Ilay hoe "fitiavana ratsy" na "filàna ratsy", efa mba fantatsika rehetra angamba izany fahafinaretana te hahazo zavatra tsy mety izany. Ao amin'ny Baiboly, matetika io teny io no miresaka momba ny fahalementsika olombelona, indrindra fa ny faniriana ara-nofo. Tsy voatery ho izany ihany anefa, fa mety ho fitiavam-bola tafahoatra koa, na faniriana zavatra hafa mety ho ratsy amintsika.
Raha efa nandray an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ianao, dia tadidio fa tsy irery intsony ianao miady amin'izany. Manome hery antsika Izy handresena ny fakam-panahy. Araka ny voasoratra ao amin'ny Filipiana 4:13 (FM): "Mahavita ny zavatra rehetra aho ao amin'Ilay mampahery ahy".
Atolory an'i Jesosy izay rehetra maha-osa anao, dia Izy no hanome anao ny heriny handresena ny ratsy. Havelomy Izy hampiseho ny voninahiny eo amin'ny fiainanao. Ny tena zava-dehibe dia ny mikatsaka ny tarehin'Andriamanitra isan'andro, mba hiainantsika araka ny sitrapony fa tsy araka ny filàn'ny nofontsika.
Ny hany fomba handresena ny fitiavana ratsy dia ny famelana an'i Jesosy ho Tompon'ny fiainanao. Avelao Izy hanova ny ao anatinao, hamorona anao ho olom-baovao. Tadidio fa ao amin'ny Teniny no misy ny hery sy ny torolàlana hiaretana amin'ny fotoan-tsarotra.
Fa isika koa dia mba adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka; eny, andevon’ny filana sy ny fahafinaretana isan-karazany ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana sady nankahalaina no nifankahala.
Hoy kosa aho: Mandehana araka ny Fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.Manana filana manohitra ny Fanahy mantsy ny nofo, ary manohitra ny nofo ny Fanahy. Mifanohitra izy ireo mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo hatao.
Izany no nanoloran’Andriamanitra azy tamin’ny filan’ny fony ho amin’ny fahalotoana, mba hifanalany voninahitra tamin’ny tenany avy;
mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.
Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny sitrapon’ny Jentilisa tamin’ny nandehananareo tamin’ny fanaranam-po amin’ny ratsy sy ny fanirian-dratsy, ny fimamoana, ny filalaovan-dratsy, ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra.
Fa samy alaim-panahy ny olona raha tarihin’ny filany sy mety fitahiny.Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao ihany.
Fa isan’ireny izay misokosoko miditra any an-tranon’ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran’ny fahotana, entin’ny filana maro,
Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany;
Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny.
Fa mandoka fatratra ny zava-poana izy ireny ka ireo izay vao mba nandositra niala tamin’ireo diso lalana indray no taominy ho amin’ny filan’ny nofo sy ny fanaranam-po;
Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany.Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Koa tsy tompon’ny tenanareo ianareo.Fa olom-boavidy ianareo, koa mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.
Fa fantatrareo voalohany indrindra fa amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany
Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo, fa izay araka ny Fanahy kosa dia mihevitra izay zavatry ny Fanahy.Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa fiainana sy fiadanana kosa no fihevitry ny Fanahy,
Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana,fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
Hoy kosa aho: Mandehana araka ny Fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.
Teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia voatendry ho amin’ny fahatezerana toy ny hafa koa isika.
Koa vonoy izay momba ny tenanareo etỳ an-tany: Fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fitiavan-karena, izay fanompoan-tsampy.
Mandosira ny filan’ny fahatanorana ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio.
Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana koa hahafahanareo mahazaka izany.
Izany dia mampianatra antsika handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao fa ny mba ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao,
Fa izao no sitrapon’Andriamanitra dia ny hanamasinana anareo ka hifadianareo ny fijangajangana;mba samy hahafantatra izay hahazoanareo vady amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra ianareo,tsy amin’ny filana fotsiny, tahaka ny Jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra;
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy ka mitsiriritra azy dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
mba hialanareo ny toetra maha olona taloha anareo araka ny fitondrantenanareo fahiny izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka;fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo,ary mba hotafinareo ny toetra maha olom-baovao izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.
Koa aza avela hanjaka amin’ny tenanareo mety maty ny ota ka hanarahanareo ny filany;ary aza manolotra izay momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ny tsy fahamarinana, fa atolory ho an’Andriamanitra ny tenanareo, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra.
Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny ary aoka tsy hahazo anao amin’ny hodimasony izy.Fa sombi-mofo iray ihany dia ahazoana vehivavy janga iray, nefa ny vehivavy manambady kosa dia mamandrika aina sarobidy.
indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan’ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahamboniana. Ireo dia olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra.
Avy aiza ny ady ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Moa tsy ny filanareo izay miady ao anatin’ny tenanareo va no iavian’izany?Maniry zavatra ianareo nefa tsy manana; mamono olona sy mialona ianareo nefa tsy mety mahazo ihany; mifandìtra sy miady ianareo nefa tsy manana satria tsy mangataka.
Izany no nanoloran’Andriamanitra azy tamin’ny filan’ny fony ho amin’ny fahalotoana, mba hifanalany voninahitra tamin’ny tenany avy;nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy fa tsy ny Mpanao izay isaorana mandrakizay! Amena!Izany no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy dia nanova ny fanaony ara-boajanahary ho amin’izay tsy fanao;toy izany koa ny lehilahy, namela ny fanao amin’ny vehivavy izy ka maimay tamin’ny fifampilany samy lehilahy; nifanao izay mahamenatra izy ireo ka nandray tao amin’ny tenany ihany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny sitrapon’ny Jentilisa tamin’ny nandehananareo tamin’ny fanaranam-po amin’ny ratsy sy ny fanirian-dratsy, ny fimamoana, ny filalaovan-dratsy, ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra.
Izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo; izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny Fanahy.
Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fitiavam-bola, dia aza avela hotononina eo aminareo akory, fa tsy mahamendrika ny olona masina,na fahavetavetana, na resaka adaladala, na teniteny foana. Samy tsy tokony hatao, fa aleo teny fisaorana.Aoka ho fantatrareo mihitsy fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona tia vola, fa fanompoan-tsampy izany.
Fa mandoka fatratra ny zava-poana izy ireny ka ireo izay vao mba nandositra niala tamin’ireo diso lalana indray no taominy ho amin’ny filan’ny nofo sy ny fanaranam-po;fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon’ny fahalovana; fa izay maharesy ny olona no manandevo azy.
Raha velona araka ny nofo ianareo dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy kosa no amonoanareo ny asan’ny tena dia ho velona ianareo.
Ary mandalo izao tontolo izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy,
Aoka tsy hivily ho any amin’ny lalany ny fonareo ary aza mania ho amin’ny alehany.Fa betsaka no naripany ka maty, ary ny mahery indrindra aza dia matiny avokoa.Ny tranony dia lalana mankany amin’ny fitoeran’ny maty, eny, midina ho any amin’ny efitranon’ny fahafatesana.
Fa izay ta hanankarena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny faharinganana sy ny fahaverezana.Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.
Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.Fa tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra isika fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fahefana ary amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.
Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika; ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana napetraka eo anoloantsika izao,mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy.
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy ny loharanon’ny aina.
Fa izay an’i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany teo amin’ny hazofijaliana.
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.
Inona no hiarovan’ny zatovo ny lalan-kalehany ho madio? Ny fitandremana araka ny teninao.Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho.Ato am-poko no iraketako ny teninao mba tsy hanotako Aminao.
Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.
Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: Fa ny mpijangajanga, ny mpanompo sampy, ny mpaka vadin’olona, ny sodomita,ny mpangalatra, ny fatra-pitia harena, ny mpimamo, ny mpanala baraka olona ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Fa maizina ianareo fahiny, nefa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny. Mandehana tahaka ny zanaky ny mazavasatria ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsaram-panahy rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana.Fantaro izay ankasitrahan’ny Tompo,
Tahaka ny zanaka manoa, dia aza mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsy fahalalanareo;fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ny fitondrantena rehetrasatria voasoratra hoe: «Ho masina ianareo, satria masina Aho» (Lev 11.44).
Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany.Izany no nanomezana antsika ireo teny fikasana sady sarobidy no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalovana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana.
Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Ary Jesosy dia noentin’ny Fanahy nankany an-tany efitra mba halain’ny devoly fanahy.Nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, koa nony afaka izany dia noana.Dia nanatona ny mpaka fanahy ka niteny Taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.Fa Izy kosa namaly hoe: Voasoratra hoe: «Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra» (Deo 8.3).Dia nitondra Azy nankany amin’ny tanàna masina indray ny devoly ka nampitoetra Azy teo an-tampon’ny tempolysady niteny Taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: «Izy handidy ny anjeliny ny Aminao; ary eny an-tanany no hitondran’ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao» (Sal 91.11, 12).Hoy Jesosy taminy: Voasoratra koa hoe: «Aza maka fanahy NY TOMPO Andriamanitrao.»Ary nitondra Azy nankany an-tendrombohitra avo dia avo indray ny devoly ka naneho Azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahinysady niteny Taminy hoe: Homeko Anao izao rehetra izao raha miankohoka eto anatrehako Ianao.Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: Fa voasoratra hoe: «NY TOMPO Andriamanitrao no hiankohofanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.» (Deo 6.13)Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.
Fa ankehitriny kosa dia esory koa ireto rehetra ireto: Fahatezerana, firehetana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo.Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny maha olona taloha mbamin’ny asany;ary efa notafinareo ny maha olom-baovao izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy.
Efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentina hanaraka ny nofo izany fahafahana izany. Mifanompoa amin’ny fitiavana
fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho dia holavina kosa.
Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ny Tompo, dia mangataka anareo mba handeha mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareoamin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po, mifandefitra amin’ny fitiavana,
Fantatro anefa fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko; fa ananako ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ananako.Tsy ny tsara izay sitrako no tanterahiko fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.Fa raha ny tsy sitrako no ataoko dia tsy izaho intsony no manao izany fa ny ota izay mitoetra ato amiko.
Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, ny fakàna vadin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny fiampangana lainga, ny fitenenan-dratsy;izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin’ny tanana tsy voasasa dia tsy mba mahaloto ny olona.
Tsara ny olona mahatsindry fo noho ny mpiady mahery ary izay mahafehy ny fahatezerany noho izay mahafa-bohitra.
Fa tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana Andriamanitra fa amin’ny fahamasinana.
Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy dia manimba ny fitondrantena tsara.Aoka ho tonga saina tsara ary aza manota; fa tsy manana ny fahalalana an’Andriamanitra ny sasany; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina Aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.
Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry, fa izay misakaiza amin’ny adala dia hihadala.
fa fantatsika fa ny maha olona antsika taloha dia niaraka nohomboana Taminy mba tsy hampanan-kery ny tenan’ny ota, koa tsy ho andevozin’ny ota intsony isika.Fa izay efa maty dia nohamarinina ka afaka amin’ny ota.
Miareta tory sy mivavaha ianareo mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy fa ny nofo no tsy manan-kery.
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra.Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, koa misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao izany.
Koa tandremo tsara izay fitondrantenanareo, mba tsy ho tahaka ny adala fa tahaka ny hendry.Araraoty ny fotoana azo anaovan-tsoa fa ratsy izao andro izao.
Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; koa miorena tsara fa aza mety hohazonin’ny ziogan’ny fanandevozana indray.
Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.
Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
Fa raha ny masonao havanana no mahatafintohina anao dia esory hiala izy ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na very aza ny ampahany iray amin’ny tenanao ka tsy ny tenanao manontolo no hariana any amin’ny afobe.Ary raha ny tananao havanana no mahatafintohina anao dia tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na very aza ny ampahany iray amin’ny tenanao ka tsy ny tenanao manontolo no ho lasa ho any amin’ny afobe.
Mahonòna tena, miambena. Fa ny devoly fahavalonareo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;tohero izy ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra manerana izao tontolo izao.
Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo ary ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo?Raha misy manimba ny tempolin’Andriamanitra dia mba hosimban’Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.
Aoka ny fitiavana ho amin’ny tsy fihatsarambelatsihy. Mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ny tsara.Mifankatiava toy ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ny fifanomezam-boninahitra.
Koa satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo;fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amena!
Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Koa ario ny fahalotoana rehetra sy ny faharatsiana tafahoatra, ary ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena ao aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
mba ho tsy manan-tsiny sady madio ianareo; dia zanak’Andriamanitra tsy azo kianina eo amin’ny firenena meloka sy maditra izay amirapiratanareo tahaka ny fahazavana eo amin’izao tontolo izao,
mba samy hahafantatra izay hahazoanareo vady amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra ianareo,tsy amin’ny filana fotsiny, tahaka ny Jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra;
Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,fa fiandrasana mahatahotra amin’ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.
fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy;
Koa esory ny lolompo rehetra, ny fitaka rehetra, ny fihatsarambelatsihy, ny fialonana ary ny fanendrikendrehana rehetra,fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny ronono tsy mitampoka, dia ny Teny, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena,raha efa nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo.
Koa aza mifampitsara intsony isika fa aleo mihevitra izao: Ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny rahalahy.
Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha tsy manana ahiahy, fa izay maniasia amin’ny alehany dia fantatra ihany.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela ary manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy, ny tonona sy ny tsoka sady mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.
Ampioreno amin’ny teninao ny diako ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’i Kristy dia tsy Azy izy.
Ny fitiavana dia mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ho an’ny tenany, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa,mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Raha misy olona ta hanaraka Ahy dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.Fa na iza na iza no ta hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko dia hahazo izany.Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao izy, kanefa very ny ainy? Ary inona moa no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?
ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany.Izay ataony ao amin’ny miafina mantsy dia mahamenatra na dia ny milaza azy ihany aza.
Fa tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ny fanjakan’Andriamanitra, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
Aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny Jentilisa, mba ho eo amin’izay anendrikendrehany anareo indrindra ho mpanao ratsy no hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiany.
Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana ka maro ny miditra any.Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana ka vitsy no mahita azy.
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita toetra miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisan’ny olona rehetra ny valin’izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy.
Mivavaha ho anay; satria matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra.
Ry rahalahy, tsy mihevi-tena ho efa nahazo aho; fa zavatra iray loha no ataoko: Manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha;eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.