Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zefania 3:3 - DIEM PROTESTANTA

Toy ny liona mierona ireo lehibeny; toy ny amboadia mihaza hariva ny mpitsarany, ka tsy mitahiry remby ho tra-maraina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ireo lehibe ao aminy dia liona mierona. Ny mpitsarany dia ny amboadia hariva izay tsy mamela ho tra-maraina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Toy ny liona mierona ireo lehibeny; toy ny amboadia mihaza hariva ny mpitsarany, ka tsy mitahiry remby ho tra-maraina.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ao aminy, ny mpanapaka, liona mierona; ny mpitsarany amboadia hariva, tsy mamela na inona na inona ho tra-maraina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela ho tra-maraina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela ho tra-maraina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ireo lehibe ao aminy dia liona mierona. Ny mpitsarany dia ny amboadia hariva izay tsy mamela ho tra-maraina.

Jereo ny toko



Zefania 3:3
15 Rohy Ifampitohizana  

Tahaka ny liona mierona sy orsa noana ny olon-dratsy izay manapaka amin’ny vahoaka mahantra.


Mpikomy ireo mpanapaka anao, sady mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra. Samy tia tsolotra izy rehetra, ary mpandray kolikoly avokoa. Ny kamboty tsy entiny ara-drariny ary ny adin’ny mpitondratena tsy tsarainy.


Tahaka ny liom-bavy mierona no fandrenesana azy, eny, toy ny tigra mandrahona mafy ka mipaoka ny hazany sy mitondra azy, ary tsy misy maharombaka izany intsony.


Fa ianao kosa tsy nijery afa-tsy ny tombontsoanao, ianao kosa tsy nieritreritra afa-tsy ny hamono ny tsy manan-tsiny ho faty ary ny hanao famoretana sy herisetra.»


Ny mpaminany ama-mpisorona dia samy fangoloka avokoa. Na dia hatrany an-tranoko aza dia ahitako ny faharatsiany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Noho izany dia hivoaka hamely azy avy ao amin’ny kirihitr’ala ny liona; ary handrotidrotika azy eny an-tsaha ny amboadia. Ny leôparda hamitsaka eo akaikin’ny tanànany ka hamiravira izay rehetra mivoaka avy ao, satria nohamaroiny ny fahadisoany ary tsy hita isa ny fiodinany.


«Ao aminao dia samy manampatra fahefana ny mpitondra ary mamono olona.


Miantehitra amin’ny sabatrareo ianareo ka manao zavatra maharikoriko, ary samy maka ny vadin’ny namany avy, koa ahoana no hahazoanareo io tany io ho fanananareo?›


Faingam-pandeha noho ny leôparda ny soavaliny, ary kinga noho ny amboadia miremby takariva. Avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny no mitsamboamboatra ary mirimorimo toy ny voromahery miantoraka amin-kaza.