa natolotra ho zavatra voaozona, mba hitsaharan’NY TOMPO amin’ny fahatezerany mirehitra ka hamindrany fo aminao sy hiantrany anao, ary hanamaroany anao araka izay nianianany tamin’ny razanao, raha henoinao ny feon’NY TOMPO Andriamanitrao ka tandremanao ny didiny rehetra izay omeko anao anio, mba hanaovanao izay mahitsy eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao. Raha toa ka misy mpaminany na mpanonofy mitsangana eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao sady miteny hoe: Andeha isika hanaraka andriamanitra hafa izay tsy fantatrao ka aoka hanompo azy isika; na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao dia aza mihaino ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo NY TOMPO Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin’ny fitiavana NY TOMPO Andriamanitrareo amin’ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo ianareo na tsia. Manaraha NY TOMPO Andriamanitrareo ka aoka Izy no hatahoranareo, ny didiny no hotandremanareo, ny feony no hohenoinareo ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
Namono ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho fanatitra ho an’ny demonia ireo; eny, nandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izy, dia ny ran’ny zanany lahy sy ny zanany vavy izay novonoiny ho fanatitra ho an’ny sampin’i Kanana; koa nandoto ny tany tamin’ny ra izy.
Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe: «Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary ho oloko izy» (Lev 26.11-12).
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hosimbako ny fonon-tanana nataonareo, izay entinareo hihaza ny ain’olona any toy ny fihaza voronkely. Eny, hotriariko hiala amin’ny sandrinareo izany ka halefako hanidina ny ain’ny olona izay nohazainareo toy ny fihaza voronkely.
Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin’ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao izany. Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho tonga zavatra voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany satria zavatra voaozona.
Raha mitaraina ianao dia aoka ireo sampinao no hamonjy anao, nefa hopaohin’ny rivotra avokoa ireo ary ho lasan’ny tsio-drivotra malemilemy aza. Fa izay mialoka Amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Mibebaha, dia mialà amin’ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, mialà aminy.
Koa vonoy izay momba ny tenanareo etỳ an-tany: Fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fitiavan-karena, izay fanompoan-tsampy.
dia hoy Aho taminy: Samia manary ny fahavetavetan’ny masonareo avy ianareo! Aza mandoto tena amin’ny sampin’i Ejipta! Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Nefa nikomy Tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan’ny masony na nahafoy ny sampin’i Ejipta izy ka hoy Aho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hanamparako ny fahatezerako eo amin’ny tany Ejipta izy.
ary mandoto tena amin’ny sampinareo rehetra mandraka androany amin’ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamakivaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak’Israely? Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
Fa na dia nahalala an’Andriamanitra aza izy dia tsy mba nankalaza Azy, araka izay mendrika ho an’Andriamanitra, sady tsy mba nisaotra Azy; fa tonga zava-poana izy tamin’ny fisainany ary nihamaizina ny fony donto. Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, ary ny voninahitr’Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany sary maneho ny olombelona mety lo sy ny vorona mbamin’ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavamananaina mandady sy mikisaka.
Fa milaza marina ny Fanahy fa amin’ny andro farany dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany ka hanaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia,
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao.
Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ny masoko aho; halako ny fanaon’ny mpivadika, tsy ho azon’izany aho.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka izay mankeo aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny izy dia amboadia ta hamiravira.
Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filozofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.
Fa mananatra anareo aho, ry rahalahy, mba hitandremanareo ny amin’izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana, tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ireny olona ireny. Fa izy ireny dia tsy mba manompo an’i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary amin’ny teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ny tsy ary saina.
Mahonòna tena, miambena. Fa ny devoly fahavalonareo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra manerana izao tontolo izao.
Tsy misy tsiny ny lalànan’NY TOMPO, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teny vavolombelon’NY TOMPO, mahahendry ny tso-po.
Raha tsy misy fahaiza-mitondra dia rava ny firenena, fa famonjena ny fahamaroan’ny mpanolotsaina.
Ary raha misy voataona ny mpaminany ka milaza zavatra dia Izaho TOMPO no nitaona izany mpaminany izany; hatsotrako aminy ny tanako ka hofongorako tsy ho eo amin’ny Israely oloko izy.
fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana,
Rehefa namakivaky ny nosy hatrany Pafo izy dia nahita Jiosy iray antsoina hoe Barjesosy, mpitahiry ody sady mpaminany sandoka, nipetraka tao amin’i Sergio Paolo; governoran’ny tany sady lehilahy marani-tsaina izy io; nampiantso an’i Barnabasy sy i Saoly hankao aminy izy satria naniry mba hahare ny tenin’Andriamanitra. Nefa i Elima, ilay mpitahiry ody, satria izany koa no anarany raha adika, dia nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.
Midìna ka mipetraha amin’ny vovoka ry Babilona, zanakavavy virijiny! Mipetraha eo amin’ny tany, nefa tsy amin’ny sezafiandrianana, ry zanakavavin’i Kaldea! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao. Fa nitoky tamin’ny faharatsianao ianao ka niteny hoe: Tsy misy mahita ahy! Nampivily anao ny fahendrenao sy ny fahalalanao ka niteny anakampo ianao hoe: Izaho no izy, tsy misy afa-tsy izaho. Kanjo hanjo anao ny fahoriana nefa tsy ho fantatrao izay fiposahany; hahazo anao ny loza nefa tsy ho hainao sakanana; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana nefa tsy hampoizinao. Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ny sikidinao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely! Angamba hahazo soa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao! Sasatra noho ny hamaroan’ny hevitrao ianao; ankehitriny, aoka hitsangana ka hamonjy anao ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao. Indro fa ho tahaka ny mololo ireo: Ho main’ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin’ny herin’ny lelafo; tsy misy vainafo hamindroana akory; eny, fa na afo hitaninana aza. Ho toy izany no hanjo ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin’ny fonenany avy izy ka tsy hisy hahavonjy anao! Alaivo ny vato fikosoham-bary ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny morontongotr’akanjonao; aoka hiseho ny fenao ka miroboha mita ny ony! Hiseho ny fitanjahanao; eny, ho hita ny fahamenaranao. Hitondra famaliana Aho ka tsy hisy olona hahasakana Ahy.
ka navelako hanaraka ny ditran’ny fony izy, handehanany manaraka ny fisainan’ny tenany. Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko ka handeha amin’ny lalako ny Israely!
koa rehefa ren’izany olona izany ny tenin’ity fanozonana ity dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hiteny hoe: Hanam-piadanana aho; eny, hanaraka ny ditran’ny foko ka hanampy fanalana hetaheta amin’ny fahamamoana.
Tsy mba niteny ny mpisorona hoe: Aiza NY TOMPO? Ary tsy nahalala Ahy ny mpitahiry ny lalàna; nanota Tamiko koa ny mpitondra, ary naminany tamin’ny anaran’ny Baala ny mpaminany ka nanaraka ireny tsy nahavita na inona na inona ireny.
Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: Fa voasoratra hoe: «NY TOMPO Andriamanitrao no hiankohofanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.» (Deo 6.13)
Aza mety hofitahina ianareo, ry rahalahy malalako: Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony, midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana izay tsy misy fiovaovana na aloky ny fivadihana.
Ry Galatiana adala, iza no namosavy anareo? Teo imasonareo indrindra anefa no nanehoana marimarina an’i Jesosy Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana.
Fa nony ren’ny Fariseo izany dia hoy izy ireo: Ilehity tsy mandroaka ny demonia afa-tsy amin’ny alalan’i Belzeboba, lohan’ny demonia. Ary Jesosy nahafantatra ny eritreriny dia niteny tamin’ireo hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. Raha i Satana no mandroaka an’i Satana dia miady an-trano izy; koa ahoana no haharetan’ny fanjakany? Ary raha amin’ny alalan’i Belzeboba no amoahako ny demonia, amin’ny alalan’iza kosa no mba androahan’ny zanakareo azy? Noho izany dia izy ireo ihany no ho mpitsara anareo.
Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo ka tsy hisy hampaninona anareo akory.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fitoeran-jiro izany mba ho fanazavana ho an’izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao izany.
Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly. Fa tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra isika fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fahefana ary amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.
Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Inona no ifanarahan’i Kristy sy i Beliala? Inona no ifandraisan’ny mino sy ny tsy mino? Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny nataon’Andriamanitra hoe: «Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary ho oloko izy» (Lev 26.11-12). «Koa mialà eo aminy ianareo ka misaraha aminy, hoy NY TOMPO; aza manendry izay zavatra tsy madio, ary Izaho handray anareo.
Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay Ratsy avokoa.
Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Raha sitraky NY TOMPO ny alehan’ny olona iray, na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.
Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Koa tsy tompon’ny tenanareo ianareo. Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy mendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va? Fa olom-boavidy ianareo, koa mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy. Izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.
Fa ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka kosa dia handroso hiharatsy kokoa; sady mamitaka izy no fitahina.
Manopy ny masoko eny amin’ny tendrombohitra aho; avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’NY TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Aza matoky ny mpanapaka, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy ka miverina ho amin’ny tany izy ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany. Sambatra izay manana an’Andriamanitr’i Jakoba ho Mpamonjy azy sady manantena NY TOMPO Andriamaniny
Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, na mamaly antsika araka ny helotsika. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantran’ny ray ny zanany no fiantran’NY TOMPO izay matahotra Azy. Fa Izy dia mahalala ny namolavolana antsika ka mahatsiaro fa vovoka isika. Tahaka ny ahitra ny andron’ny zanak’olombelona; tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny, satria tsofin’ny rivotra izy ka lasa ary tsy mahalala azy intsony ny toerany. Fa ny famindrampon’NY TOMPO dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy ary mihatra amin’ny taranaka ny fahamarinany, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro hankatò ny didiny. Efa nampitoetra ny sezafiandrianany any an-danitra NY TOMPO; ary manapaka izao rehetra izao ny fanjakany. Misaora NY TOMPO, ry fanahiko ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, Misaora NY TOMPO, ianareo anjeliny, dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny ary mihaino ny feon’ny teniny. Misaora NY TOMPO, ianareo miaramilany rehetra, dia ianareo mpanompony izay manao ny sitrapony. Misaora NY TOMPO, ianareo asany rehetra manerana ny fanjakany. Misaora NY TOMPO, ry fanahiko. izay mamela ny helokao rehetra, izay manasitrana ny aretinao rehetra, izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, izay manarona famindrampo sy fiantrana anao, izay mamoky zava-tsoa anao; mihavao toy ny an’ny voromahery ny fahatanoranao.
Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, ka miverina amin’NY TOMPO Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio, dia ny ho tia NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra Aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao, mba honenanao eo amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba razanao, homena azy.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
TOMPO ô, iza no tahaka Anao amin’izay andriamanitra? Iza no tahaka Anao, izay ankalazaina amin’ny fahamasinana, deraina amin’ny fahatahorana, ary mpanao fahagagana?
Raha tafiditra ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana dia hiaro anao ny fahaiza-mandinika, ary hiambina anao ny fahalalana ka hamonjy anao amin’ny lalan-dratsy sy amin’ny lehilahy miteny fitaka, amin’izay mahafoy ny lalana mahitsy ka mizotra ho amin’ny lalan’ny fahamaizinana, dia izay faly hanao ratsy sady mibitaka amin’ny fanaovam-pitaka, dia izay miolikolika lalana sy maniasia amin’ny alehany;
Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy. Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra! Hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no momba antsika, Andriamanitr’i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. Fiatoana Koa izany no tsy atahorantsika na dia mihovotrovotra aza ny tany, na dia mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra, na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. Fiatoana
NY TOMPO no Mpiandry ahy: Tsy misy zava-mahory ahy. Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy, mitondra ahy ho eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy. Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
Sambatra ny olona izay manana NY TOMPO ho tokiny ka tsy mivily ho naman’ny mpiavonavona na ny mpiampanga lainga! Nohamaroinao ny fahagagana sy ny hevitra izay nataonao ho anay, TOMPO Andriamanitro ô, tsy misy azo ampitahaina aminao; raha tiako hambara sy holazaina ireny dia indro, maro loatra ka tsy tambo isaina.
Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny.
TOMPO ô! Ianao no ialofako. Aoka tsy hitsanga-menatra akory aho mandrakizay! Afaho amin’ny fahamarinanao aho! Lanin’alahelo ny aiko sady lanim-pisentoana ny taonako; tsy manan-kery aho noho ny heloko ary efa lany ny taolako. Noho ny ataon’ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho na dia amin’ny mpiaramonina aza; atahoran’ny olom-pantatro aho ary mandositra ahy izay mahita ahy eny ivelany. Efa hadino any am-pon’ny olona tahaka ny olona maty aho, tahaka ny vilany fanary. Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; eny, fampihorohoroana manodidina. Raha miara-mioko hamely ahy izy dia miray tetika hahafaty ny aiko. Nefa matoky Anao aho, TOMPO ô! Hoy aho: Andriamanitro Ianao! Eo an-tananao ny androko; vonjeo aho tsy ho azon’ny tanan’ny fahavaloko sy izay manenjika ahy! Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin’ny famindramponao aho! Aoka tsy hitsanga-menatra aho, TOMPO ô, satria miantso Anao! Fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin’ny fitoeran’ny maty. Aoka hangina ny molotra mandainga izay miteny sahisahy manohitra ny marina amin’ny avonavona sy ny fanamavoana! Akory re ny haben’ny hatsaranao izay voarakitrao ho an’ny matahotra Anao, dia izay nataonao teo anatrehan’ny zanak’olombelona, no ho an’izay mialoka Aminao! Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hanafaka ahy! Aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Ianao mba hamonjena ahy! Hanafina azy ao amin’ny fierena eo anatrehanao Ianao mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ny olona izy; hampiery azy ao amin’ny tranonao Ianao mba tsy ho azon’ny lela miampanga izy. Isaorana anie NY TOMPO! Fa nataony mahagaga ny famindrampony tamiko tao an-tanàna mimanda. Fa hoy aho tamin’ny fahatairako: Voafongotra tsy ho eo imasonao aho! Kanjo nihaino ny feon’ny fifonako ihany Ianao raha nitaraina Taminao aho. Tiava NY TOMPO, ry olony masina rehetra! Miaro ny marina NY TOMPO fa mamaly mafy ny mpiavonavona kosa Izy. Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay miandry NY TOMPO. Fa harambatoko sy manda fiarovana ho ahy Ianao ary noho ny anaranao no hitondranao sy hitarihanao ahy.
Mitaraina ny marina ary mihaino azy NY TOMPO ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra; akaiky an’izay manana fo mangorakoraka NY TOMPO ary mamonjy izay torotoro fanahy. Maro ny fahorian’ny marina, nefa NY TOMPO manafaka azy amin’izany rehetra izany.
Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra NY TOMPO sady mankasitraka ny didiny indrindra. Hahita azy ny ratsy fanahy ka ho sosotra; hihidy vazana izy ka ho levona; ho foana ny fanirian’ny ratsy fanahy. Hahery ambonin’ny tany ny zanany; hotahina ny taranaky ny marina. Fananana sy harena no ao an-tranony; haharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina; ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’NY TOMPO sy fahamarinany avy Amiko, hoy NY TOMPO.
Tsy izany ihany anefa, fa mirehareha koa isika na dia amin’ny fahoriana aza satria fantatsika fa ny fahoriana dia mahatonga faharetana; ny faharetana dia mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ny fahatsaram-panahy voazaha toetra dia mahatonga fanantenana. Ary ny fanantenana dia tsy mba mahamenatra, satria ny fitiavan’Andriamanitra dia nampidinina ho ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay nomena antsika.
Ankino amin’NY TOMPO ny lalanao ary matokia Azy fa Izy no hanatanteraka. Hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
Manantenà NY TOMPO ianao! Matokia, ary aoka hahery ny fonao! Eny, manantenà NY TOMPO ianao!
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy ny loharanon’ny aina.
Noho izany indrindra, ry rahalahy, mazotoa kosa hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo. Fa raha manao izany zavatra izany ianareo dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay. Fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin’ny fanjakana mandrakizay izay an’i Jesosy Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika.
Ny anaran’NY TOMPO dia tilikambo mafy; ny marina mihazakazaka mankao aminy ka tsy misy mahakasika azy.
Indro, ny tanan’NY TOMPO tsy fohy fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana fa mahare. Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika; eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin’ny mitataovovonana tahaka ny amin’ny maizimaizina isika, ary ao anatin’ny hery sy tanjaka nefa tahaka ny maty. Mierona tahaka ny bera isika rehetra ary mitoloko tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika nefa tsy misy, ary miandry ny famonjena nefa lavitra antsika izany! Fa betsaka eo anatrehanao ny fikomianay ary miampanga anay ny fahotanay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay ary fantatray ny helokay: Fikomiana sy fandavana NY TOMPO, fialana amin’ny fanarahana an’Andriamanitray, teny mampahory sy fikomiana, famoronana sy famoahana teny lainga avy ao am-po. Mihemotra ny rariny ary mijanona eny lavitra eny ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana ary tsy mahazo miditra ny hitsim-po. Eny, tsy eo ny fahamarinana ary izay mifady ny ratsy dia manolo-tena hobaboin’ny sasany. Hitan’NY TOMPO ny tsy fisian’ny rariny ka tsy nankasitrahany izany. Eny, hitany fa tsy nisy olona na iray aza, ary talanjona Izy, satria tsy nisy mpanelanelana, koa ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy. Niakanjo fahamarinana tahaka ny fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ny lohany; niakanjo ny akanjo famaliana Izy; eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy. Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an’ny fahavalony ary famaliana ho an’ny rafiny; ny nosy dia hovaliany tokoa araka ny nataony avy. Hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’NY TOMPO ny olona ary ny voninahiny dia hatramin’ny fiposahan’ny masoandro; ny fiaviny dia ho toy ny rano maria, ampandehanin’ny Fanahin’NY TOMPO. Fa ny helokareo no mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo ka tsy mihaino Izy.
Fa ianao kosa, ry lehilahin’Andriamanitra, dia mandosira ireny zavatra ireny ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany koa no niantsoana anao sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro.
Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao ary fahendrena ao amin’ny miafina no ampahafantarinao ahy! Diovy amin’ny hisopa aho ho afa-pahotana dia hadio; sasao aho dia ho fotsy noho ny orampanala.
Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO, tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.
Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra izay mizara tsara ny tenin’ny fahamarinana.
Fa aoka ho mpankato ny teny ianareo fa aza mihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
koa tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko. Izay ivelomako ankehitriny ao amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.
Ianareo dia maty noho ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara izay nomanin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika amin’izany. Koa tsarovy fa fahiny ianareo dia Jentilisa araka ny nofo ka nolazain’ny voaforan-tanana teo amin’ny nofo hoe tsy voafora. Eny, tsy nanana an’i Kristy ianareo tamin’izany andro izany, fa olon-ko azy tamin’ny fanjakan’ny Israely ary vahiny tamin’ireo faneken’ny teny fikasana, tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao. Ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia tonga akaiky noho ny ran’i Kristy. Izy no fihavanantsika izay nahatonga antsika roa tonta ho iray ka nandrava ny efitry ny fisarahana: Tao amin’ny nofony no nandravany ny fifandrafiana. Nofoanany ny lalàna nisy didy natao hotandremana mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray ka nanaovany fihavanana, sady hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’Andriamanitra noho ny hazofijaliana izay namonoany ny fifandrafiana tao aminy. Tonga Izy nitory teny soa mahafaly nilaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana koa tamin’izay akaiky, satria Izy no ahafahantsika roa tonta manatona ny Ray amin’ny Fanahy iray. Koa tsy vahiny sy mpivahiny intsony ianareo fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra, izay niainanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny tsy mpankato. naorina teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany; ary Kristy Jesosy no vato fehizoro. Ao Aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo ho tempoly masina ao amin’ny Tompo; ao Aminy koa ianareo no miaraka aorina ho fonenan’Andriamanitra ao amin’ny Fanahy. Teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia voatendry ho amin’ny fahatezerana toy ny hafa koa isika. Andriamanitra anefa manankarena famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika, koa fony mbola maty noho ny fahadisoana isika dia novelominy niaraka tamin’i Kristy. Fahasoavana no namonjena anareo.
Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ny andro fanavotana.
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao, Fa ireny dia nanao izay hanitsiana antsika tamin’ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa mba handraisantsika ny fahamasinany. Fa ny fanitsiana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly amin’ny andro anaovana fa mampahory; nefa rehefa afaka izany, dia izay vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana sy ny fiadanana ho an’izay nanaovana azy izy. Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; ary manaova lala-mahitsy halehan’ny tongotrareo mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa fa mba hahasitrana azy kosa. Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra ary koa fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro; fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy na dia nitady izany fatratra tamin-dranomaso aza. Fa tsy zavatra azo tsapain-tanana no nohatoninareo, na afo mirehitra, na haizim-pito, na tafio-drivotra, na fanenon’ny trompetra na feon’ny teny, koa izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy; mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy.
Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azony atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.
Lalan’aina ho any ambony no alehan’ny hendry hanalavirany ny fitoeran’ny maty any ambany,
Ataon’ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany, fa NY TOMPO ihany no mpandanja ny fo.
Misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo ny iafarany dia lalana mivarina any amin’ny fahafatesana.
ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany. Izay ataony ao amin’ny miafina mantsy dia mahamenatra na dia ny milaza azy ihany aza.
Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy, izay manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina, izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!
Fa Izy no Andriamanitsika ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony hoe: Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba sy tahaka ny tamin’ny andro tao Masa, fony tany an-tany efitra,
Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin’ny tany; maminany lainga ny mpaminany, manapaka araka izay atoron’ireny ny mpisorona, ary mankasitraka izany ny oloko; koa hanao ahoana re ianareo amin’ny ho avy?
NY TOMPO no harambatoko sy manda fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy, Andriamanitro, vatolampy ialofako, ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
RY TOMPO Andriamanitray ô, Ianao no namaly ny nataony; Andriamanitra mamela ny helony Ianao, na dia namaly azy noho ny nataony aza. Asandrato NY TOMPO Andriamanitsika ary miankohofa eo an-tendrombohiny masina! Fa masina NY TOMPO Andriamanitsika!
Lozan’ny zaza maditra! Hoy NY TOMPO. Manao tetikasa izy nefa tsy avy Amiko izany, ary manao fanekena izy nefa tsy avy amin’ny Fanahiko, ka ota anampy ota izany!
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho amin’ny foto-tanan’ny olona rehetra, ary manao voaly antonona ny loha samihafa rehetra mba hihazanareo ny ain’ny olona! Ny ain’ny oloko dia hazainareo, nefa ny ainareo kosa velominareo!
Dia nandefa iraka tany amin’ny Zanak’Israely rehetra i Ahaba ka namory ny mpaminany ho any amin’ny tendrombohitra Karmela. Ary nanatona ny vahoaka rehetra i Elia ka niteny hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha NY TOMPO no Andriamanitra, manaraha Azy! Fa raha ny Baala kosa dia manaraha azy! Nefa tsy namaly azy ny olona na dia indraimbava aza.
Amin’izany andro izany, ny Israely sisa izay tsy ringana amin’ny taranak’i Jakoba, dia tsy hiankina amin’izay namely azy intsony; fa NY TOMPO, Iray Masin’ny Israely, ihany no hiankinany marina tokoa. Ary izay sisa amin’i Jakoba dia hiverina ho amin’Andriamanitra mahery. Fa na dia tahaka ny fasika any amin’ny ranomasina aza ny isan’ny Israely olonao dia izay sisa aminy ihany no hiverina. Efa tapa-kevitra ny handringana ny Tompo ka hampihatra ny famaliana marina.
fa miteny amin’ny mpahita izy hoe: Aza mahita! Ary amin’ny mpaminany hoe: Aza maminany zavatra marina aminay, manaova teny malefaka aminay, maminania fitaka!
Izay rehetra mandry amin’ny biby dia hovonoina ho faty. Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin’ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin’NY TOMPO ihany, dia ho voaozona. fa raha tratra amin’ny masoandro miposaka kosa izy dia hisy valin-dra ihany amin’izany. Hanonitra tokoa izy; ary raha tsy manana na inona na inona izy dia hamidy noho ny halatra nataony. Aza mampijaly ny vahiny na mampahory azy, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ihany ianareo.
Ho voaozona ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra voarendrika, izay fahavetavetana eo imason’NY TOMPO, asan’ny tanan’ny mpahay taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hoe: Amena.
nampahasaro-piaro Azy tamin’ny hafa izy ary tamin’ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy; namono zavatra ho fanatitra ho an’ny demonia izay tsy Andriamanitra izy dia andriamanitra tsy fantany, fa andriamanitra vao niseho tatỳ aoriana izay tsy natahoran’ny razanareo.
Fa ravao ny alitarany, poteho ny tsangambaton-tsampiny ary jinjao ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany. Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamanitra hafa ianao; fa NY TOMPO dia saro-piaro, izany rahateo no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy.
Ary rehefa voatolotry NY TOMPO Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao dia ataovy ho zavatra voaozona mihitsy izy ireny fa aza manao fanekena aminy na mamindra fo aminy.
Nanompo ny sampiny izy ka tonga fandrika ho azy izany. Namono ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho fanatitra ho an’ny demonia ireo; eny, nandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izy, dia ny ran’ny zanany lahy sy ny zanany vavy izay novonoiny ho fanatitra ho an’ny sampin’i Kanana; koa nandoto ny tany tamin’ny ra izy. Naloto tamin’ny asany izy ary nahatonga azy ho nijangajanga ny nataony.
firenena izay nahatezitra Ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eny amin’ny tanimboly, ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin’ny biriky; mipetraka any amin’ny fasana izy ary mitoetra mandritra ny alina any am-pierena sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron-kena maloto no ao amin’ny loviany.
Koa raha misy miteny aminareo hoe: Indro, atỳ Kristy, na: Indro, arỳ Izy, aza mino izany ianareo. Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azony atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. Indro, efa voalazako taminareo rahateo izany.
Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra sy ny tsy fahamarinan’ny olona izay mangeja ny marina amin’ny tsy fahamarinana; fa izay fantatra ny amin’Andriamanitra dia miseho ao am-pon’ireny, satria nasehon’Andriamanitra taminy izany. izay nampilazainy mialoha tamin’ny alalan’ny mpaminany tao amin’ny Soratra Masina; Fa ny fombany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nahariana izao tontolo izao ka fantatra sy hita amin’ny zavatra nataony, hany ka tsy manan-kalahatra ireo. Fa na dia nahalala an’Andriamanitra aza izy dia tsy mba nankalaza Azy, araka izay mendrika ho an’Andriamanitra, sady tsy mba nisaotra Azy; fa tonga zava-poana izy tamin’ny fisainany ary nihamaizina ny fony donto. Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala, ary ny voninahitr’Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany sary maneho ny olombelona mety lo sy ny vorona mbamin’ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavamananaina mandady sy mikisaka.
Gaga aho raha mifindra haingana toy izao ianareo hiala amin’izay efa niantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy ho amin’ny filazantsara hafa izay tsy Filazantsara akory, saingy misy ny manakorontana anareo ka ta hanova ny Filazantsaran’i Kristy. Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo dia aoka ho voaozona izy. Araka ny efa voalazanay no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy.
Fa nisy mpaminany sandoka teo amin’ny olona, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hampiditra fampianaran-diso an-tsokosoko mahavery ary mitondra azy handa ny Tompo izay nanavotra azy aza. Hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ny tenany izany. indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan’ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahamboniana. Ireo dia olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra. Fa ny anjely aza, izay mihoatra amin’ny tanjaka sy ny hery, dia tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy azy ireny eo anatrehan’ny Tompo! Fa ireo kosa dia tahaka ny biby tsy manan-tsaina, zavamananaina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono; miteny ratsy ny zavatra tsy fantany izy; ho lo amin’ny fahalovan’ny biby izy ary hiharan’ny tsy fahamarinana ho valin’ny tsy fahamarinany. Mahafinaritra azy ny velona vetivety amin’ny fy; feno pentimpentina sy tsiny izy ary faly mamitaka anareo raha miara-mihinana aminareo; ny masony dia feno fijangajangana ary tsy mety mitsahatra amin’ny fahotana; mamitaka ny tsy miorina tsara izy; zatra amin’ny fitiavana harena maloto ny fony; olona voaozona izy. Efa niala tamin’ny lalana mahitsy izy ka nivily nanaraka ny lalan’i Balama, zanak’i Beora, izay tia ny tambin’ny tsy fahamarinana, nefa voaanatra izy noho ny fahotany: Ny boriky moana dia nanao feon’olona ka nisakana ny hadalan’ilay mpaminany. Ireny dia loharano ritra, zavona entin’ny tafio-drivotra, ka tahirizina ho azy ny haizina mikitroka. Fa mandoka fatratra ny zava-poana izy ireny ka ireo izay vao mba nandositra niala tamin’ireo diso lalana indray no taominy ho amin’ny filan’ny nofo sy ny fanaranam-po; fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon’ny fahalovana; fa izay maharesy ny olona no manandevo azy. Maro no hanaraka ny fanaranam-pony amin’ny ratsy ka ireny no hitenenan-dratsy ny lalan’ny fahamarinana. Fa raha misy efa afaka tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’izany indray ka resy, dia tonga ratsy noho ny tamin’ny voalohany ny amin’izany olona izany. Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan’ny fahamarinana akory izy, toy izay hiala amin’ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany. Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: «Ny amboa no miverina indray amin’ny loany» (Oha 26.11), ary: Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray. Amin’ny filana harena maloto sy ny teny mamitaka no hivarotany anareo. Ho an’ireny olona ireny dia efa hatry ny ela no niasa ny fitsarana azy ary tsy matoritory ny fahaverezany.