Ry zareo, mba efa naheno ve ianareo hoe Andriamanitra mijery ny mpiavonavona avy lavitra? Ao amin'ny Baiboly izany voalaza izany. Tsy tian'Andriamanitra mihitsy io toetra miavonavona io. Maro no tratran'izany, ka lasa mieritreritra hoe mahavita tena, sady te hifehy ny zava-drehetra.
Raha voafehin'ny avonavona ianao dia tsy ho tsapanao akory ireo fahadisoanao. Ny an'ny hafa foana no hojerenao, fa ny ratsy vitanao tsy ho hitanao mihitsy.
Ahoana ary no hanafahana tena amin'ity toetra manimba ny fo sy ny saina ity? Ny hany lalana dia ny fanekena an'Andriamanitra amin'ny zava-drehetra ataonao. Mandohalefa eo anatrehany, ary lazao Aminy fa miankina Aminy tanteraka ianao. Tsy ny herinao na ny fahaizanao no ianteheranao fa ny fahasoavany sy ny fitiavany.
Matokia fa raha manao izany ianao, dia ho voafantsika amin'ny fitiavana manasitrana. Hiova ny fomba fisainanao, ary ho lasa olom-baovao mifanaraka amin'ny endriny ianao.
Aoka àry isika hanetry tena eo ambanin'ny tànan'i Jehovah mahery, ary amin'ny fotoany, Izy no hanandratra antsika sy hametraka antsika amin'ny toerana efa voatendriny ho antsika any amin'ny mandrakizay.1
Fahavetavetana eo imason’NY TOMPO izay rehetra miavonavona am-po; azo antoka fa tsy ho afa-tsiny izy ireo.
Fa na dia avo aza NY TOMPO dia mijery ny manetry tena ary ny mpiavonavona dia fantany eny lavitra eny.
Ny ratsy fanahy dia mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy! Tsy misy Andriamanitra! Izany no tontalin-keviny.
Ny fireharehan’ny fon’ny olona dia mialoha ny faharavana, fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
Ny fiavonavonana dia mialoha ny fahapotehana ary ny fanahy mirehareha dia mialoha ny fahalavoana.
Ny fiandranandran’ny maso sy ny fiavonavon’ny fo, izay jiron’ny ratsy fanahy, dia ota.
Ny fiavonavonan’ny olona no hampietry azy, fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso ianao, fa na dia ny havoakan’ny anio aza dia tsy fantatrao.
Rehefa tonga ny fiavonavonana dia tonga koa ny fahafaham-baraka, fa ao amin’ny manetry tena no misy ny fahendrena.
Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana fa aoka mba ho zatra ny fanetren-tena ianareo. Aza mihevitra ny tenanareo ho hendry.
Ny fiandranandran’ny mason’ny zanak’olombelona dia haetry ary ny fiavonavonan’ny olona dia hatao mitanondrika; fa NY TOMPO ihany no hisandratra amin’izany andro izany.
TOMPO ô, tsy mirehareha ny foko ary tsy miandranandrana ny masoko; tsy misaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, na izay saro-pantarina tsy takatro.
Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia milaza amin’ny olona rehetra izay eo aminareo aho mba tsy hiavonavon-kevitra ka hihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny haben’ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy.
Nefa lehibe kokoa ny fahasoavana omeny, fa hoy izy hoe: «Andriamanitra dia manohitra ny mpiavonavona fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena» (Oha 3.34).
Toy izany koa ianareo tanora, maneke ny loholona. Eny, samia mitafy fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa «Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena» (Oha 3.34).
Fa «izay mirehareha dia aoka NY TOMPO no ho reharehany» (Jer 9. 23). Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana fa izay derain’ny Tompo.
Noho izany dia ny fireharehana no rojo iambozonany ary ny fanaovana an-keriny no lamba itafiany.
fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao ihany.
Tsara ny fiafaran’ny raharaha iray noho ny fiandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavonavona. Aoka tsy halaky tezitra ianao, fa ny fahatezerana dia milafika ao am-pon’ny adala.
Dia niteny taminareo aho nefa tsy nihaino ianareo; ary nandà ny tenin’NY TOMPO ianareo ka sahisahy fahatany niakatra tany an-tendrombohitra ihany.
Fa iza no nohantsianao sy nompanao? Ary hanohitra an’iza no nanandratanao ny feonao? Nampiandrandra ny masonao any ambony ianao hanohitra ny Iray Masin’ny Israely!
mpifosafosa, mpankahala an’Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpidoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,
Tsara ny fiafaran’ny raharaha iray noho ny fiandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavonavona.
Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; izay miandranandrana sy miavonavona am-po dia tsy zakako.
Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana, fa ao amin’izay mino anatra no misy ny fahendrena.
Fahasoavana ny teny aloaky ny vavan’ny hendry, fa ny molotry ny adala kosa dia mandevona ny tenany. Ny fiandohan’ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran’ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.
Raha adala ianao ka nanandra-tena, nefa mba nieritreritra, dia tampeno amin’ny tananao ny vavanao.
Hatsingeriko amin’izao tontolo izao ny faharatsiany, ary amin’ny ratsy fanahy ny helony; hatsahatro ny fireharehan’ny mpiavonavona ary haetriko ny fiavonavonan’ny mpampihorohoro.
Indro, hiatrika anao Aho, ry Babilona mpiavonavona, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; fa tonga ny andronao, dia ny fotoana hamaliako anao.
Tsara ny mietry miaraka amin’izay manetry tena noho ny mizara babo amin’izay miavonavona.
Ny mpiavonavona dia manafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy; manao vela-pandrika harato eo amoron-dalana izy; nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy. Fiatoana.
Eny, mitaraina mafy ireo nefa tsy mamaly Izy noho ny fireharehan’ny ratsy fanahy. Ny fitarainana tsy amin’antony dia tsy mba henoin’Andriamanitra ary ny Tsitoha dia tsy mandinika izany.
Kapohy ny mpaniratsira dia ho hendry ny kely saina ary anaro ny manan-tsaina dia hahalala fahendrena izy.
Ny fahotan’ny vavany dia ny tenin’ny molony; aoka ho voasambotry ny fireharehany ihany izy; eny, noho ny ozona sy ny lainga teneniny!
Niteny anakampo ianao hoe: Hiakatra any an-danitra aho, ary hasandratro ho ambonin’ny kintan’Andriamanitra ny sezafiandrianako; dia hipetraka eo amin’ny tendrombohitra Fihaonana any amin’ny farany avaratra aho; hiakatra ho any ambonin’ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra.
Aza faly raha lavo ny fahavalonao, ary aza ravoravo ny fonao raha tafintohina izy; fandrao hitan’NY TOMPO izany ka ho ratsy eo anatrehany, ary esoriny aminy ny fahatezerany.
Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany, amin’ny fahalemem-panahy sy fahendrena.
amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po, mifandefitra amin’ny fitiavana,
Hoy aho tamin’ny mpirehareha: Aza mirehareha! Ary tamin’ny ratsy fanahy: Aza manandra-tandroka! Aza manandratra ny tandrokareo ho avo ary aza mikiribiby amin’ny fiteny an’avona.
Manjaka mandrakizay amin’ny heriny Izy ary ny masony dia mandinika ny firenen-tsamihafa: Aoka tsy hanandra-tena ny maditra! Fiatoana.
Fa iza no nanome tombony anao amin’ny hafa? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha ohatra ny tsy nandray?
Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; nosimbanao ny fahendrenao mbamin’ny famirapiratanao; nazerako eny amin’ny tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan’ireo mpanjaka.
Satria misy Andron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, hitsarana izay mpiavonavona sy mpirehareha rehetra mbamin’izay misandratra rehetra ka hanetrena ireny,
Tsy izay vao avy nanolo-tena ho an’Andriamanitra, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ny fanamelohan’ny devoly.
Arodan’NY TOMPO ny tranon’ny mpiavonavona, fa ataony mafy orina ny fanamarihana ny zaratanin’ny mpitondratena.
Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampijoroina ihany izy, satria mahay mampijoro azy ny Tompo.
Tandremo fandrao hanao ny asan’ny fahamarinanareo eo imason’ny olona mba ho hitany ianareo; fa raha vao izay dia tsy manana valim-pitia amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.
Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany; izany no itiavako ny teny vavolombelonao.
Sambatra ny olona izay manana NY TOMPO ho tokiny ka tsy mivily ho naman’ny mpiavonavona na ny mpiampanga lainga!
Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana NY TOMPO dia harena sy voninahitra ary fiainana.
Marina izany; ny tsy finoany no nanapahana azy fa ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona fa matahora.
Koa amin’izany, manetre tena ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoanandro;
Eny, mamehy entana izay sady mavesatra no sarotra entina izy ka mametraka izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany dia tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsantanany iray aza.
Mirezadrezatra sy manao teny an’avona izy; mirehareha ny mpanao ratsy rehetra. Ny olonao, TOMPO ô, dia torotoroiny ary ny lovanao dia ampahoriany;
Ny fahatahorana NY TOMPO dia fitaizana mampahahendry ary ny fanetren-tena dia mialoha ny voninahitra.
TOMPO ô, tsy mirehareha ny foko ary tsy miandranandrana ny masoko; tsy misaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, na izay saro-pantarina tsy takatro. Fa tony sady mangina tsara ny fanahiko ato anatiko; tahaka ny zaza eo amin’ny reniny eny, tahaka ny zazakely eo amin’ny reniny ny fanahiko.
Eo am-bavan’ny adala dia misy tsirin’ny fiavonavonana, fa ny molotry ny hendry kosa miaro azy.
Aza marina loatra ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana no hosimbanao ny tenanao? Aza ratsy loatra ary aza adala; nahoana no ho faty raha tsy mbola tonga ny andronao?
Aza manandra-tena eo anatrehan’ny mpanjaka ary aza mijoro eo amin’ny toeran’ny lehibe; fa aleo ianao hantsoina hoe: Miakara etỳ! Toy izay atambotsotra eo imason’ny manankaja izay hitan’ny masonao.
Aoka hizaha toetra ny asany avy ny olona rehetra, mba ho amin’ny tenany ihany izy no afaka hirehareha, fa tsy amin’ny olon-kafa;
Entona fotsiny ny zanak’i Adama ary lainga ny zanak’olombelona; raha atao amin’ny mizana izy rehetra dia maivana noho ny entona.
Manao hevi-dratsy hamelezany ny marina ny ratsy fanahy ka mihidy vazana aminy. Mihomehy azy ny Tompo satria hitany fa ho tonga ny androny.
Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana NY TOMPO; ny fiavonavonana, ny fireharehana, ny lalana ratsy ary ny teny lainga dia samy halako avokoa.
Ary ianareo indray va no mirehareha! Ary tsy nampalahelo anareo akory izany ka mba hesorina tsy ho ao aminareo ilay nanao izany zavatra izany!
Miaro izay mandeha tsy misy tsiny ny fahamarinana, fa ny faharatsiam-panahy no mamotraka ny mpanota.
Aza matahotra ianao raha misy olona tonga manankarena ka mitombo ny voninahitry ny tranony; fa tsy hitondra na inona na inona izy raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia milaza amin’ny olona rehetra izay eo aminareo aho mba tsy hiavonavon-kevitra ka hihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny haben’ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy. Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tenantsika izay tokana nefa tsy mitovy asa izy rehetra momba ny tena ireo, dia toy izany koa isika, na dia maro aza dia tena iray ihany ao amin’i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
Fahavetavetana eo imason’ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy, fa fahamarinana no iorenan’ny sezafiandrianana.
Ary aza mba mety antsoina hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo dia Kristy. Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo. Fa izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.
Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ny lalan’ny fiainana, fa mivily lalana izay manadino anatra.
Raha mihaino ka manaiky Azy izy dia lany amin’ny fiadanana ny androny ary ny taonany dia amin’ny fahafinaretana.
Ry malala, aza mamaly ratsy fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: «Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy NY TOMPO» (Deo 32.35).
Toho-tantely ny teny mahafinaritra ka sady mamin’ny fanahy no fanasitranana ho an’ny taolana.
Manozona izy ireo fa mitahy kosa Ianao; mitsanga-menatra izy fa mifaly kosa ny mpanomponao.
Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
Ny fankahalana dia mety hiafina ao anatin’ny fitaka, nefa ny haratsiam-panahiny dia hiharihary eo ampahibemaso.
Fa izao no lazain’ny Iray avo sy manerinerina izay monina mandrakizay, Masina no anarany: Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena sy hamelombelona ny fo torotoro.
Ny fiavonavonana dia mialoha ny fahapotehana ary ny fanahy mirehareha dia mialoha ny fahalavoana. Tsara ny mietry miaraka amin’izay manetry tena noho ny mizara babo amin’izay miavonavona.
Ny fitiavana dia mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ho an’ny tenany, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,
Ry mpijangajanga! Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra izy.