Ry sakaiza, fantatrao ve fa mety handrava antsika mihitsy ilay fanahiana be loatra? Ilay te-hifehy ny zava-drehetra, dia avy eo sorena rehefa tsy araka ny nieritreretana azy, mety hanimba ny fiadanantsika, ny torimasontsika, ny fahasalamantsika mihitsy aza izany. Tsy tokony hoizintsika izany raha tena mpanara-dia an’Andriamanitra isika.
Mampiseho tsy fahatokisana Azy mantsy izany. Tsy tian’ny Fanahy Masina hitondra izany enta-mavesatra izany isika. Tiany hatoky ny herin’i Jesosy kosa isika, hiantehitra Aminy, ary hahita ny voninahiny na inona na inona mitranga.
Nampianarin’i Jesosy Kristy isika tsy hanahy, tsy hitebiteby amin’ny na inona na inona. Ny tena vahaolana amin’izany dia ny fatokisana Azy, ny tsy fifantohana amin’izay tsy ananantsika, ary ny fahatsiarovana fa mikarakara antsika Izy.
Lehibe lavitra noho ny harena rehetra eto an-tany ny fitiavany, izay mitondra fiadanana sy fitoniana ho antsika. Aoka isika hamela ny fitiavany hanafaka antsika, ka hanompo an’Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra. Dia hahita fitsaharana sy fiadanana isika amin’izany.
Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy mihoatra noho ny hanina va ny aina ary noho ny fitafiana ny tena? Diniho ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; fa dia ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? Ary iza eo aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia hakiho iray akory aza?
Apetraho amin’NY TOMPO ny entanao ary Izy no hiantoka anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. hilaza Aminy hoe: Ianao va ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika? Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy mihoatra noho ny hanina va ny aina ary noho ny fitafiana ny tena?
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
Ary amin’izany, aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro iray ny ratsy miseho ao aminy.
Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza mangorohoro na matahotra ny fonareo.
Ataoko eo anatrehako mandrakariva NY TOMPO; rehefa eo ankavanako Izy dia tsy mangozohozo aho.
Ny ahiahy ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy, fa ny teny soa no mampifaly azy.
NY TOMPO no miandany amiko ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko? NY TOMPO no miandany amiko sady mamonjy ahy ary ho faly aho hahita ny amin’izay mankahala ahy.
Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina sy ny alim-pandry ka homana ny hanina azo amin’ny fahasahiranana; izany anefa dia omeny ihany ho an’ny malalany na dia matory aza izy.
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5). Koa sahy miteny isika hoe: «NY TOMPO no Mpamonjy ahy ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?» (Sal 118.6)
Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko, zahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro; zahao na misy lalana mety ahitan-doza ato anatiko, dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Tsy misy tahotra ao amin’ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka dia mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana.
Mihavàna haingana amin’ilay manana ady aminao raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa dia hanolotra anao amin’ny mpiambina ka hatao ao an-tranomaizina ianao. Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny kaodiranta farany indrindra.
NY TOMPO no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? NY TOMPO no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako?
Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana koa hahafahanareo mahazaka izany.
Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Amin’Andriamanitra tokoa no iantombenan’ny fanahiko; avy Aminy ny famonjena ahy. Aza miankina amin’ny fanaovana an-keriny ary aza manantena ny zavatra azo tamin’ny halatra; raha mitombo ny harena dia aza anorenana ny fonareo. Indray mandeha no nitenenan’Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: An’Andriamanitra ny hery. Anao koa, Tompo ô, ny famindrampo, fa Ianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy. Izy tokoa no fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.
Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.
Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay ihany Andriamanitra.
Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha. dia tsy hisy loza hanjo anao, na aretin-dratsy hanakaiky ny tranolainao. Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro anao eny amin’izay rehetra alehanao; Eny an-tanany no hitondran’ireo anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Ny liona masiaka sy ny vipera dia hodiavinao, ny liona tanora sy ny menarana dia hohitsakitsahinao. Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany dia hovonjeko izy ka ho afa-mandositra; hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho satria mahalala ny anarako izy. Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako fahelavelona izy ary hasehoko azy ny famonjeko. Izaho dia hilaza an’NY TOMPO hoe: Fialofako sy manda fiarovana ho ahy Izy, Andriamanitro izay itokiako!
Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra! Hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho.
aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany, satria mahatoky ilay nanao ny teny fikasana;
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay.
Amin’ny andro atahorako no itokiako Anao. Andriamanitra no deraiko noho ny teniny; Andriamanitra no itokiako ka tsy mba hatahotra aho. Inona no hataon’ny nofo amiko?
Koa Andriamanitro anie hanatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny harenany amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.
NY TOMPO hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky anao na dia ao amin’ny tany karankaina aza ary hampatanjaka ny taolanao koa. Dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao ary ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.
Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Nahoana ianao ry fanahiko no mitanondrika ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an’Andriamanitra ianao! Fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen’ny tavany.
Niandry fatratra NY TOMPO aho dia niondrika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako. Tsy mba nafeniko tato am-poko ny fahitsianao, ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindramponao sy ny fahamarinanao tamin’ny fiangonan-dehibe aho. Ianao, TOMPO ô, aza manakana ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindramponao sy ny fahamarinanao no hiaro ahy mandrakariva. Nanodidina ahy ny loza tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko ka tsy mahazaka mijery azy aho; maro noho ny volon-dohako ireny ka reraka ny foko. Aoka ho sitrakao, TOMPO ô, ny hanafaka ahy! TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy! Aoka ho indray hitsanga-menatra sy hangaihay izay mitady hanaisotra ny aiko; aoka hiamboho sy hitsanga-menatra izay maniry ahy hidiran-doza! Aoka ho ankona noho ny fahamenarany ireo izay milaza amiko hoe: Hia! Akory izay! Aoka ho faly sy ho ravoravo Aminao izay rehetra mitady Anao! Aoka izay rehetra tia ny famonjenao hiteny mandrakariva hoe: Lehibe NY TOMPO! Na dia ory sy mahantra aza aho dia ny Tompo no mihevitra ahy. Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Ianao; aza ela, Andriamanitro ô! Nampiakatra ahy avy tao amin’ny lavaka fandringanana Izy; eny, tamin’ny fotaka mandrevo; nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy. Nanisy hira vaovao teo am-bavako Izy, dia fiderana an’Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky NY TOMPO.
Mifalia mandrakariva. Mivavaha ka aza mitsahatra. Misaora amin’ny zavatra rehetra fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.
Fa masoandro sy ampinga NY TOMPO Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’NY TOMPO, tsy miaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena. Tsy misy lalàna manohitra izany.
Fa misy tombontsoa lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra raha mahay mianina amin’izay ananana. Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona rehefa miala.
Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalana tokony halehanao Aho; hanolo-tsaina anao Aho ary hitsinjo anao ny masoko.
Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
Isaorana isanandro isanandro anie ny Tompo; raha misy mahavesatra antsika dia Andriamanitra no famonjena antsika. Fiatoana.
Mangataha dia homena ianareo; mitadiava dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
Raha izaho dia Andriamanitra no antsoiko ary NY TOMPO no hamonjy ahy. Hariva sy maraina ary mitataovovonana no itarainako sy itolokoako dia hihaino ny feoko Izy
Miandrasa NY TOMPO amim-pahanginana ianao ka manantenà Azy; aza tezitra amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia amin’izay olona manao sain-dratsy.
Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Na dia handeha ao anatin’ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Ianao; hanatsotra ny tananao hanohitra ny fahatezeran’ny fahavaloko Ianao ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana.
Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany dia hovonjeko izy ka ho afa-mandositra; hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho satria mahalala ny anarako izy.
Mandehana, ry oloko, midira ao amin’ny efitranonao, ary mirindrìna varavarana ianao; miere kely indray mipy maso monja mandra-pahalasa ny fahatezerana. Fa indro NY TOMPO mivoaka avy amin’ny fitoerany hampamoaka ny mponina amin’ny tany ny helony; hampiseho ny ra izay nofohiny ny tany ka tsy hanafina intsony ny olona izay novonoina teo aminy.
Mitondra fahazavana ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ny olona tso-po.
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.
Fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no mitantana ny tananao havanana, dia Ilay miteny aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
Eny, heveriko fa ny fahoriana amin’izao fotoana ankehitriny izao dia tsy mendrika oharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika.
Tsy asariona iray ihany va no vidin’ny tsintsina roa? Nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo. i Filipo sy i Bartolomeo; i Tomasy sy i Matio mpamory hetra; i Jakoba, zanak’i Alfeo; Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
Handry amin’ny fiadanana aho ka hatory avy hatrany satria Ianao irery, TOMPO ô, no mampitoetra ahy tsy manana ahiahy.
Koa aza manahaka azy ianareo; fa alohan’ny hangatahanareo Aminy dia efa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo.
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
Tao amin’ny fahoriana no niantsoako NY TOMPO, dia namaly ahy NY TOMPO ka nampahalalaka ahy.
Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao; nomenao fahasahiana aho ka nahazo hery ny fanahiko.
Ianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ny fahoriana Ianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. Fiatoana
sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Aminao, TOMPO ô, no anandratako ny fanahiko. Ny lalan’NY TOMPO rehetra dia famindrampo sy fahamarinana ho an’izay mitandrina ny fanekeny sy ny teny vavolombelony. Noho ny anaranao, TOMPO ô dia mamelà ny heloko fa lehibe izany. Iza no lehilahy matahotra NY TOMPO? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny. Hitoetra amin’ny soa izy ary handova ny tany ny taranany. Ny fisainana miafin’NY TOMPO dia asehony amin’izay matahotra Azy ary ny fanekeny no hampahafantariny azy. Mijery NY TOMPO mandrakariva ny masoko fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin’ny fandrika harato. Todiho aho ka amindrao fo fa irery aho ka ory. Mitombo ny fahorian’ny foko; afaho amin’ny fahatereko aho. Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko ka mamelà ny fahotako rehetra! Jereo ny fahavaloko fa marobe izy ary loza ny fankahalany ahy. Andriamanitro ô, Ianao no itokiako, aoka tsy hitsanga-menatra aho! Aoka tsy hibitahan’ny fahavaloko aho!
Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; hatoky aho fa tsy mba hatahotra. Satria NY TOMPO, NY TOMPO no tanjako sy heriko, fa efa famonjena ahy Izy.
Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesosy, mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika!
Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetranay ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny. Fa ny fahoriantsika ankehitriny dia maivana sy vetivety foana, ary manomana antsika ho amin’ny voninahitra mandrakizay izay tsy misy fetrany sady manan-danja lehibe. Raha tsy mijery ny hita isika fa ny tsy hita; fa ny hita dia mandalo ihany, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
Mifampitondrà izay mavesatra ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalànan’i Kristy.
Ny foko manontolo no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, TOMPO ô; ny didinao no hotandremako;
Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Matokia NY TOMPO mandrakizay, fa NY TOMPO, NY TOMPO no Vatolampy mandrakizay.
Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Ianao, efa nanaisotra ny akanjo fisaonako Ianao ka nampisikina ahy fifaliana, mba hankalazako ny voninahitrao ka tsy hangina aho. TOMPO Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakariva aho.
Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy mihoatra noho ny hanina va ny aina ary noho ny fitafiana ny tena? Diniho ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; fa dia ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? Ary iza eo aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia hakiho iray akory aza? Nahoana koa no manahy ny amin’ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin’ny voninkazo eny an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo fa na dia i Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy na dia tahaka ny iray amin’ireny voninkazo ireny.
Koa aza manahy ianareo ka miteny hoe: Inona no hohaninay? Na: Inona no hosotroinay? Na: Inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny Jentilisa fatratra; fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Ary amin’izany, aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro iray ny ratsy miseho ao aminy.
Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia hakiho iray aza? Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin’ny sisa?
Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.