Mandritra fotoana fohy ihany no ahafahako mizara aminao ny maha izaho anay eto amin'ny fiangonana sady miarahaba anao tonga soa eto amintsika. Faly mihitsy izahay mandray anao, satria fantatro fa samy manana ny heviny sy ny talentany izay azo ifampizarana isika rehetra.
Tsara ho fantatrao koa fa ny ankamaroan'ny tanora toa anao dia te handray anjara mavitrika foana ao amin'izay fikambanana misy azy. Maro no efa mandray fanapahan-kevitra na dia mbola tsy manomboka aza ny fotoam-pivavahana, koa zava-dehibe ny ahitanao avy hatrany ao anatin'ny minitra vitsy monja, fa fiangonana mandray tsara ny olona izahay eto.
Noho izany, aoka isika ho modely, ho zanaka mendrika an'Andriamanitra, ho mpanompo tsara, na inona na inona andraikitra sahanintsika. (Jaona 13:35)
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Ary i Iaveh niseho taminy, teo amin’ireo terebintan’i Mambre, raha ilay nipetraka teo am-baravaran’ny lainy iny izy, tamin’ilay nigaingaina iny ny andro. Ary hoy izy: «Hiverina aty aminao indray Aho, raha avin-taona toy izao, ary hanana zazalahy i Sarà vadinao.» Ren’i Sarà teo am-baravaran’ny lay, teo ivohony, izany teny izany. Ary i Abrahama sy i Sarà dia efa samy antitra, ela andro niainana; ary i Sarà dia efa nitsaha-potoana, ka nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe: «Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hahalala izay fifalia-nofo koa? Ary ny tompoko koa itsy efa antitra!» Hoy i Iaveh tamin’i Abrahama: «Nahoana i Sarà no nihomehy nanao hoe: Izay izaho efa antitra ity ve dia mbola hiteraka indray? Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’i Iaveh va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray Aho; ary i Sarà dia hahazo zazalahy.» Nandà i Sarà nanao hoe: «Tsy nihomehy aho tsy akory;» fa natahotra izy. «Tsia fa nihomehy tokoa ianao,» hoy Izy. Nitsangana handeha ireo lehilahy ireo, dia nitodika nankany Sôdôma; i Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy. Ary hoy i Iaveh: «Hafeniko amin’i Abrahama va izay efa hataoko? I Abrahama anefa no ho tonga firenena lehibe sy mahery, sady aminy no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana mba hanaraka ny lalàn’i Iaveh, amin’ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny: ka hanatanterahan’i Iaveh amin’i Abrahama ny soa nampanantenainy azy». Nanopy ny masony ary nijery izy, ka indreto olona telo lahy nijoro nifanandrify aminy. Vao nahita azy izy, dia nihazakazaka avy eo am-baravaran’ny lainy, nitsena azy, ary rehefa niankohoka tamin’ny tany izy, Dia hoy i Iaveh: «Mafy loatra ny fitarainana miakatra avy amin’i Sôdôma sy Gômôra, ary lehibe indrindra ny fahotan’izy ireo. Koa hidina Aho ary hizaha raha efa feno tokoa ny halehiben’ny fahotany araka ny fitarainana tonga hatraty amiko, ary raha mbola tsy feno dia ho hitako.» Niainga ireo lehilahy ireo, ka nandeha nankany Sôdôma; fa i Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’i Iaveh ihany. Ary nanatona i Abrahama ka nanao hoe: «Hataonao maty miaraka amin’ny meloka koa va ny marina? Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao ka hovonoinao koa ve ireny? Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo, raha misy izany tokoa ao? Sanatria Anao izay hanao izany, ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka. Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka! Sanatria Anao izany. Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina?» Hoy i Iaveh: «Raha mahita olo-marina dimampolo ao an-tanàna Sôdôma Aho, dia hamindra fo amin’ny tanàna manontolo noho ny fitiavako an’ireo.» Fa hoy indray i Abrahama: «Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, izaho vovoka sy lavenona foana.» Angamba ho latsaka dimy ny dimampolo marina; ka dia haringanao ve ny tanàna manontolo, noho ny dimy? Hoy izy: «Tsy handringana azy Aho, raha mahita olo-marina dimy amby efapolo ao.» Dia mbola niteny taminy ihany i Abrahama, ka nanao hoe: «Angamba hoe efapolo ny olo-marina ao.» Ary hoy izy: «Tsy hanao izany Aho, noho ny fitiavako an’izy efapolo ireo.» dia nanao hoe: «Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao,
«Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao.»
Ry malala, iriko ho toraka ny an’ny fanahinao koa ny fanambinana ny raharahanao rehetra amam-pahasalamanao.
Dia hifaly kosa izay rehetra miantehitra Aminao; hafaliana tsy mety tapaka ny azy; dia hiaro azy Ianao; hibitabitaka amin-kafaliana izay tia ny Anaranao.
Fa ataovy toy ny tompon-tany ihany no fitondra ny vahiny mitoetra eo afovoanareo, tiavo toy ny tenanareo izy; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Ary hoy i Jônatasy tamin’i Davida: «I Iaveh Andriamanitr’i Israely! Hotsapaiko idada rahampitso na rahafakampitso, ka raha tsy misy atahorana ny amin’i Davida, ka tsy maniraka hilaza izany aminao aho, dia aoka hoentin’i Iaveh amin’izay ngidiny indrindra i Jônatasy. Ary raha ny hanisy ratsy anao no sitrak’idada dia hampandrenesiko izany koa ianao, ka halefako mba handehananao amim-piadanana, ary homban’i Iaveh anao, toy ny nombany an’idada. Ary raha mbola velona ihany aho, dia aoka ny hatsaram-pon’i Iaveh no hataonao amiko, ary raha maty aho, aoka tsy hoesorinao mandrakizay amin’ny fianakaviako ny hatsaram-ponao, na dia amin’izay handringanan’i Iaveh ny fahavalon’i Davida rehetra etỳ ambonin’ny tany aza».
Ary izao no lazao aminy: Ho ela velona anie ianao! Ho ao aminao anie ny fiadanana, ho ao amin’ny ankohonanao anie ny fiadanana, ho ao amin’ny zavatra rehetra anananao anie ny fiadanana.
Dia hoy i Davida taminy: «Aza matahotra, fa te hanisy soa anao aho, noho ny rainao i Jônatasy. Ny tanin’i Saola rainao haveriko aminao avokoa; ary ianao hihinana amin’ny latabatro mandrakariva.»
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Ary enga anie ka ny Andriamanitry ny fiadanana, izay nanatsoaka tamin’ny fahafatesana an’ilay Mpiandry ondry lehibe noho ny ran’ny fanekena mandrakizay, dia i Jesoa Tompontsika, no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra, mba hanatanterahanareo ny sitrapony, amin’ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy: ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
Mihanta aminao aho, aoka re ny mpanomponao hiverina, ary aoka aho ho faty any an-tanànako, akaikin’ny fasan’ikaky sy ineny. Fa io eo i Kamaama mpanomponao, ka izy no aoka handeha hiaraka amin’ny mpanjaka tompoko, ary aminy no ataovy izay sitrakao.»
Dia nandry izy, ka natory teo ambanin’ilay kofafambohitra. Fa indro nisy Anjely nanohitra azy kosa, nanao taminy hoe: «Miarena ianao, hihinana.» Nijery izy, ka indro tao amin’izay niondanany, nisy mofo nendasina tamin’ny vato nohafanaina, sy rano iray tavoara; ary rehefa nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray. Fa tonga fanindroany indray ilay Anjelin’i Iaveh, nanohina azy, sy nanao taminy hoe: «Miarena ianao fa lavitra loatra ho anao ny dia halehanao.»
Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida. Na dia izay olona sakaizako aza, izay nitokiako sy nihinana ny haniko, dia nanangana ny ombalahin-tongony hamely ahy.» Fa Ianao ry Iaveh, mamindrà fo amiko, areno aho, dia hamaly azy ireo araka ny tandrify azy. Ny hahafantarako fa tia ahy Ianao, dia raha tsy resin’ny fahavaloko aho. Noho ny tsy fananako tsiny dia nanohana ahy Ianao, ary nampitoetra ahy mandrakizay eo anatrehanao. Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely, amin’ny taona mandrakizay rehetra! Amen! Amen! Sambatra ny miahy ny mahantra, fa hovonjen’i Iaveh amin’ny andro fahoriana izy. Harovan’i Iaveh sy hovelominy izy; dia ho sambatra ambonin’ny tany, ary tsy mba hatolotrao amin’ny sitrapon’ny fahavalony.
‹Hitahy anao sy hiaro anao anie i Iaveh. Hampamirapiratra ny tavany aminao sy hamindra fo aminao anie i Iaveh. Hanandratra ny tavany aminao sy hanome fiadanana anao anie i Iaveh.›
Rain’ny kamboty, mpitsara ny mpitondratena Izy, Andriamanitra eo amin’ny fonenany masina.
Omeo ny rariny ny mahantra sy ny kamboty, omeo ny hitsiny ny ory sy ny malahelo. Vonjeo ny fadiranovana sy ny tsy manana, afaho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy izy.
Ny olona maro sakaiza, hahazo loza amin’ireny; fa mba misy izay sakaiza mifikitra noho ny rahalahy.
Aza mateti-piavy ao an-tranon’ny namanao, fandrao tofoka anao izy, ka hankahala anao.
Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va; sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana, sy ny hanafianao izay hitanao miboridana, ary ny tsy hivilianao tsy hijery ny tapaky ny tenanao?
nitsara ny adin’ny ory sy ny mahantra izy, ka amin’izany tsara ny zavatra rehetra. Moa tsy izany va no fahalalana Ahy, - teny marin’i Iaveh? -
Ny very hotadiaviko; ny nania, haveriko; ny naratra hotsaboiko; ary ny marary, hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako; handrasako ara-drariny izy ireo.
ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo, noho izy mpianatro, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.
Fa noana Aho nomenareo hanina, nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina, nivahiny Aho nampiantranoinareo, tsy nitafy Aho notafianareo, narary Aho novangianareo, tany an-tranomaizina Aho notsidihinareo. Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompo, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina; nangetaheta ka nomenay hosotroina? Oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafianay? Oviana no hitanay narary Ianao na tany an-tranomaizina ka novangianay? fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika. Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.
Ary ity no faharoa mitovy aminy ihany koa: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo.»
Fa nisy kosa Samaritanina anankiray nivahiny tonga teo aminy, ka nangoraka nony nahita azy. Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy, vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranom-bahiny ka nitsabo azy. Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano, ary nataony hoe: ‹Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny, dia honerako rahefa miverina aho.›
Ary hoy kosa Izy tamin’ilay nanasa Azy: «Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain’ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy. Fa raha manao fanasana ianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao: dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rehefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina vao hovaliana ianao.»
Ka raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia tsy maintsy mifanasa tongotra; satria nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo.
Ary tany Jôpe nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe Tabità, na hoe Dôrkasy raha adika, izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka. Narary izy tamin’izany andro izany, dia maty; ka nony avy nampandroina ny fatiny, dia napetraka tao amin’ny efitrano ambony. Ary i Lidà moa dia akaikin’i Jôpe ihany; ka ren’ny mpianatra fa hoe ao i Piera, dia naniraka roa lahy ho any aminy izy ireo hangataka azy hoe: «Aza miatoato hankatỳ aminay.» Dia nitsangana i Piera ka niara-nandeha tamin’ireo. Nony tonga izy, dia nentiny tany amin’ny efitra ambony, ka nohodidinin’ny mpitondratena rehetra, izay sady nitomany no nampiseho taminy ny lamba aman’akanjo nataon’i Dôrkasy fony fahavelony.
Ary tany Sezarea nisy lehilahy anankiray atao hoe Kôrnely, kapiteny tamin’ny antoko miaramila atao hoe Italianina. Raha efa izany, dia noana izy ka te hihinana; kanjo, ny olona nanao nahandro ho azy, izy azon-tsindrimandry. Nahita ny lanitra nisokatra izy sy zavatra anankiray toa lamba lehibe nifatotra tamin’ny zorony efatra, nidina avy any an-danitra ho etỳ an-tany. Ary tao anatiny nisy ny biby rehetra manan-tongotra efatra, sy ny biby mandady etỳ an-tany, ary ny voromanidina; Dia nisy feo nanao taminy hoe: «Mitsangàna, ry Piera; mamonoa ka mihinàna.» Fa namaly i Piera ka nanao hoe: «Sanatria, Tompoko, tsy mbola nihinan-javatra fady sy maloto aho.» Fa hoy indray ilay feo taminy: «Aza ataonao hoe maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.» Intelo no naverina natao izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin’izay ilay zavatra. Mbola mieritreritra ny hevitry ny zavatra hitany tamin’ny tsindrimandry eo i Piera no inay tonga ao am-bavahady ny irak’i Kôrnely manontany ny tranon’i Simôna. Dia niantso izy ireo, ka nanontany raha mitoetra ao i Simôna, izay atao hoe Piera. Amin’izany i Piera dia mbola nieritreritra ny fahitana eo ihany, ka hoy ny Fanahy taminy: «Indreo misy olona telo lahy mitady anao; Olona tia vavaka sy natahotra an’Andriamanitra izy mbamin’ny ankohonany rehetra, ary nanao fiantrana be tamin’ny olona sy nivavaka tamin’Andriamanitra mandrakariva.
Ary rehefa vita Batemy izy mbamin’ny ankohonany, dia nangataka taminay izy nanao hoe: «Raha mba ataonareo ho mpanompon’Andriamanitra koa aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao.» Nanaovany lemozy mihitsy izahay.
Isika izay matanjaka dia tokony handefitra ny fahalemen’izay osa, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny. Miaraha miravoravo amin’ny olony, ry Jentily, mbamin’ny hoe: Miderà ny Tompo ianareo firenena rehetra; ary mankalazà Azy, ry vahoaka rehetra. Hoy koa i Izaia: Hisy solofon’i Jese, izay hitsangana hifehy ny Jentily; Izy no hitokian’ny firenena rehetra. Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina. Izaho aloha, ry kristianina havana, raha ny aminareo, dia matoky aho fa feno hevitra tsara sy ny fahaizana rehetra ianareo, sady mahay mifananatra koa. Nefa nanoratra teny sasany an-kasahiana ho anareo aho, toy ny mampahatsiaro anareo indray, noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy mba ho mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny Jentily aho, amin’ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra, mba ho fanatitra ankasitrahiny ny Jentily, rehefa nohamasinin’ny Fanahy Masina. Koa mba manana rehareha ao amin’i Kristy Jesoa ihany aho, raha ny momba ny fanompoana an’Andriamanitra. Satria tsy ho sahiko lazaina raha zavatra tsy nampanaovin’i Kristy ahy, mba hampanaiky ny Jentily, na tamin’ny teny aman’asa, na tamin’ny herim-pamantarana amam-pahagagana, na tamin’ny Fanahy Masina; hany ka tongako hatraiza hatraiza ny fitoriana ny Evanjelin’i Kristy, dia hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Iliria; Samia mitady izay hahafaly ny namana, amin’izay hahasoa azy, sy hahatarika azy amin’ny tsara.
mba tsy hisy fisarahana eo amin’ny vatana, fa mba hifanasoa avokoa ny rantsam-batana rehetra. Koa raha mijaly ny rantsam-batana iray, dia miara-mijaly avokoa ny rantsam-batana rehetra; fa raha mahazo voninahitra kosa ny rantsam-batana iray, dia miara-mifaly ny rantsam-batana rehetra.
Satria ny fanaovana izany asa masina izany, dia sady hahatondraka izay ilain’ny olo-masina no hahabe ny fisaorana an’Andriamanitra koa. Eny, ho hitan’ny maro amin’izao fahafoizana ataonareo izao fa olona voazaha toetra tokoa ianareo, ka hankalaza an’Andriamanitra izy noho ny fanoavanareo manaraka ny Evanjelin’i Kristy, sy noho ny hatsoram-ponareo mampiombona azy sy ny olona rehetra aza amin’ny soanareo.
Koa dieny mbola manana andro isika, manaova soa amin’ny olona rehetra, fa indrindra amin’ny havana rehetra iray finoana.
Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, fa ny raharahan’i Kristy no saika nahafaty azy; ary ny fanefana ny fanompoana ahy tsy efanareo no nanaovany ny ainy tsy ho zavatra samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa.
Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.
Mangataka aminareo koa izahay, ry kristianina havana: anaro izay tsy mipetraka tsara, alao alahelo ny osa, ankaherezo ny malemy, mandefera amin’ny olon-drehetra.
tsara laza amin’ny asa soa: namelon-janaka, nampiantrano vahiny, nanasa tongotry ny olomasina, niantra ny ory, nazoto tamin’ny asa soa rehetra.
Aoka ny havantsika iray finoana koa hianatra hanao asa soa mba ho afa-manampy rehefa misy mahaporitra, fandrao olona tsy misy vokany izy.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Mahareta amin’ny fitiavana toy ny mpiray tam-po. Manana ôtely tsy azon’ny mpivavaka ao an-tranolay ihinanana isika. Satria izay biby entin’ny mpisorom-be ao amin’ny fitoerana masina ny rany, hatao fanatitra noho ny ota, dia dorana any ivelan’ny toby ny fatiny. Ary toy izany koa ny nijalian’i Jesoa tany ivelan’ny vavahady, mba hanamasinany ny olona amin’ny Rany. Koa mba hankanesantsika any aminy, dia aoka hivoaka any ivelan’ny toby isika, sy hitondra ny latsa nentiny. Fa fonena-mandalo no antsika etỳ an-tany, fa mitady ny ho avy isika. Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy. Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahin’Andriamanitra. Maneke ny lehibenareo, ary ankatoavy ny teniny, fa miambina ny fanahinareo toy ny olona mbola hampamoahina izy ireo. - mba ho an-kafaliana no hanaovany an’izany, fa tsy ho amin’alahelo, fa tsy mahasoa anareo izany. Mivavaha ho anay, fa te hanao tsara amin’ny zavatra rehetra izahay, ary matoky fa marina ny hitsim-ponay. Ny angatahako ny hanaovanareo izany indrindra anefa, dia ny mba hiverenako any aminareo faingampaingana. Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny, fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano Anjely, nefa tsy nahalala azy.
Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao.
Raha misy manan-karena amin’izao fiainana izao, ka mahita ny namany mahantra, nefa mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny? Anaka, aza tia am-bava sy amin’ny teny fotsiny, fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa.
Hotanterahin’i Iaveh izay nataony ho ahy, Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao: Aza mahafoy ny asan-tananao!
Aza mandà ny hanao soa amin’izay tokony hanaovana izany, raha mbola azonao atao koa ny manao izany aminy. Aza manao amin’ny namanao hoe: «Mandehana ka miverena; rahampitso aho manome», raha azonao atao ny manome eo noho eo.
Ny sakaiza dia ny tia amin’ny fotoana rehetra; amin’ny fahoriana, mitsangan-ko rahalahy izy.
Samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra; misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra atỳ ambany masoandro:
fa raha lavo izy ireo, azon’ny anankiray arenina ny namany. Fa loza kosa no mahazo ny manirery, ka lavo tsy misy namana hanarina azy!
Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
tsy hanapaka ny volotara vaky Izy, na hamono ny lahin-jiro manetona ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;
Ary raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatòna azy; ka rehefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra. Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny Jentily sy ny poblikanina.
«Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,
Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.
Niray toerana ny mpino rehetra, dia niombonany ny fananany rehetra, sy namidiny ny taniny sy ny fananany, ka nozarainy tamin’izy rehetra, araka izay nilainy avy.
Ary niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra; tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany daholo ny zavatra rehetra. Tamin-kery lehibe no nanamarinan’ny Apôstôly ny nitsanganan’i Jesoa Tompo ho velona, ary fahasoavana be no teo amin’izy rehetra. Tsy nisy mahantra teo amin’izy ireo, satria izay rehetra nanan-tany na trano, dia nivarotra azy sy nitondra ny vidin’izay lafo, ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apôstôly, ka nozarazaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy.
Indro i Febe anabavintsika, lazaiko tsara aminareo, fa mpikarakara ny Eglizy ao Senkrea, Veloma any amin’i Apela, mpanompo mahatokin’i Kristy. Veloma any amin’i Aristôbola mianakavy. Veloma any amin’i Herôdiôna havako. Veloma any amin’i Narsisy mianakavy, izay ao amin’ny Tompo. Veloma any amin’i Trifeno sy i Trifaozy, izay miasa ao amin’ny Tompo. Veloma any amin’i Persida malala, izay miasa fatratra ao amin’ny Tompo. Veloma any amin’i Rofosa olo-malaza ao amin’ny Tompo, sy any amin-dreniny izay reniko koa. Veloma any amin’i Asinkrito, i Flegôna, i Hermesy, i Patrôbosa, i Hermasy, mbamin’ny havana iray finoana ao aminy. Veloma any amin’i Filologo sy i Jolia, ary i Nerea mianadahy, sy i Olimpià, mbamin’ny olo-masina rehetra ao aminy. Mifampiarahabà amin’ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny Eglizin’i Kristy rehetra. Mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, mba hitandrin-tena amin’ireo mahatonga fisarahana sy fanafintohinana, fa tsy manaraka ny fampianarana efa noraisinareo; halaviro ireny. Fa tsy mba i Kristy no tompoin’ny olona toy ireny, fa ny kibony, ary teny malefaka sy manodòka no entiny mamitaka ny tsy ampy saina. Efa niely amin’ny olona rehetra ny lazan’ny fanekenareo izao, ka faly aminareo tokoa aho; fa hany iriko dia izao: mba ho hendry ianareo raha ny amin’ny tsara, fa tsy hahalala kosa raha ny amin’ny ratsy. mba handraisanareo azy tsara ao amin’ny Tompo, araka ny mendrika ny olo-masina, sy hanampianareo azy amin’izay rehetra ilàny anareo, araka ny nanampiany olona maro, hatramin’ny tenako aza.
fa niangavy mafy taminay izy mba hanana anjara amin’izany fanampiana ny olo-masina izany.
Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.
Misaora an’Andriamanitra isaky ny mahatsiaro anareo aho; dia ny miaritra ny ady hitanareo niaretako, sy renareo ho mbola iaretako koa ankehitriny. ary mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra, noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely, hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
Ary fantatrareo koa, ry Filipianina, fa tamin’ny niandohan’ny Evanjely, rehefa niala tany Masedônia aho, dia tsy nisy Eglizy nifanao kaontin’ny miditra sy mivoaka tamiko, afa-tsy ianareo ihany. Fony aho tany Tesalonika aza, dia nampanateranareo fanampiana indray mandeha aloha, dia nisy fanindroany koa.
ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana. Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay, sady manonona anareo amin’ny fivavahanay, ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason’Andriamanitra Raintsika ny asan’ny finoanareo, sy ny fahafoizan-tenan’ny fitiavanareo, ary ny faharetan’ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika;
Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry kristianina havana, fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra; ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany.
fa mifamporisiha isan’andro, dieny mbola misy izay atao hoe «anio,» mba tsy hisy hihamafy fo aminareo, noho ny famitahan’ny fahotana.
Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
Mifampiarahabà amin’ny fifanoroham-pitiavana. Ho ao aminareo rehetra izay ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanana.
Izany anie no holazain’ireo navotan’i Iaveh, dia ireo navotany ho afaka tamin’ny tanan’ny fahavalony,
Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida. Endrey, tsara sady mamy, ho an’ny mpirahalahy ny miara-monina!
Ny mampahory ny mahantra, maniratsira Ilay nanao azy; fa ny miantra ny tsy manana no manome voninahitra Azy.
Izay miantra ny mahantra, mampisambotra an’i Iaveh, ka Izy no hamaly ny soa nataony.
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao, sy mamoky ny fanahy miferinaina; hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.
Iza amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?» Dia hoy ilay mpampiana-dalàna: «Ilay niantra azy» «Mandehana àry, hoy i Jesoa taminy, ka manaova toy izany koa.»
Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.»
Ary tany Jôpe nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe Tabità, na hoe Dôrkasy raha adika, izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka.
Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy.
ary hanao soa, sy ho tonga tena mpanan-karena amin’ny asa soa, hazoto manome sy miantra,
Izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an’ny Tenany ny vahoaka izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.
Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahin’Andriamanitra.
Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan’andro, ka ilazan’ny iray aminareo hoe: Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa, nefa tsy omeny izay ilain’ny vatany, inona no soa azony amin’izany?
Mifanompoa manaraka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, fa samy manana ny soa nomen’Andriamanitra azy avy, ka mahaiza mizara tsara.
i Iaveh miaro ny mpivahiny; manohana ny kamboty ama-mpitondratena Izy; fa mampiolakolaka ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.
Aza mahafoy ny sakaizanao aman-tsakaizan-drainao; ary aza miditra ny tranon’ny rahalahinao amin’ny andron’ny fahorianao: fa aleo namana akaiky toy izay havan-davitra.
Fa noana Aho nomenareo hanina, nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina, nivahiny Aho nampiantranoinareo,
Fa raha manao fanasana ianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao:
Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.