Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zefania 1:8 - DIEM PROTESTANTA

Izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO: «Amin’izany andro hanaovako sorona izany dia hofaiziko ny mpitondra sy ny zanaky ny mpanjaka ary izay rehetra manaraka fomba fitafy vahiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary raha tonga amin’ny andro hamonoan’NY TOMPO zavatra hatao fanatitra dia hovaliako ny lehibe sy ny zanaky ny mpanjaka, mbamin’izay rehetra mitafy ny fitafin’ny firenena hafa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO: «Amin’izany andro hanaovako sorona izany dia hofaiziko ny mpitondra sy ny zanaky ny mpanjaka ary izay rehetra manaraka fomba fitafy vahiny.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary izao no hitranga: Amin’ny andron’ny soron’i Iaveh hofaizako ny mpanapaka sy ny zanak’andriana, mbamin’izay rehetra manao fitafian’ny hafa firenena.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha mby amin’ny andro hamonoan’i Jehovah zavatra hatao fanatitra, Dia hovaliako ny lehibe sy ny zanak’andriana Mbamin’izay rehetra mitafy ny fitafin’ny firenena hafa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha mby amin'ny andro hamonoan'i Jehovah zavatra hatao fanatitra, Dia hovaliako ny lehibe sy ny zanak'andriana Mbamin'izay rehetra mitafy ny fitafin'ny firenena hafa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary raha tonga amin’ny andro hamonoan’NY TOMPO zavatra hatao fanatitra dia hovaliako ny lehibe sy ny zanaky ny mpanjaka, mbamin’izay rehetra mitafy ny fitafin’ny firenena hafa.

Jereo ny toko



Zefania 1:8
15 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Jehò tamin’ny mpitahiry ny fanamiana: –Amoahy fanamiana avokoa ireo mpivavaka amin’i Bahala. Dia namoaka fanamiana ho azy izy.


Kanefa rehefa vitan’ny Tompo avokoa ny asany ao an-tendrombohitra Tsiôna sy ao Jerosalema, dia hofaiziny ny mpanjakan’i Asiria noho ny fony feno avonavona sy ny fijeriny miandranandrana.


TOMPO ô, efa narianao ny vahoakanao, dia ny taranak’i Jakôba, satria nihahohaho tao aminy ny mpimasy avy any atsinanana sady betsaka tahaka ny an’ny Filistinina ny mpanandrony; ary nifandray tendro tamin’ny vahiny izy.


Amin’izany andro izany, dia hirotsaka an-tsehatra any ambony any ny TOMPO ka hamely ny andian’ireo planeta aman-kintana; ary hirotsaka an-tsehatra etỳ an-tany koa Izy ka hamely ny mpanjakan’ny tany.


Ary na dia ny sasany amin’ireo taranakao aza dia hoentina any koa ho mpanompo hanao raharaha ao an-dapan’ny mpanjakan’i Babilôna».


Tsy raharahany akory izay mpanjaka, ary dia ihomehezany ny mpanapaka. Tsy mampihontsina azy izay tanànamimanda; tovon-tany no asavovony, dia afany ireny.


Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy, ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa zavatra mahatsiravina eo imason’ny TOMPO Andriamanitrareo ny fanaovana izany.