Eto amin’ny fiainana ange, samy manana ny lalana alehany isika e. Misy fotoana mazava sy tsara ilay lalana, fa misy kosa maizina sy mampisafotofoto.
Ampianarin’ny Baiboly isika fa tompon’andraikitra amin’ny safidy ataontsika sy ny lalana izay fidintsika harahina. Ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, mihoatra ny enimpolo no ahitana ny teny hoe “lalana”. Tsy lalana ara-batana fotsiny no tiana holazaina amin’io fa ny lalan’ny fiainana mihitsy koa.
Mananatra antsika ilay mpanjaka hendry, Solomona hoe: “Tandremo tsara ny alehanao, ary ho tàhiny avokoa ny làlanao rehetra” (Ohabolana 4:26). Isika mihitsy no asaina mandinika sy misafidy ny lalana mahitsy.
Tsy mitovy mihitsy ny lalan’ny adala sy ny an’ny hendry. Ny adala mandeha toy ny miady amin’ny tsilo, feno sakantsakana sy fahasahiranana. Ny hendry kosa mandeha amin’ny làlana voalamina tsara, tsy misy fahatafintohinana ary miramirana ny endriny (Ohabolana 15:19).
Tsy kisendrasendra akory ny hatsaran’ny lalantsika. Miankina amin’ny safidintsika sy ny toe-tsaintsika izany. Raha mania amin’ny lalan’Andriamanitra isika dia noho isika nisafidy ny hanaraka ny sitrapontsika fa tsy nanolotra ny diantsika ho eo an-tànan’ny Tompo. Mampitandrina antsika ny Baiboly hoe: “Ny fon’ny olona mieritreritra ny làlany; Fa Jehovah no mampandeha ny diany.” (Ohabolana 16:9).
Raha mahatsapa ianao fa mania amin'ny lalan'Andriamanitra dia tsy mbola tara loatra ny miverina. Ekeo ny andraikitrao ary ekeo ny vokatry ny safidinao. Aza manome tsiny ny hafa intsony fa ekeo fa Andriamanitra dia hitaky aminao ny amin’ny lalana izay alehanao.
Ankino amin’ny Tompo ny lalanao, mitadiava ny fahendreny ary araho ny didiny. Na dia efa diso aza ianao dia mbola eo foana ny fitiavana sy ny fahasoavan’Andriamanitra hitarika anao hiverina amin’ny lalana mahitsy. Araka ny nolazain’ny mpanao Salamo hoe: “Ampandehano amin’ny làlan’ny teninao ny diako, ary aza avela hisy heloka hanapaka ahy.” (Salamo 119:133).
Koa tsarovy àry fa tompon’andraikitra amin’ny lalanao ianao. Safidio amim-pahendrena ary matokia ny Tompo hitarika ny dianao ho amin’ilay fiainana feno izay efa nomaniny ho anao.
Fa efa nania toy ny ondry ianareo (Isa 53.6) nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin’ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.
Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’NY TOMPO nihatra Taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Samy efa nivily lalana izy rehetra ka tonga nanao zava-betaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara na dia iray akory aza.
Ny olona izay mivily miala amin’ny lalan’ny fahendrena dia hitoetra ao amin’ny fivorian’ny fanahin’ny maty.
Ondry very ny oloko, fa nampirenireny azy ny mpiandry azy, eny, nampirenireny azy teny an-tendrombohitra izy; nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny an-kavoana ireny ka hadinony ny tany fatoriany.
Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato ka mania ny iray, moa tsy hamela ny sivy amby sivifolo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania? Ary raha toa ka hitany izany dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy amby sivifolo izay tsy nania. Tahaka izany dia tsy sitraky ny Rainareo izay any an-danitra raha ho very na dia iray monja aza amin’ireny madinika ireny.
Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato ka very ny iray no tsy mandao ny sivy amby sivifolo any an-tany efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Rehefa hitany iny dia lanjainy eo an-tsorony ka faly izy; ary rehefa tonga ao an-trano izy dia manasa ny namany sy ny mpiaramonina aminy ka milaza aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very. Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka mihoatra noho ny amin’ny olona marina sivy amby sivifolo izay tsy misy tokony hibebahany.
Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ny lalan’ny fiainana, fa mivily lalana izay manadino anatra.
Ary na dia ny levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin’ny nivilian’ny Israely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.
Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina ary efa nanandrana ny teny tsaran’Andriamanitra sy ny herin’ny fiainana ho avy, nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’Andriamanitra indray amin’ny hazofijaliana ka manala-baraka Azy.
Ho an’ny mpisorona izay nohamasinina avy amin’ny taranak’i Zadoka izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandremana ka tsy nivily tamin’ny nivilian’ny Zanak’Israely, tahaka ny nivilian’ny levita.
Fa raha misy efa afaka tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’izany indray ka resy, dia tonga ratsy noho ny tamin’ny voalohany ny amin’izany olona izany. Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan’ny fahamarinana akory izy, toy izay hiala amin’ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany. Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: «Ny amboa no miverina indray amin’ny loany» (Oha 26.11), ary: Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray.
Lozan’izy ireo fa nandositra Ahy izy! Haringana izy satria nikomy tamiko! Ta hanavotra azy Aho, kanefa lainga no entiny milaza Ahy.
Fony tsy mbola azom-pahoriana aho dia naniasia; fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho.
amin’ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian’ny sasany, koa toy ny olona vaky sambo izy amin’ny lafin’ny finoana; no mamangy an’i Timoty, tena zanako amin’ny finoana: Ho aminao anie ny fahasoavana, famindrampo, fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika. naman’ireny i Himeneo sy i Aleksandra, izay natolotro ho an’i Satana mba hofaizina tsy hiteny ratsy.
Koa hevero fa mora fanahy Andriamanitra nefa hentitra: Amin’izay lavo dia hentitra Izy; fa aminao kosa dia mora fanahy Andriamanitra, raha maharitra ao amin’ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany dia hotapahina koa ianao.
Koa tezitra tamin’izany taranaka izany Aho ka niteny hoe: Ireo dia maniasia amin’ny fony mandrakariva ka tsy nahalala ny lalako.
Amin’izany andro izany dia maro no ho tafintohina ka hifampiampanga sy hifankahala. Hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka olona maro. Ary noho ny haben’ny tsy fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro. Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.
Avy teto amintsika ihany no nialan’ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha toa ka namantsika izy dia ho nitoetra teto amintsika ihany; kanefa niala izy mba haseho fa tsy namantsika izy rehetra.
Samy nania avokoa izy rehetra, samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza» (Sal 14.1-3).
Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ny fahamarinana, ary misy iray mampibebaka azy, Ny harenanareo dia efa simba ary ny fitafianareo dia efa lanin’ny kalalao. aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka marobe.
Ry rahalahy, raha misy olona sendra azon’ny ota dia atsanganonareo izay ara-panahy amin’ny fahamorana izy ka tandremo ny tenanao, fandrao halaim-panahy koa ianao.
Raha mampalahelo ny rahalahinao ny zavatra fihinanao dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny zavatra haninao no animbanao azy, fa efa maty hamonjy azy Kristy.
Raha miaiky ny fahotantsika isika, Izy izay mahatoky sy marina, dia mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona. Fa mifananara isanandro raha mbola atao hoe Anio, fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota.
Miverena ianareo, ry zaza mpikomy, fa hositraniko ny fikomianareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Ianao, RY TOMPO, no Andriamanitray.
Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; koa miorena tsara fa aza mety hohazonin’ny ziogan’ny fanandevozana indray.
Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin’ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo?
Izay mpandeha ka nihemotra dia afa-po amin’izay alehany, fa ny tsara fanahy kosa ho afa-po amin’izay azy ihany.
Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
Mahonòna tena, miambena. Fa ny devoly fahavalonareo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;
Nefa Izaho nangataka ho anao mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao dia ampaherezo ireo rahalahinao.
Efa nania aho; tadiavo toy ny fitady ondry very ny mpanomponao, fa tsy mba hadinoiko ny didinao.
Hoy Jesosy tamin’izy rehetra: Raha misy ta hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany, dia hitondra ny hazofijaliany isanandro ka hanaraka Ahy.
Fa ho amin’izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo mba hanarahanareo ny diany;
Fa indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao. Fa ny amiko dia ny manakaiky an’Andriamanitra no mahatsara ahy; Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô, no nataoko fialofana, mba hitantarako ny asanao rehetra.
ny fanahy diso lalana dia mbola hahazo fahalalana, ary izay mimonomonona dia mbola hahazo lesona hampahendry azy.
Fa isika koa dia mba adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka; eny, andevon’ny filana sy ny fahafinaretana isan-karazany ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana sady nankahalaina no nifankahala.
Tsy izay rehetra miteny amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra. Maro no hilaza Amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? Tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà Amiko, ianareo tsy mpanao ny marina.
Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano.
Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, fa fiandrasana mahatahotra amin’ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
Fa izay mivily ho amin’ny sakeli-dalana mivilivily dia horoahin’NY TOMPO miaraka amin’ny mpanao ratsy! Fiadanana anie ho amin’ny Israely.
Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mitondra ho amin’ny fahafatesana dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana; ho an’izay nanao ota tsy ho amin’ny fahafatesana izany. Misy ota ho amin’ny fahafatesana. Tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin’izany izy.
Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin’ny fitomaniana koa ankehitriny kanefa fahavalon’ny hazofijalian’i Kristy ireny; fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, tsy misaina afa-tsy ny zavatry ny tany izy.
Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na nifehy izay tapaka ny tongony, na mamerina ny diso lalana, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny nanjakazakanareo taminy.
Fa raha ny marina no miala amin’ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon’ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana. Noho ny fahadisoana sy ny fahotana izay nataony dia ho faty izy.
Manao vela-pandrika haningotra ahy ny ratsy fanahy, kanefa tsy mania miala amin’ny didinao aho.
Satria vavolombelon’ireny aho, fa manana hafanam-po ny amin’Andriamanitra izy saingy tsy araka ny fahalalana.
Izay nipetraka tao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana dia voafato-pahoriana sy vy satria nandà ny tenin’Andriamanitra sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra;
Tafasaraka amin’i Kristy ianareo na iza na iza mitady hohamarinina amin’ny lalàna. Efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo;
Nania tamin’ny marina ireny ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ny maty, dia mandrava ny finoan’ny sasany izy amin’izany.
Mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana ka ho voaloto ny maro;
fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho dia holavina kosa.
Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka dia ho torotoro tampoka ka tsy hisy fanafana.
Ireo teny amin’ny tany be vato dia izay mandre sady mandray ny teny amin’ny hafaliana; nefa tsy niorim-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin’izay andro isehoan’ny fakam-panahy dia mihemotra izy.
Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa tebiteby, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? Araka ny voasoratra hoe: «Fa noho ny aminao no amonoana anay mandritra ny andro; toy ny ondry hovonoina no niheverana anay» (Sal 44.22). Kanefa amin’izany rehetra izany dia mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika. Eny, matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Fa samy alaim-panahy ny olona raha tarihin’ny filany sy mety fitahiny. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Ary ianareo izay vahiny fahiny sady fahavalo tamin’ny fomba fisainanareo sy ny asa ratsy nataonareo dia efa nampihavaniny tao amin’ny tenan’ny nofony ankehitriny, tamin’ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany, raha maharitra amin’ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny Filazantsara izay efa renareo sady torina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo.
Ary avy aminareo ihany no hipoiran’ny olona sasany hitory teny tsy marina ka hitaona ny mpianatra hanaraka azy.
Ny adala no manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara. Avy eny an-danitra Andriamanitra no miondrika mijery ny zanak’olombelona mba hizaha raha misy hendry mitady an’Andriamanitra. Samy efa nivily lalana izy rehetra ka tonga nanao zava-betaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara na dia iray akory aza.
Indro, ny tanan’NY TOMPO tsy fohy fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana fa mahare. Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika; eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin’ny mitataovovonana tahaka ny amin’ny maizimaizina isika, ary ao anatin’ny hery sy tanjaka nefa tahaka ny maty. Mierona tahaka ny bera isika rehetra ary mitoloko tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika nefa tsy misy, ary miandry ny famonjena nefa lavitra antsika izany! Fa betsaka eo anatrehanao ny fikomianay ary miampanga anay ny fahotanay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay ary fantatray ny helokay: Fikomiana sy fandavana NY TOMPO, fialana amin’ny fanarahana an’Andriamanitray, teny mampahory sy fikomiana, famoronana sy famoahana teny lainga avy ao am-po. Mihemotra ny rariny ary mijanona eny lavitra eny ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana ary tsy mahazo miditra ny hitsim-po. Eny, tsy eo ny fahamarinana ary izay mifady ny ratsy dia manolo-tena hobaboin’ny sasany. Hitan’NY TOMPO ny tsy fisian’ny rariny ka tsy nankasitrahany izany. Eny, hitany fa tsy nisy olona na iray aza, ary talanjona Izy, satria tsy nisy mpanelanelana, koa ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy. Niakanjo fahamarinana tahaka ny fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ny lohany; niakanjo ny akanjo famaliana Izy; eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy. Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an’ny fahavalony ary famaliana ho an’ny rafiny; ny nosy dia hovaliany tokoa araka ny nataony avy. Hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’NY TOMPO ny olona ary ny voninahiny dia hatramin’ny fiposahan’ny masoandro; ny fiaviny dia ho toy ny rano maria, ampandehanin’ny Fanahin’NY TOMPO. Fa ny helokareo no mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo ka tsy mihaino Izy.
Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azony atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.
Ary araka ny niheverany ny fahalalana marina an’Andriamanitra ho tsy mendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’Andriamanitra azy ho amin’ny fisainana tsy mahamendrika ka hanaovany izay zavatra tsy fanao;
Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy dia manimba ny fitondrantena tsara.
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao.
Noho izany indrindra, ry rahalahy, mazotoa kosa hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo. Fa raha manao izany zavatra izany ianareo dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay.
Ry Galatiana adala, iza no namosavy anareo? Teo imasonareo indrindra anefa no nanehoana marimarina an’i Jesosy Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana.
Ny marina dia mitari-dalana ny namany, fa ny alehan’ny ratsy fanahy kosa no mampivily lalana azy.
Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny lalanareo ratsy, fa nahoana no te ho faty ianareo, ry taranak’Israely?
Samy haringana avokoa ny mpikomy sy ny mpanota; eny, ho lany ritra izay mahafoy NY TOMPO.
Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho andevo ianareo mba hanoa, na iza na iza, dia andevon’izay ankatoavinareo ianareo, na ny ota ho amin’ny fahafatesana, na ny fankatoavana ho amin’ny fahamarinana?
Ary ario ho any amin’ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hisalasala akory; fa izay misalasala dia toy ny alondranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Koa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo ny olona toy izany: Olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra.
Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesosy Tompo dia mandehana koa ao Aminy araka izany; mifahatra tsara sy miorina mafy ao Aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo ka feno fisaorana amin’izany. Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filozofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.
Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. fanompoan-tsampy, fitahirizana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adilahy, fialonana, lolompo, fifampiandaniana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fahamamoana, filalaovan-dratsy sy ny toy izany, izay ampitandremako anareo rahateo, tahaka ny nampitandremako anareo fahiny koa, fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra izay manao izany.
Fa aoka ho fantatrao izao: Any am-parany any dia hisy andro sarotra. Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny fisainako, ny finoako, ny fahari-poko, ny fitiavako, ny faharetako, ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Listra. Inona no fanenjehana izay tsy niaretako! Nefa ny Tompo nahafaka ahy tamin’izany rehetra izany. Eny, izay rehetra te ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy dia henjehina. Fa ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka kosa dia handroso hiharatsy kokoa; sady mamitaka izy no fitahina. Fa ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao satria fantatrao izay nampianatra anao izany; fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra. Ny olona dia ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, ho mpiavonavona, ho mpiteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy mahay mankasitraka, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahafehy tena, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra; manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izy nefa mandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
Noho izany dia tahaka ny nidiran’ny ota tamin’ny alalan’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana ka nahatonga ny olona rehetra ho tratry ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;
Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy noho ny amin’ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànanao.
Misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo ny iafarany dia lalana mivarina any amin’ny fahafatesana.
Fa tsy maintsy misy fisarahan-tsaina eo aminareo mba ho hita eo aminareo izay olona voazaha toetra.
Fa milaza marina ny Fanahy fa amin’ny andro farany dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany ka hanaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia,
Ary amin’izany dia tsy maintsy hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.
Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro. Avy tamin’NY TOMPO izany ka zava-mahagaga eo imasontsika.
Fa nisy mpaminany sandoka teo amin’ny olona, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hampiditra fampianaran-diso an-tsokosoko mahavery ary mitondra azy handa ny Tompo izay nanavotra azy aza. Hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ny tenany izany.
Fa na zovy na zovy no handa Ahy eo anatrehan’ny olona dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.
Fa raha ny tena sampany aza tsy navelan’Andriamanitra dia tsy havelany koa ianao. Koa hevero fa mora fanahy Andriamanitra nefa hentitra: Amin’izay lavo dia hentitra Izy; fa aminao kosa dia mora fanahy Andriamanitra, raha maharitra ao amin’ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany dia hotapahina koa ianao.
Koa samy hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’Israely, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Mitodiha ka mibebaha amin’ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany. Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo. Fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’Israely? Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty, hoy NY TOMPO Andriamanitra. Koa mibebaha ianareo mba ho velona!
Ry mpijangajanga! Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra izy.
Izany no mampiseho miharihary izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny fahamarinana sy izay tsy tia ny rahalahiny.
Koa aza manary ny fahatokianareo izay misy valisoa lehibe. Fa tokony hanana faharetana ianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.
Raha levon’ny afo ny asan’ny olona dia ho maty antoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin’ny afo ihany.
Izao ihany no teniko: Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny Filazantsaran’i Kristy ka na ho tonga hahita anareo aho na tsy ho tonga dia handre ny momba anareo, fa maharitra amin’ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny Filazantsara, ka tsy ho azon’ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’ny inona na amin’ny inona. Amin’ireo fahavalo dia mariky ny fahaverezana izany, fa aminareo kosa dia mariky ny famonjena sady avy amin’Andriamanitra.
Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fahaverezana ka maro ny miditra any. Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana mankany amin’ny fiainana ka vitsy no mahita azy.
Ankehitriny kosa, mahalala an’Andriamanitra ianareo, kanefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo. Koa nahoana ianareo no miverina indray amin’ny fanompoana ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy dikany?
Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.
Koa satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo;
Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampijoroina ihany izy, satria mahay mampijoro azy ny Tompo. Ny iray dia manao ny andro iray ho mihoatra noho ny andro sasany ary ny iray kosa dia manao ny andro rehetra ho mitovy. Aoka samy ho resy lahatra ao an-tsainy avy izy.
Ary tamin’izany dia hoy Jesosy taminy: Ianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny Amiko anio alina; fa voasoratra hoe: «Hamely ny mpiandry Aho dia hihahaka ny ondry andrasana» (Zak 13.7).
Sambatra ny olona izay manana NY TOMPO ho tokiny ka tsy mivily ho naman’ny mpiavonavona na ny mpiampanga lainga!
dia ho avy ny tompon’izany mpanompo izany amin’ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ny ora izay tsy fantany, dia hofaiziny mafy izy ka homeny anjara any amin’ny tsy mahatoky.
ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray; fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao tontolo izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
Izay mitokantokana dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany; misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.
Ary hiteny ianao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy haniry. Tsy nanary ny olony izay efa fantany mialoha Andriamanitra; sa tsy fantatrareo izay lazain’ny Soratra Masina ao amin’ny tantaran’i Elia, dia ilay fitarainany tamin’Andriamanitra noentiny namely ny Israely hoe: Marina izany; ny tsy finoany no nanapahana azy fa ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona fa matahora.
Gaga aho raha mifindra haingana toy izao ianareo hiala amin’izay efa niantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy ho amin’ny filazantsara hafa izay tsy Filazantsara akory, saingy misy ny manakorontana anareo ka ta hanova ny Filazantsaran’i Kristy.
mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy, izay niaritra ny hazofijaliana fa tsy nitandro henatra mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany ka efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy.
Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa dia ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha koa toy izany mba hahazoanareo. Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satroboninahitra mety ho lo ihany, fa isika kosa dia mitady ny tsy mety ho lo. Raha izaho ary dia mihazakazaka aho, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely rivotra; fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho dia holavina kosa.
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ho halany ny iray ary ho tiany ny iray; na hombany ny iray ary hohamavoiny ny iray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy i Mamôna ianareo.
Fa hoy aho tamin’ny fahatairako: Voafongotra tsy ho eo imasonao aho! Kanjo nihaino ny feon’ny fifonako ihany Ianao raha nitaraina Taminao aho.
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy.
Raha hoy isika: Manana fiombonana Aminy isika kanefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana fiombonana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.
Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin’izany.
aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka marobe.
Fa tsy menatra ny Filazantsara aho, satria herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ny Jiosy aloha, nefa amin’ny Jentilisa koa.
sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; an’NY TOMPO Andriamanitra ny fanafahana amin’ny fahafatesana.
Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. ary efa notafinareo ny maha olom-baovao izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy. Fa amin’izany dia tsy misy Grika sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na Barbariana sy Skitiana, na andevo sy olona afaka, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra. Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, araka ny maha olom-boafidin’Andriamanitra izay sady masina no malala. Mifandefera ka mifamelà heloka ianareo raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana izay fehin’ny fahatanterahana. Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo. Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo; dia mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena rehetra amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, koa misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
Tahaka ny zanaka manoa, dia aza mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsy fahalalanareo; fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ny fitondrantena rehetra satria voasoratra hoe: «Ho masina ianareo, satria masina Aho» (Lev 11.44).
Hoy kosa aho: Mandehana araka ny Fanahy dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo. Manana filana manohitra ny Fanahy mantsy ny nofo, ary manohitra ny nofo ny Fanahy. Mifanohitra izy ireo mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo hatao. Raha tarihin’ny Fanahy ianareo dia tsy mba ambanin’ny lalàna.
Eny, tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy ka nitady hampiorina fahamarinana ho an’ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra.
Sambatra ny olona izay tsy manaraka ny fisainan’ny ratsy fanahy sady tsy mijanona eo amin’ny lalana falehan’ny mpanota ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira, fa ny lalànan’NY TOMPO no sitrany; eny, ny lalànany no saintsaininy andro aman’alina.
Fa izao no lazain’ny Iray avo sy manerinerina izay monina mandrakizay, Masina no anarany: Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena sy hamelombelona ny fo torotoro.
Dia toy izany koa amin’izao andro ankehitriny izao, misy sisa tavela ihany araka ny fifidianana amin’ny fahasoavana. Ary raha avy amin’ny fahasoavana izany dia tsy mba avy amin’ny asa intsony; fa raha izay dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy ny loharanon’ny aina.
Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; ary manaova lala-mahitsy halehan’ny tongotrareo mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa fa mba hahasitrana azy kosa.
Tsy naringan-dry zareo ny firenena izay nasain’NY TOMPO naringany; fa nifangaro tamin’ny Jentilisa izy ka nianatra ny fanaony.
tohero izy ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra manerana izao tontolo izao.
Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hiteny hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy. Fa tsy azon’ny ratsy alaim-panahy Andriamanitra, sady tsy mba maka fanahy olona. Fa samy alaim-panahy ny olona raha tarihin’ny filany sy mety fitahiny. Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay kosa no fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
Tamin’ny foko manontolo no nitadiavako Anao; aza avela hivily hiala amin’ny didinao aho.
Ary noho ny haben’ny tsy fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro. Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.
Sambatra izay olona matahotra mandrakariva! Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.
Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia jamba; tsy mahajery lavitra izy sady nanadino ny nanadiovana azy tamin’ny fahotany fahiny.
Koa satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany, rehefa nampihavanina. Ary tsy izany ihany koa, fa mirehareha ao amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. Noho izany dia tahaka ny nidiran’ny ota tamin’ny alalan’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana ka nahatonga ny olona rehetra ho tratry ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; fa talohan’ny lalàna aza dia nisy ota teto amin’izao tontolo izao, nefa tsy isaina ny ota raha tsy misy lalàna; Nanjaka hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy anefa ny fahafatesana; eny, fa na dia tamin’izay tsy nanota tahaka ny nanotan’i Adama aza, izay tandindon’Ilay ho avy. Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezana ny fahasoavana. Satria raha ny fahadisoan’ny iray no nahatonga fahafatesana ho an’ny maro, manoatra noho izany kosa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezany be dia be, maimaimpoana, ho an’ny maro amin’ny alalan’ny Olona iray, dia Jesosy Kristy. Tsy tahaka ny avy amin’ny iray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon’ny iray no nisehoan’ny fitsarana ho fanamelohana, nefa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan’ny fanomezana ny fahasoavana ho fanamarinana. Fa raha ny fahadisoan’ny olona iray no nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’ny iray, mainka izay mahazo ny haben’ny fahasoavana sy ny fanomezan’ny fahamarinana no hanjaka amin’ny fiainana noho ny nataon’ny Iray, dia Jesosy Kristy. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ho amin’ny fiainana kosa ho an’ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsy fankatoavan’ny olona iray no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fankatoavan’ny Iray. Tamin’ny alalany koa no nahazoantsika ny fahafahana manatona izao fahasoavana itoerantsika izao, noho ny finoana; koa mirehareha amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra isika.
Ampianaro ny lalanao aho, TOMPO ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao. Aoka ny foko manontolo hatahotra ny anaranao.
Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanoradalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo dia tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo.
Koa tamin’ny batisa dia niara-nalevina Taminy ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao.
Vidio ny marina fa aza amidy, dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Fa ny anton’ny didy fandrarana dia fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy;