Indray andro fety matetika no ampifandraisintsika amin’ny fitiavana sy fisakaizana, ary eritreretsika ho fifaliana sy hafaliana fotsiny izany. Kanefa, araka ny voalazan’ny Soratra Masina, ny tena fitiavana dia tsy miankina amin’ny fihetseham-po, fa safidy sy fanapahan-kevitra lalina kokoa noho ny fitiavana andrandrana valiny. Ny fitiavana marina dia tsy mitady tombony ho an’ny tena.
Rehefa tia tsy misy tambiny isika dia mamelombelona ny fanahintsika izany, ary manampy antsika ho olona tsaratsara kokoa isan'andro. Andeha hojerentsika ao amin’ireto andininy ireto ny tena atao hoe fitiavana sy fisakaizana marina.
"Ny fitiavana mahari-po, sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, ny fitiavana tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo; tsy mifaly amin'ny tsi-marina, fa miara-mifaly amin'ny marina kosa. Mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa ny faminaniana ho foana, ary ny fitenenana amin'ny teny tsy fantatra hitsahatra, ary ny fahalalana ho foana." 1 Korintiana 13:4-8.
Ny olona maro sakaiza, hahazo loza amin’ireny; fa mba misy izay sakaiza mifikitra noho ny rahalahy.
Matoky azy, ny fon’ny lahy, ary tsy mba handao azy ny tombony miditra Soa ny ataony aminy, fa tsy mba ratsy; amin’ny andro rehetra iainany.
Ary raha misy maharesy ny irery, ho voatohitry ny roa ihany kosa; ary ny kofehy telo olana tsy mora tapahina.
Efa lasanao ny foko, ry havako, ry fofom-badiko, efa lasanao ny foko tamin’ny masonao indray mijery monja, tamin’ny singam-boahangy eo amin’ny fehivozonao!
Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako, eny mahafinaritra ianao. Ny farafarantsika dia farafara zava-maitso.
Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako; eny tsara tarehy ianao! Masom-boromahailala, ny masonao.
Ny ranobe tsy mahay mamono ny fitiavana, ny ony koa tsy mahasafotra azy. Raha misy olona hividy fitiavana na amin’ny fananana rehetra ao an-tranony aza dia tsy hahazo afa-tsy henatra foana.
Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo; tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany; manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra.
Ny fitiavana dia tsy hanam-pahataperana. Fa raha ny faminaniana kosa dia hisy farany, ny fitenenana fiteny tsy fantatra dia hitsahatra, ary ny fahalalana dia hiato.
Endrey izany hamamin’ny fitiavanao, ry havako voafofo, endrey izany hatsaran’ny fitiavanao mihoatra noho ny divay; ary mihoatra noho ny zava-manitra rehetra, ny fofon’ny hanitrao!
Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.
Ny sakaiza dia ny tia amin’ny fotoana rehetra; amin’ny fahoriana, mitsangan-ko rahalahy izy.
Ataovy vita tombokase eo ambonin’ny fonao aho, sy vita tombon-kase eo an-tsandrinao; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy azo ifonana toy ny Seoly ny fahasaro-piaro, mirehitra toy ny afo ny firehetany, dia lelafon’i Iaveh. Ny ranobe tsy mahay mamono ny fitiavana, ny ony koa tsy mahasafotra azy. Raha misy olona hividy fitiavana na amin’ny fananana rehetra ao an-tranony aza dia tsy hahazo afa-tsy henatra foana.
Sady izao no didiny efa azontsika: izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny namany koa.
Izay mahita vehivavy mahita ny fahasambarana, tombon-tsoa azony tamin’i Iaveh izany.
Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida. Endrey, tsara sady mamy, ho an’ny mpirahalahy ny miara-monina!
Miadàna amin’izao fiainanao izao miaraka amin’ny vady tianao, mandritra ny andro tsinontsinona rehetra iainanao izay nomen’Andriamanitra anao atỳ ambany masoandro, dia mandritra ny andro foana rehetra izay anao, fa izany no anjaranao amin’ity fiainana ity, sy amin’ny asa ataonao atỳ ambany masoandro.
Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo? mihoatra lavitra noho ny an’ny voahangy, ny tombany.
Ary izao no mahalavorary ny fitiavana ao amintsika: hanan-toky marimarina isika amin’ny andro fitsarana, satria nanahaka Azy tamin’ity fiainana ity. Tsy mba misy tahotra ny fitiavana, fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary, satria milaza sazy ny tahotra; koa mbola tsy lavorary ny fitiavan’izay matahotra.
Hanoroka ahy amin’ny fanorohan’ny vavany anie izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao;
Ataovy vita tombokase eo ambonin’ny fonao aho, sy vita tombon-kase eo an-tsandrinao; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy azo ifonana toy ny Seoly ny fahasaro-piaro, mirehitra toy ny afo ny firehetany, dia lelafon’i Iaveh.
Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo; tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany; manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana dia tsy hanam-pahataperana. Fa raha ny faminaniana kosa dia hisy farany, ny fitenenana fiteny tsy fantatra dia hitsahatra, ary ny fahalalana dia hiato.
Izay manarona ny hadisoana no mitady fihavanana; fa izay mampahatsiaro azy amin’ny teniny mampisaraka ny mpisakaiza.
Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
ka ny tia Azy amin’ny fo manontolo, sy amin’ny fanahy manontolo, ary amin’ny hery manontolo, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra.»
Dia tanteraka ny Soratra Masina hoe: Ary i Abrahama nino an’Andriamanitra ka notanana ho fahamarinany izany, sady nantsoina hoe sakaizan’Andriamanitra izy.
Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.
Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika! Nentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony mitokana aho, hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay, hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay. An-drariny loatra ny itiavan’ny olona anao!
Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy.
Raha mbola nivavaka ho an’ireo sakaizany i Jôba, i Iaveh kosa namerina an’i Jôba amin’ny toetrany voalohany, ary naveriny in-droa heny tamin’i Jôba ny fananany rehetra.
Izay tia ny fahadiovam-po sy mahafinaritra ny tenin’ny molony, dia ho sakaizan’ny mpanjaka.
Noho izany àry, mifanalà alahelo ianareo, ary mifamporisiha handroso, araka ny efa ataonareo rahateo.
Aza mety hofitahina ianareo, fa ny fiarahana amin’ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.
Misaora an’Andriamanitra isaky ny mahatsiaro anareo aho; dia ny miaritra ny ady hitanareo niaretako, sy renareo ho mbola iaretako koa ankehitriny. ary mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra, noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely, hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.
Ny tamà-miaraka amin’ny hendry, hihahendry; fa ny mivarilena amin’ny adala, hiharatsy.
Ny fifankazarana amin’i Iaveh dia anjaran’ny matahotra Azy. Hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin’ny fanekem-pihavanany.
Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesoa, mba hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, amin’ny fo iray sy vava iray.
Ary aoka hifandinika isika mba hampandroso ny fitiavana sy ny asa soa. Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.
Aza mikambakambana amin’izay olona foizina, na miarakaraka amin’izay olona masiaka: fandrao mianatra ny lalany ianao, ka manomana fandrika ho an’ny fanahinao.
Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.
Aza manao fikambanan-jioga hafahafa amin’ny tsy mpino ianareo; satria, inona moa no ikambanan’ny fahamarinana sy ny faharatsiana? Na inona no iraisan’ny mazava sy ny maizina?
«Loza tsy azo odiana, hoy izy, no nanjò azy, indro izy milamaka, dia tsy hiarina intsony.
Ny ratra avy amin-tsakaiza dia vokatry ny fitiavany tsy mivadika, fa ny oroky ny fahavalo kosa, fitaka foana.
Fa tsy mba hoe fahavalo akory no manaratsy ahy; raha izany dia zakako ihany; tsy mba rafilahy no mitsangan-kamely ahy; raha izany, hiery azy aho. Fa ianao izay nataoko toy ny tenako; mpanolo-tsaina tsy anafenana aman-tsakaizako.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra,
Nony tapitra niteny tamin’i Saola i Davida, dia raiki-pitia tamin’ny fanahin’i Davida ny fanahin’i Jônatasy, ka tia azy toy ny ainy i Jônatasy. Ny ampitson’izay dia nisy fanahy ratsy avy tamin’Andriamanitra latsaka tamin’i Saola, ka nihoalahoala teo afovoan’ny tranony izy. Dia nitendry harpa, araka ny fanaony amin’ny andro hafa i Davida, ary teo an-tanan’i Saola ny lefony. Nampandihizin’i Saola ny lefony; sady nataony hoe: «Hataoko indray migorobaka i Davida sy ny rindrina.» Kanjo indroa i Davida no nihodivitra teo anoloany. Dia natahotra an’i Davida i Saola, satria nomba azy i Iaveh, fa i Saola kosa nialany; ka nataon’i Saola lavitra azy izy, ary natsangany ho mpifehy arivo lahy. Ary nivoaka sy niditra teo anatrehan’ny vahoaka izy. Nampiseho fahakingana tamin’izay rehetra nataony i Davida ary nomba azy i Iaveh. Natahotra azy i Saola nahita ity izy hendry dia hendry; fa i Israely sy i Jodà rehetra kosa tia an’i Davida, noho izy nivoaka sy niditra teo anoloan’izy ireo. Ary hoy i Saola tamin’i Davida: «Indro homeko ho vadinao i Meroba, zanako vavimatoa. Misehoa ho mahery fo anefa ianao ary tohàny ny adin’i Iaveh». Fa i Saola nanao anakam-po hoe: «Aza ny tanako no mamely azy, fa aoka ny tanan’ny Filistinina no hamely azy». Dia namaly an’i Saola i Davida nanao hoe: «Zinona moa aho, zinona ny aiko, ary zinona ny fianakavian’ikaky eo amin’i Israely, no dia ho vinanton’ny mpanjaka aho?» Kanjo nony tonga ny fotoana tokony hanomezana an’i Meroba zanakavavin’i Saola, ho an’i Davida, dia nomena ho vadin’i Hadriela, any Molati, indray kosa izy. Androtr’izay ihany, dia noraisin’i Saola i Davida ka tsy navelany hody any an-tranon-drainy. Ary i Mikola zanakavavin’i Saola tia an’i Davida; dia nampandrenesiny an’i Saola izany, ka nankasitrahiny. Hoy i Saola anakam-po: «Homeko azy izy, mba ho fandrika ho azy, ka hamelezan’ny tanan’ny Filistinina azy». Dia hoy i Saola tamin’i Davida fanindroany: «Ho tonga vinantoko ianao anio». Ary nomen’i Saola didy ny mpanompony, nataony hoe: «Miresaha mangingina amin’i Davida ataovy hoe: Raiki-pitia anao ny mpanjaka, ary tia anao koa ny mpanompony rehetra, ka aoka ho vinanton’ny mpanjaka ianao amin’izao». Dia nolazain’ny mpanompon’i Saola tamin’i Davida mba ho ren’ny sofiny izany teny izany; ka hoy ny navalin’i Davida: «Fa ataonareo ho zavatra kely ve izany ho vinanton’ny mpanjaka é? Izaho dia olo-mahantra sy iva razana». Notaterin’ny mpanompon’i Saola taminy izany, nataony hoe: «Izany no teny nataon’i Davida». Dia hoy i Saola: «Izao no holazainareo amin’i Davida: ‹Tsy mila zavatra akory ho vodiondry ny mpanjaka, fa hodi-tsy miforan’ny Filistinina zato lahy, mba ho voavaly faty ny fahavalon’ny mpanjaka.› » Ny hisamboran’ny tanan’i Filistinina an’i Davida no nampoizin’i Saola tamin’izany. Dia nolazain’ny mpanompon’i Saola tamin’i Davida izany teny izany, ka nakasitrahin’i Davida izany hoe ho tonga vinanton’ny mpanjaka izy. Ary tsy mbola tapitra akory ny fetr’andro, dia nitsangana i Davida ary niainga izy sy ny olony, namono roan-jato lahy tamin’ny Filistinina sy nitondra ny hodi-tsy miforan’izy ireo i Davida; ary nomeny ny mpanjaka araka ny isany marina mba hahatonga azy ho vinantony. Ka dia nomen’i Saola ho vadiny i Mikola zanany vavy. Hitan’i Saola sy fantany tsara, fa omban’i Iaveh i Davida, ary i Mikola zanakavavin’i Saola dia tia an’i Davida. Ka nitombo ny fahatahoran’i Saola an’i Davida ary nitsangan-ko fahavalon’i Davida i Saola isan’andro isan’andro. Ary i Jônatasy nanao fanekem-pihavanana tamin’i Davida, fa tia azy toy ny ainy izy.
Mendrika hiantran’ny sakaizany izay tra-pahoriana, na dia nandao ny fahatahorana ny Tsitoha aza izy.
Koa raha mba manana famporisihana ao amin’i Kristy koa ianareo, na manana fanalana alahelo amin’ny fitiavana ihany, raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo, mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray. Noho izany, ry malalako, efa nanaiky mandrakariva koa ianareo, ka miasà amin-tahotra sy hovitra hanapitra ny famonjenareo tena, tsy tahaka ny fony aho tany aminareo fotsiny, fa mihoatra noho izany aza amin’izao aho tsy any aminareo izao, fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo. Ataovy tsy amim-pimonjomonjoana sy tsy amim-pisalasalana ny zavatra rehetra, mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao, mitana ny tenin’ny fiainana; dia hisy ho reharehako amin’ny andron’i Kristy, fa tsy ho nihazakazaka foana aho, na ho nisasatra foana. Ary faly aho na dia ny tenako aza no haidina hampombaina ny fanolorana amam-pisoronan’ny finoanareo, ka miara-mifaly aminareo rehetra. Mifalia amin’izany koa ianareo, ary miaraha mifaly amiko. Manantena ao amin’i Jesoa Tompo aho fa haniraka an’i Timote faingana aty aminareo, mba hifaliako koa rehefa reko ny toetranareo; dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra,
Fa homen’ny Tompo famindram-po kosa anie, ry i Onesifôro mianakavy, satria mazàna no namelom-bolo ahy izy, sady tsy menatra ny gadrako, fa vao mainka koa nitady ahy fatratra aza izy tany Rôma ka nahita ahy; ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin’ny Tompo amin’izay andro izay, ary ianao no mahalala indrindra ny fanompoana rehetra nataony tamiko tany Efezy.
Ny marina manoro lalana ny sakaizany; ny lalan’ny ratsy fanahy kosa mampivilivily azy.
Mitoera amim-panginana, eo anatrehan’i Iaveh ary manantenà Azy; aza tezitra noho ny amin’izay ambinina amin’ny lalany, dia ny olona mahomby amin’ny tetikadiny. Atsaharo ny hatezerana, halaviro ny havinirana; aza misafoaka foana ka hipaka amin’ny ratsy. Fa ny ratsy fanahy hofongorana; ary izay matoky an’i Iaveh no hanana ny tany.
Fa toy ny maha-iray ny vatana, na dia maro rantsana aza, sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy, dia toy izany koa i Kristy. Fa Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra, mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na Jentily, na mpanompo na tsy mpanompo; ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra. Koa ny vatana dia tsy rantsam-batana iray ihany, fa maro.
Fa maniry hahita anareo aho, mba hampahazo anareo fahasoavam-panahy hankahery anareo, izany hoe, mba hiarahantsika mifamporisika eo aminareo, amin’ny finoana iombonako izaho sy ianareo.
Henoy ny fanoroana, ary raiso ny fampianarana; mba ho hendry ianao amin’ny andro sisa hiainanao.
Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy.
Ny voaheloka no mendrika halàm-baraka eo imasony; fa ny matahotra an’i Iaveh kosa omeny voninahitra. Raha manao fianianana mamono antoka azy izy, tsy ivadihany izany.
amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana; Fa ianareo kosa, dia tsy mba ny ho toy izany no nianaranareo hahalala an’i Kristy, raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana ao amin’i Jesoa, hiala amin’ny fitondran-tenanareo taloha, ka hamela ny olon-tranainareo efa simban’ny fitaky ny filàn-dratsy, mba hohavaozina ao amin’ny saina amam-panahinareo ianareo, ka hitafy ny olom-baovao izay noarîna araka an’Andriamanitra amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa. Ario àry ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy, fa mifampirantsam-batana avokoa isika rehetra. Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza omena fidirana ny demony. Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony, fa aleo miasa tanana, manao zavatra tsara, dia hanan-komena ny tsy manana aza. Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin’ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino fahasoavana. mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana;