Ry sakaiza, fantatro fa misy fotoana mahatsiaro alahelo sy te hilavo lefona isika. Mety tsy araka ny nieritreretana azy ny zava-nitranga, ka mahatsiaro ho very tanteraka. Kanefa, raha mbola misy fofonaina, raha mbola miposaka ny masoandro isan'andro, dia mbola misy fanantenana be dia be ho antsika.
I Jesosy no tena fifaliantsika, Izy no fanantenana mihazona antsika, ary Izy no hery manosika antsika handroso hatrany. Ny fitiavany no ahafahantsika miatrika ny zava-drehetra, Izy no aro sy fiarovana ho antsika. Na inona na inona mitranga amintsika ankehitriny, na mahatsiaro kivy sy te hilavo lefona aza isika, dia tadidio fa mbola afaka manatanteraka ny nofinofintsika isika, mbola afaka mahita ny fianakaviantsika miray indray, mbola afaka mahazo fahasalamana ara-batana sy ara-panahy.
Tsy misy zavatra tsy hain'ny Tsitoha atao. Koa mitsangàna, fafao ny ranomasonao, derao Andriamanitra ary banjino amin'i Jesosy ny masonao mba hiha-matanjaka ny finoanao. Na dia ao anatin'ny fitsapana aza, dia afaka mahatsapa fifaliana isika, sady midera ny halehiben'i Jehovah amin'ny vavantsika.
Tadidio fa mandalo ihany izao fotoana izao. Efa nanomana zavatra lehibe ho antsika Andriamanitra. Matokia Azy, tantano ny tànany, ary resaho amin'ny anarany ireo sakana rehetra. Araka ny nolazain'i Jesosy hoe: "Raha amin'ny olona dia tsy hainy, fa amin'Andriamanitra ny zavatra rehetra dia hain'ny." (Matio 19:26).
Nefa Jesosy niteny tamin’izy ireo niaraka tamin’izay hoe: Matokia fa Izaho ihany, aza matahotra.
Mahereza sy matanjaha; aza matahotra azy na mangorohoro; fa NY TOMPO Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
satria izy rehetra dia samy nahita Azy avokoa ka raiki-tahotra. Ary niteny tamin’izy ireo niaraka amin’izay Izy hoe: Matokia! Izaho ihany ity, aza matahotra!
Ary indro, nisy lehilahy iray malemy, nandry tamin’ny fandriana noentin’ny olona teo Aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ireo, dia niteny tamin’ilay malemy hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.
Fa Jesosy nibanjina azy ka niteny tamin’ireo hoe: Tsy hain’ny olona izany, kanefa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. hilaza Aminy hoe: Ianao va ilay ho avy sa mbola hafa no andrasantsika? Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.
Nitsangana teo anilany ny Tompo tamin’iny alina iny ka niteny hoe: Matokia! Tahaka ny nanambarànao Ahy tany Jerosalema no tsy maintsy mbola hanambarànao Ahy any Roma koa.
Ary Jesosy nihodina ka nahita azy dia niteny hoe: Matokia, ry zanako vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho.
Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha, aza matahotra na mivadi-po fa momba anao NY TOMPO Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao.
NY TOMPO no mandeha eo alohanao; Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
Raha mitoetra ao Amiko ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko dia angataho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany.
Raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamakivaky ny afo ianao dia tsy ho may, fa tsy handoro anao ny lelafo.
Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza mangorohoro na matahotra ny fonareo.
Hisaotra NY TOMPO izay manolotsaina ahy aho; na amin’ny alina aza dia mananatra ahy ny foko. Ataoko eo anatrehako mandrakariva NY TOMPO; rehefa eo ankavanako Izy dia tsy mangozohozo aho.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy. Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra! Hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho. Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no momba antsika, Andriamanitr’i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. Fiatoana Koa izany no tsy atahorantsika na dia mihovotrovotra aza ny tany, na dia mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra, na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. Fiatoana
NY TOMPO no Mpiaro anao; NY TOMPO no fialofanao eo ankavananao. Tsy mba hamely anao ny masoandro nony andro, na ny volana nony alina. Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra NY TOMPO; eny, hiaro ny fanahinao Izy. Hiaro anao NY TOMPO, na mivoaka ny trano ianao na miditra, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Izany teny izany no efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana Amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay.
Ary indro Aho momba anao ka hiaro anao amin’izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ity tany ity. Tsy handao anao Aho mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.
Hotahina izay olona matoky NY TOMPO, dia izay manana NY TOMPO ho tokiny. Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha; koa tsy matahotra na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso foana ny raviny; tsy hanahy izy na dia mihantona aza ny andro satria tsy hitsahatra ny famoany.
Asandrato ny masonareo ka mijere! Iza no nahary ireny? Dia Izy izay mamoaka ny tafik’ireny araka ny isany avy. Antsoiny amin’ny anarany avy izy rehetra noho ny tanjany lehibe sy ny heriny tsy toha ka tsy misy latsaka na dia iray akory aza.
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!
Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahin’ny fahosana isika fa fanahin’ny hery sy ny fitiavana ary ny fahononan-tena.
Sambatra ianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny Amiko. Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no momba antsika, Andriamanitr’i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. Fiatoana
Na dia ny olona tanora aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; fa izay manantena NY TOMPO kosa dia mahazo hery vao. Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra, handeha izy, nefa tsy ho reraka.
Raha mandeha hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy fitondra miady ary olona maro noho ianao dia aza matahotra azy; fa NY TOMPO Andriamanitrao kosa, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, no momba anao.
Ao amin’ny tranon’ny Raiko misy fonenana maro; raha tsy izany dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Amin’izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko ary ianareo dia ato Amiko, ary Izaho ao aminareo. Izay manana ny didiko ka mitandrina izany dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy. Hoy i Jodasy, tsy Iskariota, Taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao fa tsy amin’izao tontolo izao koa? Dia namaly azy i Jesosy hoe: Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka hanorina fonenana ao aminy. Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ny Ray izay naniraka Ahy. Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza mangorohoro na matahotra ny fonareo. Efa renareo fa nilaza taminareo Aho hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo dia ho faly satria mankany amin’ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. Ary ankehitriny, efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ary izay misy Ahy no hisy anareo koa.
Avy amin’NY TOMPO no mahalavorary ny dian’ny olona ka Izy no mankasitraka ny lalany; na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka satria NY TOMPO no mitantana azy.
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Aza matahotra azy fa efa natolotra eo an-tananao izy ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.
Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
NY TOMPO no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? NY TOMPO no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako?
Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoanany no hijinjantsika raha tsy kivy isika.
Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: «Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory» (Jos 1.5). Koa sahy miteny isika hoe: «NY TOMPO no Mpamonjy ahy ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?» (Sal 118.6)
Hiantso Ahy izy dia hamaly azy Aho; ho eo aminy Aho raha ory izy; hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao; nomenao fahasahiana aho ka nahazo hery ny fanahiko.
Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
Matokia NY TOMPO amin’ny fonao manontolo; aza miantehitra amin’ny fahalalanao; mahaiza mamantatra Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy no handamina ny lalanao.
Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetranay ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny. Fa ny fahoriantsika ankehitriny dia maivana sy vetivety foana, ary manomana antsika ho amin’ny voninahitra mandrakizay izay tsy misy fetrany sady manan-danja lehibe. Raha tsy mijery ny hita isika fa ny tsy hita; fa ny hita dia mandalo ihany, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
Amin’Andriamanitra tokoa no iantombenan’ny fanahiko; avy Aminy ny famonjena ahy. Aza miankina amin’ny fanaovana an-keriny ary aza manantena ny zavatra azo tamin’ny halatra; raha mitombo ny harena dia aza anorenana ny fonareo. Indray mandeha no nitenenan’Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: An’Andriamanitra ny hery. Anao koa, Tompo ô, ny famindrampo, fa Ianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy. Izy tokoa no fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.
Mifalia mandrakariva. Mivavaha ka aza mitsahatra. Misaora amin’ny zavatra rehetra fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.
Amin’ny andro atahorako no itokiako Anao. Andriamanitra no deraiko noho ny teniny; Andriamanitra no itokiako ka tsy mba hatahotra aho. Inona no hataon’ny nofo amiko?
Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesosy Kristy.
Tsy izany ihany anefa, fa mirehareha koa isika na dia amin’ny fahoriana aza satria fantatsika fa ny fahoriana dia mahatonga faharetana; ny faharetana dia mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ny fahatsaram-panahy voazaha toetra dia mahatonga fanantenana. Ary ny fanantenana dia tsy mba mahamenatra, satria ny fitiavan’Andriamanitra dia nampidinina ho ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay nomena antsika.
aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany, satria mahatoky ilay nanao ny teny fikasana;
Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa na dia rehefa iharan’ny fizahan-toetra samihafa aza ianareo, fa ny fahatezeran’ny olona dia tsy ahefana ny fahamarinana araka an’Andriamanitra. Koa ario ny fahalotoana rehetra sy ny faharatsiana tafahoatra, ary ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena ao aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo. Fa aoka ho mpankato ny teny ianareo fa aza mihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. Fa raha misy mpihaino ny teny nefa tsy mankatò azy dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra; fa mijery ny tenany izy dia lasa ary miaraka amin’izay dia hadinony ny tarehiny. Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, ny lalànan’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino fa mankatò izany amin’ny asany, dia ho sambatra amin’ny fampiharana azy io olona io. Raha misy mihevi-tena ho mpivavaka, nefa tsy mahafehy ny lelany fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’izany olona izany. Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: Ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany ary ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao. satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy ho tonga ohatra ianareo ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.