Hatrany am-piandohan'izao tontolo izao Andriamanitra dia efa nandidy ny olony hanorina tempoly sy toerana masina, ahafahan'izy ireo manatanteraka ireo ôrdônansy sy fombafomba masina. Satria mitsidika ireo tempoliny amin'ny fanatrehany masina ny Tompo, dia tokony haneho fanajana isika isaky ny ao am-piangonana, na mandritra ny fanompoam-pivavahana na ny toriteny.
Ny tabernakely izay naorin'i Mosesy sy ny zanak'Isiraely dia tempoly azo noentina izay nampiasain'izy ireo nandritra ny fialany tany Ejipta. Ny tempoly malaza indrindra voalaza ao amin'ny Testamenta Taloha dia ilay naorina tany Jerosalema tamin'ny andron'i Salomona (2 Tantara 2–5).
Ankehitriny kosa, ny tempoly lehibe indrindra tian'Andriamanitra honenana dia ny fonao. Koa amboary ho Azy toerana tsara ao am-ponao, ahafahan'ny Fanahy Masina mitoetra malalaka, ka tsy te hiala intsony.
Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin’Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo? Tsy fantatrareo va fa ny olomasina dia hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia izay zava-madinika indray ve no tsy mendrika hotsarainareo? Fa olom-boavidy lafo ianareo. Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin’ny vatanareo.
Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny lazain’Izy Andriamanitra hoe: Honina eo aminy Aho, ary handeha eo aminy; dia Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy ho vahoakako.
Nony nivoaka avy tao amin’ny Fitoerana Masina ny mpisorona dia nameno ny tranon’i Iaveh ny rahona, ka tsy nahajanona hanao ny fanompoany tao ny mpisorona, noho ny amin’ny rahona, fa nameno ny tranon’i Iaveh ny voninahitr’i Iaveh.
Nony tapitra ny vavak’i Salômôna, dia nodoran’ny afo avy any an-danitra ny sorona dorana mbamin’ny sorona ary nameno ny trano ny voninahitr’i Iaveh. Ary tamin’ny andro faha-23n’ny volana fahafito, dia nampodin’i Salômôna ho any an-dainy avy ny vahoaka; samy faly sy ravoravo avokoa, noho ny soa nataon’i Iaveh tamin’i Davida, tamin’i Salômôna ary tamin’i Israely vahoakany. Vitan’i Salômôna ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka, sady efany soa aman-tsara izay rehetra noheverin’ny sainy hatao tao amin’ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka. Ary niseho taminy i Iaveh nony alina, ka nanao taminy hoe: «Efa nohenoiko ny vavakao, ary efa nofidiko ho trano fanateran-tsorona ity fitoerana ity. Koa nony hampihantona ny andro Aho ka tsy hisy ranonorana, nony asaiko handevona ny tany ny valala, na haniraka ny pesta ho ao amin’ny vahoakako, raha manetry tena sy mivavaka ary mitady ny tavako ny vahoakako, izay iantsoana ny Anarako, ka miala amin’ny lalan-dratsiny, dia hihaino azy Aho any an-danitra, hamela ny fahotany Aho, sady hahasitrana ny taniny. Ary ankehitriny dia hahiratan’ny masoko sy hohenoin’ny sofiko ny vavaka atao amin’ity fitoerana ity. Fidiko sy hamasiniko hatramin’izao ity trano ity, hitoeran’ny Anarako mandrakizay, ary ho eo mandrakariva ny masoko sy ny foko. Ary ny aminao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’i Davida rainao ianao, ka manaraka an’izay rehetra nandidiako anao, sy mitandrina ny lalàna amam-pitsipiko, dia hataoko mafy orina ny seza fiandrianan’ny fanjakanao, araka ny efa nifanekeko tamin’i Davida rainao, nataoko hoe: Tsy ho lany taranaka hanjaka eo amin’i Israely ianao na oviana na oviana. Fa raha mivily kosa ianareo, ka mahafoy ny didy aman-dalàko, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa, sy miankohoka eo anatrehan’ireny; Ka tsy afa-niditra tao an-tranon’i Iaveh ny mpisorona, fa feno ny voninahitr’i Iaveh ny tranony.
Nony nandatsaka ny fototry ny tempolin’i Iaveh ny mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trômpetra, mbamin’ny Levita, taranak’i Asafa, nitondra kipantsona, hidera an’i Iaveh, araka ny voadidin’i Davida, mpanjakan’i Israely. Dia nanao hira fiderana an’i Iaveh ireo: «Fa tsara fo Izy, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony amin’i Israely.» Ny vahoaka rehetra koa, indray nihoby an-kafaliana ho fiderana an’i Iaveh, fa nandatsaka ny fototry ny tranon’i Iaveh izy ireo.
Ianao izay ampinganay, ry Andriamanitra, mba jereo, ka tsinjovy ny tavan’ilay Voahosotrao!
Dia niditra tao amin’ny Tempolin’Andriamanitra i Jesoa, ka nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao anatin’ny Tempoly, sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola mbamin’ny fipetrahan’ny mpivaro-boromahailala. Dia hoy Izy tamin’ireo: «Efa voasoratra hoe: ‹Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana› fa ianareo kosa manao azy trano fandrian-dompy.»
Dia namaly azy i Jesoa nanao hoe: «Ravao ity tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana.» I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady. Ka hoy ny Jody: «Enina amby efapolo taona no nanaovana ity Tempoly ity, ka Ianao ve dia hanangana azy indray amin’ny hateloana e?» Ny Vatany anefa no Tempoly nolazainy.
Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra dia mba horavan’Andriamanitra kosa, satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.
nihodidina tamiko ny fatoran’ny Seoly; ary latsaka teo anatrehako ny fandrika haraton’ny fahafatesana.
Dia niditra nankao an-trano ny voninahitr’i Iaveh, nihazo ny lalana teo amin’ny vavahady mitodika miantsinanana. Tamin’izay, naingain’ny Fanahy aho, nentiny ho eo amin’ny kianja anatiny; ary indro, feno ny voninahitr’i Iaveh ny trano.
Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh sady iriko fatratra: dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho, amin’ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh, sy hibanjina ny fitoerany masina.
Nazoto niara-nankao amin’ny Tempoly isan’andro izy rehetra, sy namaky mofo tany an-tranony ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po, niara-nidera an’Andriamanitra sady tsara laza tamin’ny vahoaka rehetra. Ary nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’izy ireo, ny olom-bonjena.
Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra?
Ary izao no nolazain’i Iaveh taminy: «Nohenoiko ny vavaka amam-pifonanao, nataonao tamiko, ka efa nohamasiniko ity trano nataonao ity, mba hametrahako ny Anarako ao mandrakizay, ka dia ho eto mandrakariva ny masoko sy ny foko.
Ary tsy nitsahatra ny nampianatra sy nitory isan’andro tao an-Tempoly sy tany an-tranon’olona izy ireo fa i Jesoa no Kristy.
Tsy nahita Tempoly tao aho, fa ny Tompo Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy ny Zanak’ondry no Tempoliny.
Dia niditra tao amin’ny Tempolin’Andriamanitra i Jesoa, ka nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy tao anatin’ny Tempoly, sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola mbamin’ny fipetrahan’ny mpivaro-boromahailala.
I Iaveh izay ao amin’ny tempoly masina, I Iaveh izay manana ny fiandrianany any an-danitra, dia mana-maso mahiratra; ary ny hodi-masony mizaha ny zanak’olombelona hatrao anatiny.
ary ianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy, ho mpisorona masina, ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Fa ao aminy no isondrotan’ny rafitra rehetra mirindra tsara, mba hiforona ho tempoly masina ao amin’ny Tompo; ao aminy no andrafetan’ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan’Andriamanitra.
Ka tsy afa-niditra tao an-tranon’i Iaveh ny mpisorona, fa feno ny voninahitr’i Iaveh ny tranony.
Ary rehefa tafiditra tao amin’ny Tempoly Izy ka nampianatra teo, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: «Fahefana avy aiza no anaovanao izao? ary iza no nahazoanao izany fahefana izany?»
Tiako ny mitoetra ao an-tranonao, ry Iaveh ô, dia ny fitoerana ipetrahan’ny voninahitrao.
Koa amin’izany, ry kristianina havana, noho ny ran’i Jesoa, izay nahafaka malalaka antsika hiditra amin’ny fitoerana masina, Raha tsy izany, tsy ho nitsahatra nanatitra va ny olona, satria rehefa voadio indray mandeha ny mpanatitra, dia tsy ho nahare intsony hoe nanota izy tamin’ny fieritreretany. mihazo ny lalam-baovao sy velona nosantarany ho antsika mamaky ny efitra lamba, izany hoe ny nofony, sy noho isika manana mpisorom-be mitandrina ny tranon’Andriamanitra, dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.
«Ity trano ataonao ity... raha mandeha araka ny lalàko ianao sy manaraka ny fitsipiko ary mitandrina ny didiko rehetra ka mampifanaraka ny fitondran-tenanao amin’izany, dia ho tanteraka aminao ny teniko izay nolazaiko tamin’i Davida rainao; honina eo amin’ny zanak’i Israely Aho, ary tsy hahafoy an’i Israely vahoakako.»
Fa moa dia marina va fa monina eto an-tany Andriamanitra? Indro, ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
Avia ho eo am-bavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao Izy, isaory ny Anarany.
Aza matoky ny teny laingan-dry zareo manao hoe: Ity no tempolin’i Iaveh, Tempolin’i Iaveh, Tempolin’i Iaveh!
Izay handresy dia hataoko andry eo amin’ny Tempolin’Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; ary hosoratako eo aminy ny Anaran’ny Andriamanitro, sy ny anaran’ny tanànan’ny Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitro, sy ny Anarako vaovao.
«Ary ankehitriny, ry Andriamanitra ô, aoka hahiratan’ny masonao sy hohenoin’ny sofinao ny vavaka atao amin’ity fitoerana ity!»
Ary ny zanak’i Israely, ary ny olona sisa tamin’ny zanaky ny fahababoana, dia samy nitokana ny tranon’Andriamanitra tamin-kafaliana.
Sady hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo Aho, ka ho fanekena aminy mandrakizay izany; ary Izaho hanorina azy, hampitombo azy, ary hanangana ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay. Ny fonenako ho eo ambonin’izy ireo; Izaho ho Andriamaniny; ary izy ho vahoakako. Dia ho fantatry ny firenena fa Iaveh Aho manamasina an’i Israely, rehefa ho eo aminy mandrakizay ny fitoerako masina.
Tsy mitoetra ao amin’izay trano nataon-tanan’olona anefa ny Avo indrindra araka ny voalazan’ny mpaminany hoe: Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro kosa. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy, hoy ny Tompo. Ary fitoerana toy inona no ho fitsaharako?
Fa i Kristy kosa, nony efa tonga mpisorom-be ny amin’ny soa ho avy, dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra, tsy nataon-tanana, izany hoe tsy mba anisan’izao zava-boaary izao;
Fa tsy mba fitoerana masina nataon-tanana sy tandindon’ny tena izy fotsiny no nidiran’i Kristy, fa tany an-danitra mihitsy, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika ankehitriny.
Tamin’izay ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana; ary ny voninahitr’i Iaveh nameno ny Fonenana. Ka tsy afa-niditra intsony tao an-trano lay fihaonana i Môizy, fa nijanona teo amboniny ny rahona, ary nameno ny Fonenana ny voninahitr’i Iaveh.
«Mandehana, lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Ianao ve no hanao trano hitoerako?
Koa ankehitriny araiketo amin’ny fitadiavana an’i Iaveh Andriamanitrareo ny fo amam-panahinareo, mitsangàna hanao ny fitoerana masina ho an’i Iaveh Andriamanitra, mba hitondra hankatỳ ny fiaran’ny faneken’i Iaveh mbamin’ny fanaka masin’Andriamanitra, ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny Anaran’i Iaveh.»
Koa indreo izy eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, manompo Azy andro aman’alina ao an-Tempoliny, ary hamponenin’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ao an-tranony.
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: ‹Indro lehilahy anankiray atao hoe Solofo; hitsimoka eo amin’ny fitoerany izy, ka hanao ny tempolin’i Iaveh. Izy no hanao ny tempolin’i Iaveh, hotafiana fiandrianana, hipetraka ho mpanjaka eo amin’ny seza fiandrianany, ho mpisorona eo amin’ny seza fiandrianany, ary hisy fisainam-pihavanana eo amin’izy roaroa.
Nandry feizay i Jodà sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna. Samy teo ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny avy, hatrany Dàna ka hatrany Bersabea.
«Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa: Efa nomen’i Iaveh Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany, ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho Azy, any Jerosalema any Jodà. Ka iza aminareo no vahoakany? Homba azy anie ny Andriamaniny, ary aoka hiakatra any Jerosalema any Jodà izy, ka hanao ny tranon’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, dia ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema.
Ho lehibe ny voninahitr’ity trano ity, ny voninahitra farany hihoatra ny voalohany; ary eto amin’ity fitoerana ity no hametrahako ny fiadanana, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -
Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin’ny Ray. Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana.»
Mampiteraka ny serfa vavy ny feon’i Iaveh, sady mampihintsan-dravina ny ala be; ary ao an-tempoliny ny zava-drehetra samy milaza hoe: «Voninahitra!»
satria Andriamanitra tsy mba Andriamanitry ny tabataba, fa Andriamanitry ny fiadanana.
Henoy ny fifonan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao, raha mivavaka amin’ity fitoerana ity izy; mihainoa any amin’ny fitoeram-ponenanao any an-danitra, mihainoa, ka mamelà heloka.
nony niray feo hankalaza sy hidera an’i Iaveh ireo nitsoka ny trômpetra sy ireo nihira, ka nampaneno ny feon’ny trômpetra aman-kipantsona mbamin’ny zava-maneno ka nankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony», tamin’izay dia tonga feno rahona anankiray ny trano, dia ny tranon’i Iaveh. Ka tsy afa-nijanona tao hanao ny fanompoana ireo mpisorona, noho ny rahona, fa nameno ny tranon’Andriamanitra ny voninahitr’i Iaveh.
Hiantso Ahy ianareo, dia ho avy sy hivavaka Amiko ianareo, ary hihaino anareo Aho. Hitady Ahy ianareo, dia hahita Ahy, satria hitady Ahy amin’ny fonareo tokoa ianareo;
Tamin’ny taona nahafatesan’i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo, nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjo. Ataovy lamodamoka ny fon’ity firenena ity, ary ataovy lalodalovana ny sofiny, dia tampeno ny masony, mba tsy hahita maso izy, sy tsy handre sofina ka tsy hibebaka sy tsy ho sitrana». Ary hoy aho: «Mandra-pahoviana, ry Tompo?» Ka hoy ny navaliny: «Mandra-paharingan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina, ka ny trano, tsy hisy olona intsony, ary ny tany ho rava sy lao; mandra-pitondràn’i Iaveh ny olona any lavitra, ka ho be ny lao amin’ny tany. Ary na ny ampahafolon’ny mponina aza no sisa eo, dia mbola haripaka indray ihany koa ireo. Kanefa toy ny terebinta sy ny aoka, rehefa voakapa mbola manam-pototra; ny fototr’i Israely, dia ho tsimoka masina.» Nisy Serafima nitoetra teo anatrehany; manana elatra enina avy: ny roa nisaronany tava; ny roa nisaronany tongotra, ny roa nanidinany. Niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe: «Masina, masina, masina i Iavehn’ny tafika! feno ny voninahiny ny tany rehetra.» Nihozongozona ny fanambanin’ny vavahady, noho ny feon’izay niantso mafy, ary tonga feno setroka ny trano.
Izao no lazain’i Iaveh: Ny lanitra no seza fiandrianako; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho Ahy, ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?
Hoy Izy tamiko: I Salômôna zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako; fa nofidiko ho zanako izy; ary toy ny ray ho azy Aho.
Ary nomena volotara toy ny tehina aho, dia nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, refeso ny Tempolin’Andriamanitra.
izay mitsangan-ko fahavalo sy manandra-tena ho ambonin’izay rehetra atao hoe Andriamanitra na ivavahana, ary sahy mipetraka ao amin’ny Tempolin’Andriamanitra sy maneho ny tenany ho Andriamanitra aza.
Nony nivoaka avy tao amin’ny Tempoly i Jesoa ka lasa nandeha, dia nanatona Azy ny mpianany hampijery Azy ny rafitry ny Tempoly;
dia hoentiko ho ao an-tendrombohitra masina, sy hampifaliko ao an-tranoko fivavahana, hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorona aman-tsorony: fa ny tranoko hatao hoe: trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra
ny jiron’Andriamanitra mbola tsy maty, ary i Samoela nandry teo an-tempolin’i Iaveh izay nisy ny fiaran’Andriamanitra;
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: ‹Indro lehilahy anankiray atao hoe Solofo; hitsimoka eo amin’ny fitoerany izy, ka hanao ny tempolin’i Iaveh.
Nony nivoaka avy tao amin’ny Fitoerana Masina ny mpisorona dia nameno ny tranon’i Iaveh ny rahona,
Tamin’ny taona faha-480, taorian’ny nivoahan’ny zanak’i Israely tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Salômôna tamin’i Israely, tamin’ny volana ziva, izay volana faharoa, no nanorina ny tranon’i Iaveh izy.